vitsy ny tena mpino marina mba tsy hilazana hoe tsy misy....

1. bosista ( 10/11/2007 18:45)
Raha mamaky ny SM isika dia izao no andikan'ny baiboly ny divorce:fisaoram-mpanambadiana,misao-bady!....aza milaza intsony ny hoe kristianina tsy misaraka! misaraka ny kristianina fa fisaorana no ilazana azy!
---tanteraka ve io fisaoram-panambadiana io @ maha-fisaorana azy sa tsia, eo amin'ny fiaraha-monina kristianina?
raha hisaotra ve de manao la guerre be eny @ tribonaly? maka avocat atsy maka avocat aroa?mifanandrina?
---ahoana ny hevitrareo amn le we:miteny oh le rangah: misaotra anao ramatoa fa tao anatin'izay 9 taona nifanambadian-tsika izay fa tena nahavita ianao de misaotra tokoa,fa izao :ndehana ianao mody amin'ny fianakavianao,fa misaotra amin'izay vita,Andriamnitra anie hamaly anao amin'ny soa nataonao tamiko!!?
novalian'i fijo ny 13/11/2007 23:30
2. Fody ( 10/11/2007 20:45)

bosista: tsy ny nadikan'ny baiboly azy akory fa diso ianao, fa araka ny dikan-teny malagasy io. Ho an'ny Malagasy ny misara-panambadina dia antsoina hoe misaotra. Fomba fiteny malagasy ny hoe: misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa.
3. niryna ( 11/11/2007 05:35)
Fody:


bosista: tsy ny nadikan'ny baiboly azy akory fa diso ianao, fa araka ny dikan-teny malagasy io. Ho an'ny Malagasy ny misara-panambadina dia antsoina hoe misaotra. Fomba fiteny malagasy ny hoe: misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa.

=D
ie,ka inona tokoa ary aloha ny tena mba tanjonao ity ry bosista?sa

http://baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=14&andininy=1-7&dika=
4. bosista ( 11/11/2007 10:53)
inn zao no tian'i niryna ho fantatra? hoe hande hisaotra zah? aza manahy fa tsy misy ny hisaorako eo na dia fahalalam-pomba aza ny misaotra,zah mbola libre,ary mbola mibosy koa! fa dinika2 no atao eto
5. niryna ( 12/11/2007 01:31)
bosista:

inn zao no tian'i niryna ho fantatra? hoe hande hisaotra zah? aza manahy fa tsy misy ny hisaorako eo na dia fahalalam-pomba aza ny misaotra,zah mbola libre,ary mbola mibosy koa! fa dinika2 no atao eto

Tsy maninona ny manao dinika ka,raha tsy mbola nahita na tsy nahafantatra i bosista hoe ahoana tokoa izany miaraka amin'Atra izany? Izao no fotoana ahafahanao manandrana izany.Aza manamafy ny fo.Tadiavo Izy fa mivoha foana ny varavarana ho an'izay mitady Azy.Maro mantsy ny olona miantehitra ny herin'ny tenany ka manao an'Atra tsy misy ary dia mitsambiky mikimpy.
Manao fitsapana ho an'izay miaraka aminy izy,afaka manao fitsapana Azy koa hianao.Antsoy Izy ary angataho Izy hanazava ny sainao rehefa mamaky baiboly hianao.Sarotra tokoa mantsy ny mamaky baiboly ary tsy ho azo mihitsy izay tenenin'Atra amintsika raha tsy ny FM no miaraka amintsika. Mazotoa :D

6. fijo ( 13/11/2007 23:30)
ny ahy le loahevitra no amafisiko.tena vitsy ny mpino ary zara raha misy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1082