sao mba???

1. xxx ( 18/11/2007 18:44)
manaona dôly e!
vevavy 30 taona aho tena mahatsiaro reradava tena tsy haiko ny antony tsy de misy hery ka inona no mba torohevitra omenareo ahy tokony hataoko. misaotra
novalian'i soanja ny 20/11/2007 20:37
2. soanja ( 18/11/2007 20:03)
Manantona dokotera haingana ary asaivo jereny ny glandes thyroides sao misy olana ny fiodiny.
Anontanio koa raha ampy otrikaina ianao na tsia satria ny tsy fahampian'ireo dia manova tokoa ny fahavitrihana sns...
Aza hadino ny matory ara-potoana (adiny 6 farafahakeliny) mba maka aina tsara refa amin'ny alina ary mifohaza vao maraina maka tsidrivotra madio sy mampitony raha possible izany any amin'ny misy anao.
Misotroa rano matetika ary manaova satroka amin'izao andro mafana izao fa aza avela danihan'ny masoandro ny tarehinao.
Aza alefa mafy loatra ny tele sy ny radio fa mba toneo ny zavatra manodidina anao.
Aza mihinan-kena be loatra na sakafo matavy.
Aza dia mihinana zavamamy be loatra.
Isan-taona dia ataovy izay hamonjena toeram-pitsaboana hitily ny momban'ny vehivavy sy ny fiarovana ny aretina ary ny fianarana mikarakara ny nono.
Mahereza ary aza manambe amzany fahavizanan-dava izany!
3. booboo ( 18/11/2007 20:29)
xxx > misinda miova rivotra kely, matory tsara, misakafo tsara, mampifalifaly / mampiada-tena. Manao bilan général any @ doko. Ankoatra izay, cf bla² n'i Soanja
4. xxx ( 18/11/2007 21:39)
misaotra betsaka anareoo namaly
fa aona le hoe mikarakara nono soanja? tsy dia azoko tsara, mananjanaka kely ray aho 3 taona efa tsy mampinono tsony
hiezaka ny hatory tsara aho, dia inona kay no sakafo tokony ho haniko matetika marihina fa aty a france za no mipetraka mangatsika be zao ny aty vaomaika za kely aina be mintsy tsy hitako izay atao nefa miasa za miala ny trano maraina tys mody raha tsy ny @ 9 alina tena reraka be na ny saina ny vatana efa tsy lazaina intsony
5. soanja ( 18/11/2007 23:35)
xxx:

Ilay mikarakara nono dia misy fomba fanao isam-bolana hitila sao misy zava-tsy mety ao amin'ny nono.
Isaky ny vita ny fadim-bolana andro faharoa dia rehefa hatory ianao na handro na hisaika dia somary safosafo sady potsepotserina ny manodidina ny nono mamonjy ny lohanono sy ny ambany helika rehetra any, ka raha maheno zava-mivaingana na mamatovato ianao dia mila mankany amin'ny dokotera jereny sao lasa mivadika homamiadana ao amin'ny nono. Io dia mila atao asam-bolana ka raha tsy hainao io dia mankanesa amin'ny dokotera/ gyneco de atorony anao ny fanaovana azy.
Rehefa feno 45 taona vao manao fitiliana amin'ny masinina ny vehivavy iray.

Raha any France ianao dia betsaka tokoa ny fahafahanao mikarakara tena. Mamonjy toera-pitsaboana izay dia ireny manazava ny tsara indrindra momba anao satria sarotra ny manome hevitra be loatra eto sao manjary manimba indray.

Ny sakafo tena tsara dia ny trondron-dranomasina satria ireny misy menaka mahasalama. In-3 isa-kerinandro raha possible.
Raha tia flax seeds ianao, azafady tsy haiko ny anaran'io amin'ny teny hafa, dia io koa tsara hohanina amin'ny sakafo maraina satria manome ny otrikaina Omaga 3. Ireny cereal ireny dia feno vitamins tokoa ka tsara tokoa.
Ny sakafo voamaina dia anisan'ny sakafo tsara tokoa n'inona n'inona izay misy any.
Ny anana epinara sy ny anandrano, kale sns dia mahasoa avokoa , ary ny cocombre sy ny broccoli ary ny hafa mitovitovy aminy maintso na miloko hafa toy ny sweet peppers mena, orange sns be antioxydants manalefaka antsika amin'ny aretina mitady hamely ny sela rehetra.
Ny voakanzo dia ny paoma hohanina amin'ny hodina. Ny paiso sy ny akondro, ireny blueberries sy ny voaroy hazo sns dia tsara aby.
Ny karoty sy ny ranony dia azo atao fisotro isanandro satria iny misy Vitamin A be de be tokoa.
Rehefa mividy ronono dia ilay tsy misy tavy intsony vidina fat free ary jereo tsara raha misy hoe nasiana Vitamin D sy Calcium raha toa ka rononon-tsoja no vidianao ho an'ny zanakao na anao fa ilaina ireo.
Tsara ho an'ny zanakao koa ireo sakafo ireo ary mahereza hatrany fa manampy ireo raha mitohy foana.
Aza hadino misotro dite maintso na The vert toy ny avy Sahambavy sy ny hafa dite mainty.
Ialao ny kafe raha possible ary aza mifoka sigara na misotro toaka.
Alohan'ny hatory dia maka aina tsara sady mitonia, mivavaha ary milamina lalandava vao manakipy maso.
Aza manao firaisana be loatra satria ianao mitaiza fa rehefa mba weekend vao manararaotra tsara.
Miala sasatra lalandava refa manam-potoana.

6. Veloo ( 19/11/2007 00:11)
xxx [ Valio ] 18-11-2007 19:44:37
Lohateny : sao mba???
manaona dôly e!
vevavy 30 taona aho tena mahatsiaro reradava tena tsy haiko ny antony tsy de misy hery ka inona no mba torohevitra omenareo ahy tokony hataoko. misaotra

mety ndray2 io stress ko... tendance depression... relaxeo ny sainao sy ny tenanao.. dia ireo lazain'i Boo2 ireo atao
7. ikaretsaka ( 19/11/2007 00:42)
Bilan aloha hijerena hoe aiza no mety sy tsy mety.
dia jereo ny tsy mety
8. sarobidy ( 20/11/2007 07:16)
de ilazao iany zahay refa mba nety le natoro teto fa sao d mba mahazo anay ndray andro any ko mantsy io kouh :oops:
9. diamondra27 ( 20/11/2007 08:02)
reraka ho azy ve zany sa reraka @ asa atao e?
raha reraka fa fantatra ny antony maha-reraka de efa solution 1 zay aloha ahazoana mamaha ilay olana

ohatra we: enao milaza fa mananjanaka 3 taona, hyper actif ngah izy, ny asa ataonao na fitaizan-jaza io na fikarakarana tokantrano na asa ivelany dia asa mandreraka daholo izany fa canaliser-o tsara we: taloha zao ny nataoko de tsy vizana za maninon @zao fotoana no mihareraka za?
Manaraka izany koa dia: saino koa ny changement nisy teo @ fiainanao, inona no niova? Nanao ahoana ny fandraisanao izany fiovàna izany; ara-tsaina, ara-batana , ara-panahy. Ny tiako lazaina de we:ohatra iray ity: niasa ianao taloha dia nijanona niasa fa nitaiza ny zanakao, safidy ve izany sa obligation? Dia reha tsy ekenao fa obligation de zao le izy vao mitaky zany.
OH 2: nisy perte ve teo @ relation-nao(famille, amitié, amour, travail) de aona ny fandraisanao azY, ianao ihany no mamaly an'io de vahao araka'izany le izy.
Raha oh ka nisy demenagement, manao ahoana ny fiaraha-monina sns ... ny firaisanao @ manodidina: surtout naman'ny zaza io sy ny RAD-ny ny namany, ahoana izany
be de be ny question mila valiana sy mandreraka ny saina , raha fantatrao ny mahareraka anao de ho mora² aminao ny hamaha azy.
De fanampin'izay voalazan'ny namana ireo moa io lazaiko io fa aleo manantona Dr ihany tokoa.
Dia mirary soa fahasalamana izany.
10. booboo ( 20/11/2007 11:16)
xxx > Efa hiditra ririnina kounkou isika zao dia jerijereo ihany ny resaka minéraux tsy haiko haiko ireny fa mety tsy ampy an-dreo ny vatanao hiatrehana ny fiovan'ny saison...
11. xxx ( 20/11/2007 13:13)
soanja:

Ilay mikarakara nono dia misy fomba fanao isam-bolana hitila sao misy zava-tsy mety ao amin'ny nono.
Isaky ny vita ny fadim-bolana andro faharoa dia rehefa hatory ianao na handro na hisaika dia somary safosafo sady potsepotserina ny manodidina ny nono mamonjy ny lohanono sy ny ambany helika rehetra any, ka raha maheno zava-mivaingana na mamatovato ianao dia mila mankany amin'ny dokotera jereny sao lasa mivadika homamiadana ao amin'ny nono. Io dia mila atao asam-bolana ka raha tsy hainao io dia mankanesa amin'ny dokotera/ gyneco de atorony anao ny fanaovana azy.

Ataoko fa raha manambady dia tsy mila maka fotoana hanaovana an'ity fa mandeha ho azy e :-)
12. soanja ( 20/11/2007 20:37)

Tsia velively izany. Ny iray lazaiko eto dia mila fifantohana goavana amin'izay tsapa sy heno ary mety haharary. Sady misy fomba arahina mitily azy fa tsy bolabolaina na vavavavaina na nifinifiana toy ilay fomba iray.
Ny tanjona tsy mitovy koa fa ny iray lazainao dia tena mitaky anao tsy hahatsiaro ny ambonin'ny tany fa raha tsy izay dia misy olana indray iny zany fa mila dokotera. :-D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3305