Gasy voalohany ve raha handala ny fihavanana?

1. ronaldo09 ( 13/11/2007 12:11)
Malaza dia malaza mihitsy isika malagasy raha resaka fihavanana ,ary tsy ao Dago ihany fa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy no malaza fa tia fihavanana ny gasy!Vaotsy ela akory nisy mpampianatra manana doctorat amina sosiolojia no nanantona sy nanontany ahy momba ny dikan'ny hoe aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakam-pihavanana!Dia mba faly ery aho nanazava fa tena izahay tokoa no tia fihavanana eto amin'ity Planeta ity .
Raha dinihana anefa zany hoe isika samy isika no mahatonga ahy manao ity resaka ity dia izao:Toa efa very hasiny io oha-pitenenana io fa aleon'ny ankamaroan'ny gasy very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola satria hono ny vola no maha be havana ary ny havana mandany vola zany hoe raha manam-bola ianao dia be ny milaza fa havanao ary io havanao io ihany no manadany ny volanao rehefa avy eo!
Mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe io lazan'ny gasy io ve mitohy mandrak'ity ny androany sa ny ntaolo malagasy no nalaza fa tia fihavanana.
Voa teny foana manko ny gasy aty an-dafy fa hoe miavona sy tsy tehahalala ,zany hoe tsy tia havana nefa efa takaitra avy any an-tanindrazana io ka mitohy sy mihahenjana raha aty!!!
Lazao amiko hoe ;voalohany marina ve isika raha resaka fihavanana ary aiza no miseho io fihavanana io any antanindrazana ve sa aty ivelany?
novalian'i fijo ny 22/11/2007 21:27
2. Zina ( 13/11/2007 12:26)
Ny taloha dia marina mihitsy izany vo haingana mihitsy no very ny fihavanana indrindra @ zao generation vao2 tena mampalahelo, nefa kosa mbola misy ihany ny mitazona an'io fihavanana io indrindra fa any Dago any ivelany dia otrany sarotra satria samy varina miasa sy mitady vola.

Zao ko efa manomboka ratsy ny andro satana efa tsy kely lalana intsony ka mahereza mivavaka isika mba hanana ilay fihavanana foana.
3. Mandefitra ( 13/11/2007 12:38)
Za ko de mitovy hevitra @ Zina hoe, efa verezin'ny vola ny fihavanana ... Ireto oha-pitenenana ireto no mitombona kokoa ankehitriny noho ny herin-dravola:
- Havako ra misy patsa
- manan-jara ze tian-kavana herinandro
- ory hava-manana
- aleo lo toy zay ho an-kavana
4. arialy ( 13/11/2007 16:34)
8O marina mihitsy izany satria
raha heverina ny fiainana taloha de lavitry ny ankehitriny ny vidim-piainana ka samy variana mitady ny mahasoa, tadidio koa anefa fa efa ela iany anie ilay bokin'i E.D.A milaza ny fihavanan'ny malagasy e ( ilay vohitry ny nofy) midika izany fa efa ela ny gasy no nanary tsikelikely ny fandalany ny fihavanana.
Soa isika fa tonga saina na dia mahalala aza fa sarotra ny miverina amin'ny fahiny, sa diso aho??:o (hevitro io).
5. fijo ( 13/11/2007 22:19)
mizara roa le valiny.raha ety antanandehibe de efa ny vola no mitondra ny rehetra,ka efa somary takona ilay fihavanana.
fa raha any ambanivohitra,dia mbola tena mitana io
6. soanja ( 14/11/2007 01:36)
Tsia, tsy ny Malagasy irery no mandala ny fihavanana fa na ny firenana Asiatika be dia be dia samy nandala an'io avokoa. Isika anie raha dinihina dia tsy hoe Malagasy nipoitra tao Gasikara fa mpifindra monina tonga niaina tao Madagasikara. Ny vazimba aza mbola tsy fantatra marina ny fiaingany saingy tsy natao hoe Malagasy akory.
Ny fisainana efa nananana avy any no nitondra ny fitandrovana ny fihavanana.
Hadihadio ny fiainan'ny foko indianina be dia be manerana an'i Amerika dia ahita ianao fa mbola lavitra kokoa ny azy ny fihavanana tandroviny nohon'ny izay nianantsika tamin'ny andron'ny Ntaolo.
Ny azy ny tany sy ny tontolo iainanany dia anisan'ny nataony havana koa niara nifehy ny fiainany ka nanaja izany izy mba hisian'ny fitsinjovana ny ho avin'ny taranany izay fihavanana sarotra hazavaina tokoa.











7. fijo ( 14/11/2007 20:16)
ny mponina taloha dia mbola mitana io fomba tsara io daholo ,atria ny fiaraha monina mihintsy koa no mibaiko izay.tsy ampy vola,noho izany mila mifanampy.fa vao tafiditra andaharana ny resaka vola dia rava io
8. sarobidy ( 15/11/2007 10:02)
fa am zao taona iainantsika zao ange ôtran'ny tsy d hita tsony zany e :(
9. fijo ( 15/11/2007 21:34)
mbola ita any amin'ny ambany volo any ka
10. niryna ( 15/11/2007 23:22)
Samy mitazona izany fihavanana izany avokoa ny ankaramaroan'ny firenena tsirairay.Ny hita ary azo tsapain-tanana aloha dia ny sinoa,ny koreana,ny karana,ary ireo tavaratra izay mivatravatra amin'ny hafa fa miaraka tsara raha samy izy.Ny any ambanivohitra tokoa dia mbola mitandro an'io.Toa arakaraky ny maha-manambola ny hafa no misy misitona hidina.Vokatry ny tsy fananana koa dia mivadika amin'ireo manana ny mahantra ary dia eo no mipetraka ny olana. Mbola maro tokoa ny firenena fa tsy ny antsika irery.Izay mifindra monina amin'ny toerana hafa no tena ahitana izany fihavanana sy firaisan-kina ary fifanampiana eo amin'ny fiainana.
11. sarobidy ( 16/11/2007 06:57)
de sanatri ve zany ry niryna isika malagasy iany no tsy mahay mitazona nentsika fa ny hafa mahay mandala ny azy.:roll:
12. fijo ( 16/11/2007 20:51)
marina 70% io ry sarobidy.indrisy
13. niryna ( 16/11/2007 23:48)
sarobidy:

de sanatri ve zany ry niryna isika malagasy iany no tsy mahay mitazona nentsika fa ny hafa mahay mandala ny azy.:roll:

Hoy aho hoe ny ankamaroan'ny firenena tsirairay.Tafiditra koa izany isika ka :D

14. sarobidy ( 20/11/2007 06:21)
mampalahelo iany ny mieritreritra anzany fa atao aôna eh :(
15. fijo ( 20/11/2007 21:52)
fiainana izany e
16. sarobidy ( 22/11/2007 09:28)
zany ange wa eh
17. fijo ( 22/11/2007 21:27)
arahana amin'ny onjany eo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5105