Baiboly Katolika, "nahalala"

1. LazaDaddy ( 15/11/2007 10:56)
Sendra tonga tato an-tsaiko ireto andalan-dahatsoratr'i Matio voarakitra ao @ Baiboly Katolika ireto teo am-pamaliana ny fanontanian'i Tsimiandravola tatsy ambadika tatsy.

Matio 1:24-25:
ry rahefa nahatsiaro tamin'ny torimaso Josefa, dia nanao araka izay nandidian'ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny, ary tsy nahalala azy izy ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jeso no anarany.
io teny hoe "nahalala" io dia miverimberina matetika toa io voalazan'i Matio io ny dikany ao @ Testamenta Taloha.
Jenezy 4:1:
Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an'i Kaina
Jenezy 4:25:
Ary Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta
=> Vakio ihany ny Baiboly fa aza mihaino fotsiny izay ampianarina antsika, i ny "mpino atsy ho atsy" toa an'i Tsimiandravola aza liana dia liana mihitsy mamaky an'io, maika fa ny mpino: sady mamaky no miaina :)

Mahereza

novalian'i fijo ny 23/11/2007 23:05
2. ikaretsaka ( 15/11/2007 12:29)
et non cognoscebat eam donec peperit filium suum primogenitum et vocavit nomen eius Iesu (mation 1:25)

Gogni=nahalala! (nahazoan'i Descartes ny "cognito ergo")
mamaky baiboly tsara mihitsy ny Katolika saidy nalainy tsara ny heviny ka.
Soa fa:wink: fantatro i Lazadaddy:P
3. xxx ( 15/11/2007 18:14)
Nahalala=iodea (en grec??)=nikomaka=connaitre

Ka raha adika izany dia
"...ary tsy nikomaka azy izy ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jeso no anarany."

"Ary Adama nikomaka an'i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an'i Kaina"

etc.Anontanio anie i Mopera ê!
4. pissoa ( 15/11/2007 19:07)
Tsy azoko ny tian'ilay dinika aleha ! Sa ve hoe mba namaky baiboly ihany i LazaDaddy ?! :-D:-D:-D
5. ikaretsaka ( 15/11/2007 20:23)
tsy haiko pissoa ka! aleo izy no hamaly marina fa ny fijeriko azy ... asa? euh mety heo namaky baiboly katolika izy dia "nahatsimpona" io teny io?
6. fijo ( 15/11/2007 22:10)
izany hoe raha azoko le resaka de i josefa tsy "niray "tamin'ny vadiny mihintsy mandrapiteraka an'i jesoa?????
izay ve le tiana lazaina?
7. cutie ( 16/11/2007 05:17)
:-D:-D:-D:-D
8. Mandefitra ( 16/11/2007 05:20)
fijo:
izany hoe raha azoko le resaka de i josefa tsy "niray "tamin'ny vadiny mihintsy mandrapiteraka an'i jesoa?????

Azonao tsara, raha arahina ilay lojika de rehefa teraka Jesoa de niray izy mivady (Josefa sy Maria io) ... ary rariny loatra izany.
Fa ny olona mo mahay mandika teny loatra, ka na efa teny mazava tsara hoe "Raiso hano... , sotroinareo rehetra ity...", mbola afaka avadika hoe "rehefa minana ny mofo de efa toy ny misotro ny rany" ...
tsetsatsetsa tsy aritra iny :)
9. majesty ( 16/11/2007 09:15)
Tena azon'ise mintsy ra fijo a,mety mbola azo itarina hoe tsy misy ifandraisany @ ADN an'i Maria mintsy:?:
10. bosista ( 16/11/2007 09:32)
LazaDaddy>> Fa firy angah ny zanak'i Josefa sy Maria no i Jesoa no lahimatoa???
tsara io andininy nomenao io fa ny sasany eto mantsy toa tsy manaiky ny fananan'i Jeso-kristy rahalahy sy anabavy!!
ary mahasahy manitatra mihintsiny ny resaka fa hoe tsy hoe tsy niray fandriana fotsiny izy roa mandra-piterany an'i Jesosy fa mandra-pahafatiny mihintsiny dia mbola virja i Maria!!
11. ikaretsaka ( 16/11/2007 17:25)
efa nazavaina teto ny momban'io rahalahy sy anabavy ..principe d'Adelphos io fa tsy haiko na ny masonkoditrareo no mamaky na inona:roll:
12. cutie ( 16/11/2007 17:57)
Mpandefa : bosista [ Valio ] 16-11-2007 10:32:08
Lohateny : Re : Baiboly Katolika, "nahalala"
LazaDaddy>> Fa firy angah ny zanak'i Josefa sy Maria no i Jesoa no lahimatoa???
tsara io andininy nomenao io fa ny sasany eto mantsy toa tsy manaiky ny fananan'i Jeso-kristy rahalahy sy anabavy!!
ary mahasahy manitatra mihintsiny ny resaka fa hoe tsy hoe tsy niray fandriana fotsiny izy roa mandra-piterany an'i Jesosy fa mandra-pahafatiny mihintsiny dia mbola virja i Maria!!

zany koa no henoko t@ mopera alou e , gaga fotsiny za we mba marina ve zany :-D:-D:-D:-D
13. ikaretsaka ( 16/11/2007 18:12)
:-D ty sipa ty tena tssss dia tsy nanadihady hoe fa naninona i mompera no niteny an'izany?:-P
14. cutie ( 16/11/2007 18:18)
henoko wa, za nga niresaka taminy :-D:-D:-D
15. ikaretsaka ( 16/11/2007 18:29)
taoko "mahalala" an'i fijo ndry androany:-D:-D
16. cutie ( 16/11/2007 18:34)
i fijo nga mopera :-D
nandalo ny sofiko fotsiny io ry Ika a, t@ assomption, i mopera blablabla teo antokotany teo , za nandalo de henoko :)
17. fijo ( 16/11/2007 21:58)
cutie an,resaka "nahalal" anie ny etsy ambony fa jereo tsara e.haindry ny dikany???
ahalala ahy tokoa fa.

izany hoe i maria ve izany no olombelona "parthénogene" hany nisy teto an tany????sao lahy resabe ity atao eto ity.

porofo ny maha zazasary an'i lery io ry havana fa hirato ny fijery.
18. ikaretsaka ( 16/11/2007 23:05)
donc cutie sy i fijo ve izany efa nifanjahalala sa?
19. fijo ( 16/11/2007 23:19)
iny hanaka dia resaka manokana.masina iny ka tsy hainareo
20. ikaretsaka ( 16/11/2007 23:31)
ah.. zafady "paosy tery"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0389