13 ny isan'ny Apostoly, hoy ny mpandalina.

1. soanja ( 11/11/2007 16:49)
Rehefa natao ny fanadihadihana momban'ny tantaran'ny finoana Kristianina. Dia nisy nahita ny Filazantsaran'i MARIA MAGDALENA amin'ny teny Koptika. Izy no vehivavy voalohany Mpianatry Jesoa ary nifankatia tokoa taminy.

Ny Filazantsaran'i Filipo, izay natao isan'ny Apokrifa no manamafy ny nisian'ny Maria Magdalena ho isan'ny mafatrapo sy akaiky ny fon'i Jesoa ary nahatonga fikorontanna be dia be sy tsy fitovian-kevitra teo anivon'ny samy Apostoly. Tao amin'io filazantsara io dia nilaza i Filipon fa MARIA Magdalena dia mpianatra " hendry" na "wise". Nisy fifandirana foana teo amin'izy sy Piera na Petera satria nisy fiadina hoe iza no handray ny lohan'ny Apostoly. Nilaza mihitsy I Filipo fa nisy fialonana teo anatrehan'izany satria nirona tamin'i MARIA I JESOA matetika satria i Maria tsy mba nisalasala ny fahamarinana na ny fampianarana nomen'i Jesoa fa ny hafa tsy mahazo na misalasala.

Ny filazantsaran'i Maria no nilaza fa taorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra ka nisy ny Pantecosta vao niray saina sy tsy nisy fisalasalana intsony ny Mpianatra rehetra. Satria henika ny Fanahy Masina izy rehetra. I Maria irery ihany no nahatsapa sy tsy natahotra fa na maty aza i Jesoa dia hiverina izy amboninahitra araka ny nolazainy nandritran'ny sakafo farany talohan'izany pantekosta izany.

Ho an'izay tsy mahalala dia i Maria Madgalena no vavolombelona voalohany ny nahalala ny nitsanganan'i JESOA tamin'ny maty ary nilaza izany tamin'ny Mpianatra hafa, izay niafina nohon'ny tahotra. Izy no teo nanatrimaso ny fahafatesan'i Jesoa teo ambony hazo fijaliana niaraka tamin'ny vehivavy vitsivisty sy mpianatra iray.

Inona marina izany no toeran'ny vehivavy tamin'ny finoana Ksristinina tany amboalohany ary nahoana no nesorina ho tsy Maria Magdalena "Mpibebaka" intsony i Maria Magdalena teo amin'ny sehatry ny finoana iray izay Krsitianina ihany, izay nanome azy io sarin-tenin'ny Mpanota nibebaka taloha azy?
Naninona no tsy nomena laharana tao amin'ny baiboly ny asasoratr'i Maria? Nankaiza izy taorian'io nisarantsarahan'ny Apostoly nandeha nitory teny?

Inoanao ve ity fijery fandalinana entiko ity?

Omeo ny hevitrao?





répondu par fijo le 23/11/2007 00:22
2. ikaretsaka ( 11/11/2007 18:07)
Betsaka tokoa ny milaza io 13th Apo io ka, fa toa tsy Maria Biscuit ( Madeleine)
Indray no henoko fa i Joda Thadeuss

@ ireo boky hafa sy Soratra Masina tahiry (aleo tsy ataoko hoe baiboly satria part an'ireo boky nisy fa tsy navondrona t@ consilin'i Nicea

(NB: Ny consilin'i Nicea no konsily nanapahana hoe ireto boky ireto avy no avondrona ho ao anaty baiboly))


toy ny taratasin'i St Iraneus sy Taratas'in Clement d'Alexandrie ho an'ny Korintianina [A.D 80] ,Hegepius[A.d 180]
dia efa voalaza foana ao @ ireo taratasy ireo io.

Manaraka izany: Nony lasa i sy maty Jodasy Iskariot dia voalaza fa i Mathias no solony maha 12 azy indray, ary i Jude Thadeus voalaza ao anaty baiboly, kosa (Lioka 6:16, Asa 1:13) no faha 13(matetika koa ilay zalahy io ilay hoe "rahalahin'ny tompo"
IO rangahy io koa ilay nanontany ny Tompo tao @ (Joany 14:22) manao hoe "nahoana ry Tompo no aminay ihany no ambarara sy asehonao ny vononahitrao fa tsy @ izao tontolo izao"

Ho an'ny Katolika moa misy Epistilin'i Md Joda , dia ao manazava azy kokoa, ao @ fiatombohany ao!



3. sipagasy ( 11/11/2007 18:08)
ny haiko, fa tsy nandalina aho an, dia ilay tableau n'iza moa iny e! ilay mpanao hoso doko iny e(leonerd De Vinci??)!, misy an'i Jesoa sy ny mpianany miaraka misakafo dia jereo hono eo fa eo koa i Maria Magdalena e! (da vinci code/film)

mazotoa mitafa ianareo fa ny ahy iny tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny e!:-*
4. ikaretsaka ( 11/11/2007 18:18)
Inona marina izany no toeran'ny vehivavy tamin'ny finoana Ksristinina tany amboalohany ary nahoana no nesorina ho tsy Maria Magdalena "Mpibebaka" intsony i Maria Magdalena teo amin'ny sehatry ny finoana iray izay Krsitianina ihany, izay nanome azy io sarin-tenin'ny Mpanota nibebaka taloha azy?
Naninona no tsy nomena laharana tao amin'ny baiboly ny asasoratr'i Maria? Nankaiza izy taorian'io nisarantsarahan'ny Apostoly nandeha nitory teny?


fanahy iniako nozaraina 2 fa miala tsiny!:oops:

Ny vehivavy t@ kristianina tany amboalohany (izay ny ankamaroany dia niaina t@ ilay stereotype Jiosy, Romanina sy ny sisa ni existe t@ izany fotoana izany, "ry vehivavy manaja ny vadinareo" sns...) Dia ohatran'ny tsy norarahiana sy tsy nomen-danja loatra t@ izany! no considerena hoe faible izany na minus e!

par contre ny nataon'ny Tompo dia ny vehivavy foana no nataony metaphore rehefa misy ireny hafatra tiany hampitaina hoe tokony hiraharaha ny faible dy ny madinika isika.
Jereo fa ny vehivavy foana no ohatra ao @ Evanjely raha vao humility sns...: Samaritanina, Ramadelenina, ilay vehivavy nitady rariny t@ mpitsara, ny nananon-tena , sns...
Sy hoe @ mahantra sy ny natao akilabao no natao ho an'ny Tompo... dia vehivavy no "symbole" (ilay resaka izy nitsangana voalazan'i soanja)
5. ikaretsaka ( 11/11/2007 18:21)
ny an'i Da vinci indray dia tsy ny resaka peinture ihany no misy code fa saika ny invention nataony rehetra...
fa tantara lava be kao io ary fijery lavabe...
Kilasy be aman-taonany ny manao an'io ho an'ireo te handalina izany @ resaka theology
6. rabilabila ( 11/11/2007 19:06)
Ka rehefa dinihina izany ( raha ny momba ny vehivavy no resahina ) dia tsy tafita ny hafatr'Lery hatramin'izao ?:wink:
7. ikaretsaka ( 12/11/2007 03:32)
tafita fa nomeny place hafa ny vehivavy ka
8. majesty ( 12/11/2007 04:33)
Ny anjara-toeran'ny vehivavy !!!
Tari-dalana kely fotsiny:
Nisy dingana telo ny toerana fivavahana ao @ soratra masina.
1)ny tabernakely:ny mpisorona ihany no afaka mandray anjara @ fotoam-pivavahana fanao ao.
2)ny synagoga:voalaza ao amin'ny testamenta vaovao,izay ny vehivavy ihany no tsy afaka mandray anjara ao.
3)ny Tempoly:fa tempolin'ny Fanahy masina ny tenanareo hoy ny Soratra masina,izany hoe misokatra ho an'ny olona rehetra,(anisany ny vehivavy).
Dia io Tempoly io no toerana ifandraisan'Atra amintsika amin'izao vanim-potoana izao.
9. rabilabila ( 12/11/2007 10:01)

tafita fa nomeny place hafa ny vehivavy ka


Nalaina tany amin'ny côte-n'iza ilay place ? dia inona ? Ireo "symbole" nosoratanao eo ambony ve ? valorisante ho an'ny vehivavy ve ny maha-symbole azy ?
10. xxx ( 12/11/2007 10:38)
mety ho badobado ihany aho fa ny fahalalàko azy dia toa betsaka anie no nanoratra boky fa vitsy no noraisina ho filazantsara e , tsy haiko ny critère nanekena na tsia ireo boky ireo hoe filazantsara
11. ikaretsaka ( 12/11/2007 16:45)
Nalaina tany amin'ny côte-n'iza ilay place ? dia inona ? Ireo "symbole" nosoratanao eo ambony ve ? valorisante ho an'ny vehivavy ve ny maha-symbole azy ?

ireo feministe angamba no tokony hametrahanao ity fanontaniana ity sa?
12. rabilabila ( 12/11/2007 17:14)
ireo feministe angamba no tokony hametrahanao ity fanontaniana ity sa?


houz Enao hoe nomeny place hafa ny vehivavy ,dia manome ohantra ianao etsy ambony hoe "symbole ",dia hoy aho hoe :valorizante ve ?:?:
Any amin'ny feminista tokoa angamba!!!
13. ikaretsaka ( 12/11/2007 18:07)
rabilabila:

ireo feministe angamba no tokony hametrahanao ity fanontaniana ity sa?


houz Enao hoe nomeny place hafa ny vehivavy ,dia manome ohantra ianao etsy ambony hoe "symbole ",dia hoy aho hoe :valorizante ve ?:?:
Any amin'ny feminista tokoa angamba!!!


ilay maha symbole azy no fantatro ry Rabilabila marina fa tsy mbola nanao dosage valeur azy aho.. (sady zahay moa tsy mahay mitsimpona ka tsy havanana loatra @ ilay hoe "firy" fa ny anay ny nahaliana azy le hoe "inona no dikany" ko
izay no antony ilazako hoe aleo ho an'ny "mpanisa"
14. soanja ( 13/11/2007 15:41)
Manana valeur tokoa ny 'symbole' nomena ny vehivavy eo amin'ny finoana saingy ny olana hitako dia tsy fantatry ny tompony izany, zany hoe zahay satria matoa mbola betsaka ny zava-mampalahelo hita mitranga amin'ny vehivavy na ny momba azy na eo amin'ny Kristianina na tsia dia satria tsy ampy ny EDUCATION na fampafantarana izany eo anivon'ireo nomena io voninahitra io!

Zany azo atao ny milaza fa misy io saingy miasa ve? antsika rehetra na vehivavy na lehilahy no mahalala ny fiasany satria miantefa amin'ny rehetra ny hatsarana rehefa miasa io. Ny symbole manko dia tokony hampiaharina raha azo ny tiany lazaina.
15. xxx ( 13/11/2007 16:05)
Nisy namaky be loatra an'i Da Vinci code kosa ato ka
16. ikaretsaka ( 13/11/2007 16:55)
Ohatran'ny eny an-dalana ihany io ry soanja an, betsaka ny symboles sy signe eny fa betsaka ihany koa ny tsy mampihatra an'io fa izay hitankitany sy azoazony ihany. matetika voa vao mihilana
17. piste ( 13/11/2007 18:02)
Voalohany aloha dia mba omeo ilay source nahazoanao ilay vaovao.
Faharoa, karazana fijerin'ireo manaraka ny mouvement féminisme no ataonao.
Fahatelo, diniho ary fakafakao izay information mivoaka fa aza tonga dia manao teli-moka.

Betsaka ny olona manoratra karazana evanjely fa ataony @ anaran'iray @ apostoly mba hojeren'ny olona n zavatra nosoratany.
Mailo @ ireny ny Fiangonana ka tsy maintsy nodinihina tsara aloha rah tena mifanaraka @ foto-pinoana tokoa. Ka ireo izay tsy mifanaraka @ izany dia nesorina tsy ao anatin'ny canon.

Ka personnellement dia mi-douter io zavatra lazainao io aho.
18. fijo ( 13/11/2007 23:03)
raha ny itako koa momba ity 13eme ity dia io voalazan'ika io;

saingy i maria kosa dia voalaza fa natokisan'i lery kokoa ary nohenoina kokoa rehefa manoro azy."i maria koa anie no mpamatsy vola an'i lery e,sady sipany tao"
i maria sy adija "hoan'ny silao dia mitovy tantara.
saingy nony lasa i lery,dia nahodina ny resaka ,ary dia nisy namadika aza hoe "mpivarotena i maria"araka ny fandinihana nefa dia toa natao fotsiny io resaka io,hanilihana an'i maria.
loza fa tany anie ny kristiania dia efa be lolom po sy be fialonana e.
19. soanja ( 14/11/2007 00:51)
piste:

karazana fijerin'ireo manaraka ny mouvement féminisme no ataonao.
Ka personnellement dia mi-douter io zavatra lazainao io aho.


Normal be re zany ry Piste. Vehivavy ve ny tena koo. Zah aza anie mba gaga raha toa ka tsy nisy discovery io satria mino aho fa matoa namboarian'Atra ny vehivavy dia ao raha e! Mahavita toy ny hafa izy ary manenika ny hatsarany raha omena sehatra izy amin'izany fahaizany sy fahendreny izany.

Tsy adala akory ny fiangonana (ny Katolika) no resahiko no naka azy ho SYMBOLEN'ilay Jerosalema vaovao!

Hajaina ny hevitrao toy ireo olona be dia be teo alohako nohajaiko hevitra. :-*:-*

Aleo fa omeko ny source an raha vao misy fotoana fa vao karohana ndraika. :-*:-*

20. ikaretsaka ( 14/11/2007 02:54)
izay ilay ilazako foana hoe karohy, trandraho fa aza midedaka ny zavatra toriana aza tsy hay akory, vao mivoaka ilay "boky nindramina" dia koba.. dia tsimpontsimpona andininy sisa
ny ao aza moa d'efa fanina ko, dia izay tsy zakan'ny tsenan-tsainy dia betsaka no mody fanina amin'ireny,

raha izay tiatianao ihany hoa ny ekenao sy inoanao sy feranao @ iny ny sainao, fa izay tsy tianao sy tsy metimety aminao dia odianao fanina na tsy raharahanao, dia tsy ny Tompo intsony no inoanao @ izay fa ny tenanao! dia aza miteny intsony hoe mino sy mpanaradia ny Tompo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4372