privee manimba zavatra

1. sitlo ( 07/11/2007 17:50)
Ambaratonga voalohany sy faharoa no resahako.

Psy kely.
Ekena fa mahay noho ny mpianatry ny publique ny privee raha ny vokatra no jerena. Misy effet ratsy be any amin'ny mpianatry ny publique anefa izany.
Lasa tsy ilay olona intsony no jerena fa vao hoe mpianatry ny ESCA sy ny CEG dia mandeha ho azy hoe ito no mahay. Ka ny zaza araky ny maha-zaza azy, mora manaiky hoe izy no diso, dia teraka ao anatiny ilay hoe "tsy mahay izy na hiezaka aza".
Eo indray koa moa ireo mpianatry ny privee tsy manala CEPE sy BEPC.
Ny fanontaniako dia hoe: inona ny eritreritrareo hanandratana ny fikirizan'ny mpianatra hianatra? Ilazana aminy hoe "nety ange ny nataony" fa tohizo.

Ny mpanaraby avy eny ivelany mantsy betsaka. "Manana BEPC ve nefa dia haninona?" ...

Efa manomboka miseho taratra koa mantsy io eny amin'ny ambaratonga ambony. Tahaka ny INSCAE sy ny DEGS. Ny major sy ny lohandohany mahataty saoka ihany fa ilay any aoriandriana ireny lasa mora kivy izany. Ka na ny zavatra tokony ho hainy aza lasa tsy hitany izay ilavana azy.
novalian'i tsoupou ny 02/01/2008 13:02
2. LazaDaddy ( 07/11/2007 23:53)
sao kosa dia tsy "ny privee no manimba zavatra" fa ny an'ny fanjakana no mila fivoarana? Inona ny antony?
3. zamanoro ( 08/11/2007 00:10)
sitlo:

Ambaratonga voalohany sy faharoa no resahako.

Psy kely.
Ekena fa mahay noho ny mpianatry ny publique ny privee raha ny vokatra no jerena. Misy effet ratsy be any amin'ny mpianatry ny publique anefa izany.
Lasa tsy ilay olona intsony no jerena fa vao hoe mpianatry ny ESCA sy ny CEG dia mandeha ho azy hoe ito no mahay. Ka ny zaza araky ny maha-zaza azy, mora manaiky hoe izy no diso, dia teraka ao anatiny ilay hoe "tsy mahay izy na hiezaka aza".
Eo indray koa moa ireo mpianatry ny privee tsy manala CEPE sy BEPC.
Ny fanontaniako dia hoe: inona ny eritreritrareo hanandratana ny fikirizan'ny mpianatra hianatra? Ilazana aminy hoe "nety ange ny nataony" fa tohizo.

Ny mpanaraby avy eny ivelany mantsy betsaka. "Manana BEPC ve nefa dia haninona?" ...

Efa manomboka miseho taratra koa mantsy io eny amin'ny ambaratonga ambony. Tahaka ny INSCAE sy ny DEGS. Ny major sy ny lohandohany mahataty saoka ihany fa ilay any aoriandriana ireny lasa mora kivy izany. Ka na ny zavatra tokony ho hainy aza lasa tsy hitany izay ilavana azy.



4. zamanoro ( 08/11/2007 00:15)
Raha soloina pensily hazo daholo ny stilo dia miova io fomba fisainana io.
Fa rehefa eny Ankatso vao hita fa hay zatra tolorana ilay teny amin'ny prive dia raha vao misy asamarika sarotra kely dia tonga dia gorera be. Dia any hery mifindra Oniversity prive koa.

sitlo:

Ambaratonga voalohany sy faharoa no resahako.

Psy kely.
Ekena fa mahay noho ny mpianatry ny publique ny privee raha ny vokatra no jerena. Misy effet ratsy be any amin'ny mpianatry ny publique anefa izany.
Lasa tsy ilay olona intsony no jerena fa vao hoe mpianatry ny ESCA sy ny CEG dia mandeha ho azy hoe ito no mahay. Ka ny zaza araky ny maha-zaza azy, mora manaiky hoe izy no diso, dia teraka ao anatiny ilay hoe "tsy mahay izy na hiezaka aza".
Eo indray koa moa ireo mpianatry ny privee tsy manala CEPE sy BEPC.
Ny fanontaniako dia hoe: inona ny eritreritrareo hanandratana ny fikirizan'ny mpianatra hianatra? Ilazana aminy hoe "nety ange ny nataony" fa tohizo.

Ny mpanaraby avy eny ivelany mantsy betsaka. "Manana BEPC ve nefa dia haninona?" ...

Efa manomboka miseho taratra koa mantsy io eny amin'ny ambaratonga ambony. Tahaka ny INSCAE sy ny DEGS. Ny major sy ny lohandohany mahataty saoka ihany fa ilay any aoriandriana ireny lasa mora kivy izany. Ka na ny zavatra tokony ho hainy aza lasa tsy hitany izay ilavana azy.



5. ari.malala ( 08/11/2007 07:00)
zamanoro, za sady nianatra tam privée no nianatra tam fanjaka,a fa tsisy privée tolorana ftsn zany, az amanaratsy!
6. sariaka5 ( 08/11/2007 09:34)
za lo nianatra t@ fanjakan fona taorian'ny CEPE fa tsy hitako ze tsy mampitvy ahy @ mpianatra t@ privée raha tsy hoe ry zareo mahay miteny frantsay na anglais plus que ny fanjakana angaha,nefa taty aoriana aho nanana ecole privée fa ny hoe tolorana fotsiny aloha tsy marina kosa e! ny mpampianatra no maha samihafa azy satria ny fanjakana manantena foana hoe na miasa na tsy miasa dia mandray vola foana fa ny privée raha vao manao kinanga dia matahotra ny ho voaroaka
Miankina be dia be @ Directeur na Directrice sy ny Tale isantsokajiny ary ny panabe ny fampianarana fa tsy miankina @ ankizy fa rehefa zaza dia mitovy ny fomba fandraisany zvt fa ny mpampita izany no mila mitandrina,misy fotoana hisokafan'ny vavahadintsain'ny zaza dia iny no hararaotina fa tsy le izy mbola kamo be iny no forcé na fa tsy mety, rehefa tonga eny @ oniversité indray dia matetika ny zanak'olona sahirana sy tsy dia ampy fidirambola loatra no tena tsy afaka satria izy ireny sady mieritreritra ny ho haniny any antrano no mieritreritra ny fianarana tsy maintsy tafita , ny zanaky ny manana moa inona no hivadihany atidoha fa mamboly izy voky tsy maboly izy voky ka misosa ho azy ny fianarany,
7. lapino ( 08/11/2007 10:51)
ilay prof izay:
Misy olona nianatra, dia lasa dokotera. Avy eo anefa tsy misy asa dia lasa mpivaro-damba na saoferana taxi.
Kanefa - hoy ilay prof - tsy mitovy mihitsy ny mpivaro-damba tsy dokotera sy ilay dokotera mivaro-damba.


Raha mba voazava amin'ny ankizy fara-faharatsiny izay tsy fitoviana izay ... kanefa inona tokoa moa no zavatra mandresy lahatra azo lazaina ?
8. simplex ( 08/11/2007 12:14)

na prive io na public izay fararamparany, zara fa afaka, tsy mahavoa ny lohalaharana mintsy k.

sitlo:
Ny fanontaniako dia hoe: inona ny eritreritrareo hanandratana ny fikirizan'ny mpianatra hianatra?
Tenenina izy hoe falibe i dada refa afaka enao :P

sariaka5:
eny @ oniversité indray dia matetika ny zanak'olona sahirana sy tsy dia ampy fidirambola loatra no tena tsy afaka satria izy ireny sady mieritreritra ny ho haniny any antrano no mieritreritra ny fianarana tsy maintsy tafita , ny zanaky ny manana moa inona no hivadihany atidoha fa mamboly izy voky tsy maboly izy voky ka misosa ho azy ny fianarany,
lojika tsotsotra izay fa ny mifanohitra @ zay ngefany no mitranga. Ny zanaky ny mahantra mikezaka mafy ary miafy mintsy, mianatra tsara satria tsy tia ho very andro sy vola sy... mahalala tsara ny hozatry ny fiainana, mahita hoe any i Dada sy i Neny sahirana mafy noho izaho aty...

Ny zanaky ny manakarena, na mianatra na tsy mianatra manam-bola foana, dia aleony mirevy. Mianatra kosa dia ho "fun" noho ny mirevy :°):-P

Misy ihany ny zanaky ny mahantra tsy tafavoaka toy ny hoe zanaky ny manakarena nahavita hatr@ farany fa vitsy ireny mihoatra @ ambiny

:)
9. dadane ( 09/11/2007 14:51)
ilaina ny mianatra rahankizy a! aza mbola mieritreritra ny rahampitso aloha fa ataovy daholo izay azo atao ka indrindrandrindra ireo formation madinidinika tsy andohavambola indrindra ireo zanaky ny sahirana fa manampy betsaka anareo ireny rehefa any aoriana aza mora kivy fa mandeha io e! angony daholo ny formation rehetra izay mety azo atao ampitomboina ny fahaizana sy ny bagage tsy ananany mpanankarena izany sady azahoanao tombony mihotra azy ireo izay aloha e! mahereza daholo
10. sarobidy ( 16/11/2007 07:29)
de inna ny fanafodinzany ry sitlo :oops:
11. keyoann ( 17/11/2007 00:33)
ari.malala:

zamanoro, za sady nianatra tam privée no nianatra tam fanjaka,a fa tsisy privée tolorana ftsn zany, az amanaratsy!



za kosa mitovy hevitra am zamanoro fa rehefa eny am fanjakan indrindrindra rehefa eny am ambaratonga ambony dia mikaroka kokoa ny mpianatra fa ny eny am institut privé d tolorana fotsiny .
Fa tsy applicable eny am ny ambaratonga faharoa na primaire zany fa rehefa vita bacc ihany kosa anefa
12. niryna ( 17/11/2007 05:25)
Ilay resaka fampianarana dia misy lesoka be any amin'ny fanjakana,maro ny ankizy,vitsy ny mpampianatra.Tsy ampy ny ora hianarana,tsy ampy ny ora hivelaran'ny mpampianatra hanazavany ny ankizy.Efa mba miezaka ihany ny minisitera hanao fihofanana ireo mpampianatra saingy maro loatra ny ankizy taty aoriana dia izay no lesoka iray hitako.Tsy ampy ny fitaovana hianaran'ny ankizy na dia mba te-hianatra aza,vitsy vao tafita indrindra ireo mahantra.Toy ny teny hoe izay kely hananany no esorina aminy ary toy ny teny hoe toy ny tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.Ny manana manana ihany ka na dia tsy miraharaha fianarana aza izy ,misy ny volan'ny rar.Miezaha arak'izay tratra,tsy mora fa rehefa manankina ny fiainana sy ny fianaranao amin'Atra ny zanakao dia efa zava-dehibe izay.Fantany foana ny lalana tokony alehany.Mahereza daholo,ary manaova fanandramana fa izaho izao no vavolombelona amin'izany fahantrana nanankina ny fiainako sy ny fianarako taminy. :-*:-*:-*
13. sitlo ( 17/11/2007 07:13)
Ny ahy aloha dia tsy dia hitako loatra ny vahaolana. Fa raha mbola manana fahafahana dia aleo ihany alefa eny amin'ny privee. Fa tsy privee tsy haninon-tsy haninona ireny koa anefa.
14. keyoann ( 17/11/2007 23:28)
simplex:


na prive io na public izay fararamparany, zara fa afaka, tsy mahavoa ny lohalaharana mintsy k.

sitlo:
Ny fanontaniako dia hoe: inona ny eritreritrareo hanandratana ny fikirizan'ny mpianatra hianatra?
Tenenina izy hoe falibe i dada refa afaka enao :P

sariaka5:
eny @ oniversité indray dia matetika ny zanak'olona sahirana sy tsy dia ampy fidirambola loatra no tena tsy afaka satria izy ireny sady mieritreritra ny ho haniny any antrano no mieritreritra ny fianarana tsy maintsy tafita , ny zanaky ny manana moa inona no hivadihany atidoha fa mamboly izy voky tsy maboly izy voky ka misosa ho azy ny fianarany,
lojika tsotsotra izay fa ny mifanohitra @ zay ngefany no mitranga. Ny zanaky ny mahantra mikezaka mafy ary miafy mintsy, mianatra tsara satria tsy tia ho very andro sy vola sy... mahalala tsara ny hozatry ny fiainana, mahita hoe any i Dada sy i Neny sahirana mafy noho izaho aty...

Ny zanaky ny manakarena, na mianatra na tsy mianatra manam-bola foana, dia aleony mirevy. Mianatra kosa dia ho "fun" noho ny mirevy :°):-P

Misy ihany ny zanaky ny mahantra tsy tafavoaka toy ny hoe zanaky ny manakarena nahavita hatr@ farany fa vitsy ireny mihoatra @ ambiny

:)


bravo bravo d mbola bravo:=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D
15. dadane ( 20/11/2007 03:45)
izaho anisany zanaka sahirana fa nikaroka ny cours tsy andohavam-bola fa tsy niandry fotsiny tamin'iozao hoe mahantra ve dia hijanona mahantra foana asory ao an-tsainareo izany fa fiheverana diso misy izao mbola misy ireny cours anaovana rakitra ireny ohatra holazaiko dia ny entreprendre de Madagascar tsy mila lmieritraritra hoe aizany vola hianarako ry mama fa izao io zao dia manampy ny tanora eo amin'ny resaka fitantanana orin'asa majinika izany hoe tsy mbola manana asa atao ianao dia ao ianao no mianatra ao amin'ny manao formation amin'ny profil de patron sy ny fitantanana rehetra ao amin'ny orin'asa izany fanafohizana ny fianarana ireny ataon'ny ankizy mandritra ny fotoana maro sy andaniny vola ireny nefa rehefa tena aplikenao ireo fampianarana omeny dia mbola mahay lavitra noho ireo zanakin'ny manana mandoa amin'ny million ireny ianao misy ihany koa ny formation teo amin'ny firaisana voalohany koa vao nano formation toy io vao aingana ka ireny dia afaka manampy anao fa aza kivy fa betraka ny zavtra azo atao droit fotsiny no aloha e! mety hoe 50000f dia izay mahereza daholo
16. DotMG ( 20/12/2007 14:31)
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m476a71838526d
17. tsoupou ( 02/01/2008 13:02)
Io miankina am tsirairay ranga a, za zao tany anaty ala tany a no nanonmboka nianatra (tany Mampikony io tam 1978), dé nanohy EPP maro tam faritry Majunga iny, dé niakatra CEG teto Antananarivo dé nanao Lycée privé teto koa, fa za tsy mizeste raha miteny eto fa major foana aho na farafaharatsiny tao anatin'ny 3 premiers, fa sady maditra koa anefa, be revy be.
Ka miankina am fomba nanabeazana ny ankizy io, refa ankizy zarinao tolorana lava fa tsy mba mikarokaroka dé na privé na public no hianarany dé mitovy iany, na ho eny Ankatso na andé eny am INSCAE, na gratuit io na andoavam-bola, ny saina no mitondra azy sy ny fikirizan'ny tsirairay.
@ fomba ahoana moa no hivakian'ankizy 1 loha hianatra nefa izy efa sûr fa manana ny ampy ary efa natoro azy fa retsy sy retsy avy ny azy rahatrizay ???
Asa aloha e, fa za tsy exceptionnel fa betsaka no toa ahy ary tena sûr amzany a, oe bandy avy any anaty ala dé mi-bosse taty am ville dé mpiasa-birao mba cadre zao.
sa ahoana ??? 8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7007