Tsy efa lasa miadana daholo ve ny gasy rehetra ao MADA zao .

1. didieravalo ( 07/11/2007 06:09)
Tsy efa lasa miadana daholo ve ny gasy rehetra ao MADA , harabaina e! Efa lasa manana 4L daholo , ny fiainana lasa mora na ny vary na ny hofatrano , menaka, lasantsy , tena tafita ny gasy e! misaotra ny mpitondra , raha mikarama 1million fmg zao mety 200 000fmg fotsiny ny sakafo sy ny hofatrano , ny ambiny revena maskita sy ... fotsiny , ho ela velona an'ie ny mpitondra .
2. xxx ( 07/11/2007 11:03)
jita taratra aloha fa me manana ny ampiasaina ny gasy, ohatra fotsiny firifiry ny gasy miditra mandany vola cyber, mandany vola amin'ny credit fone, mandany vola amin'ny fivoahana isak'erin'andro any am boite na cabaret....
taloha anefa tsy nisy an'izany...
mimenomenona ihany hoe enjan ny fiainana anefa nisy fihovàna ihany mihoatra ny taloha....ny olona manana 4l kosa aloha dia tsy ny rehetra araka ny voalazanao ry didieravelo:roll:
3. LazaDaddy ( 07/11/2007 12:01)
didieravalotsirakanana> :)
4. xxx ( 07/11/2007 12:38)
Tsy izao ve no atao hoe maneso :-)
5. xxx ( 07/11/2007 16:09)
ny aty ivelany izao manjary nihena ny pouvoir d'achat , ny vidin'etana miakatra daholo nefa ny karama tsy mitombo...ny lasanty izany moa efa ho lasa luxe ny fitsangatsanganana lavitra be raha mitohy
6. didieravalo ( 09/11/2007 05:18)
de tena ny olona rehetra ve no mahavita mivoka alina sy mavita mirevy isakin'i Vendredi JOLY JUMPER sa olona vitsy anisa , raha ny cyber ndray 100fmg anie de efa afaka miditra 1mn misy latsak'izany aza, matoa misy ny taxi phone de mbola betsaka ny olona tsy mahavidy credit betsaka de aleo miantso eny @ 200ar , mba jereo firy % @ gasy zao no mikarama mihotra @ 500 000fmg de alefao ny kajikajy vary 1 gony 300 000fmg hofantrano atao hoe 200 000fmg(efa tena trano tsy zarizary zany ) de aiza ny ambiny rehetra , mbola ela vao tena tafavoka ny gasy , tsy mahagaga raha betsaka ny mpangalatra sy von'olona @ gazety isan'andro .
xxx:

jita taratra aloha fa me manana ny ampiasaina ny gasy, ohatra fotsiny firifiry ny gasy miditra mandany vola cyber, mandany vola amin'ny credit fone, mandany vola amin'ny fivoahana isak'erin'andro any am boite na cabaret....
taloha anefa tsy nisy an'izany...
mimenomenona ihany hoe enjan ny fiainana anefa nisy fihovàna ihany mihoatra ny taloha....ny olona manana 4l kosa aloha dia tsy ny rehetra araka ny voalazanao ry didieravelo:roll:



7. xxx ( 09/11/2007 06:12)
ka tsy azoko itsony ianao ka! lazaina fa efa miadana i madagasikara anefa ny hevitrao farany ambany eto mifanohitra amin'ny vpalazanao etsy amin'ny dinika avoakano etsy ambony:roll:
8. niryna ( 11/11/2007 22:36)
didieravalo:

Tsy efa lasa miadana daholo ve ny gasy rehetra ao MADA , harabaina e! Efa lasa manana 4L daholo , ny fiainana lasa mora na ny vary na ny hofatrano , menaka, lasantsy , tena tafita ny gasy e! misaotra ny mpitondra , raha mikarama 1million fmg zao mety 200 000fmg fotsiny ny sakafo sy ny hofatrano , ny ambiny revena maskita sy ... fotsiny , ho ela velona an'ie ny mpitondra .

Izany kosa ve tsy tsara e.Avelao izay afaka miadana mba hiadana fa hafasoavana daholo izany .Iza no maniry ny hijaly?

9. Jeankely ( 13/11/2007 12:59)
Rehefa tsy miadana ny Malagasy dia soloy ny mpitondra ary raiso ny fitondrana raha mahay
10. didieravalo ( 19/11/2007 05:16)
aleo kosa aloha mba hameno ny kibony ry zalahy fa mbola fisaka kely , fa za aloha mahita fa raha mbola mitondra eo i lery ao anatin'i 10 taoana de mety efa afaka mande taxi be daholo amin'izay ny olona manana fiara satria lasa mora ny fiainana:-D. Iza moa zao no lafo ny menaka TIKO 1litre sa ny lasantsy 1litre?
11. sarobidy ( 19/11/2007 08:48)
Ny lasantsy no mora ny aty aminay
1l= 12500fmg fa ny menaka tiko 18500fmg ny litre.

Ny manana iany no manana ry didieravalo aaa, fa ny mahantra mahantra atrany :oops:
12. Jeankely ( 19/11/2007 09:32)
Fa na any USA aza ve miadana daholo? Ampianaro miezaka ny olona fa aza ampianarana mitaraina
13. didieravalo ( 20/11/2007 11:34)
efa mihezaka daholo zao ny olona , zay angaha no tena hiasan'i akamaron'i gasy : hanofana trano (500mille),vary 50kg (300mille) , ecolage ny ankizy sy ny sns tsy resahina ntsony , de otrinona ny karaman'i gasy ambany ndrindra :roll:?
14. Jeankely ( 22/11/2007 12:48)
Na Didier ianao na Ravalo samy lafo daholo ireo n'aiza n'aiza. Aza kiviana ny olona fa aleo samy ahay hiezaka sy hiafy fa lasa io rehefa milofo. Ny zatra ny Moramora tsy mety intsony. Tsy mainsty mifanampy ary samy manao izay ahatafavoahana. Rehefa tsy izay dia samy sahirana eo ihany.
15. xxx ( 26/11/2007 18:48)
Miadana amin'ny aona ary!!! jereo zao ny hataon-dravalo, bahanany ny vadin'ny AndryTGV tsy havelany manao pub tsony. tsssssssssssssss tia tena lotra!!! tiany hatao doly zao retra zao. Nefa tsy hitondra ariary any am-pasana akory.
16. Jeankely ( 27/11/2007 09:04)
Tonga indray ilay xxx tsy sahy miseho fa mampiresaka. Aleo bahanana raha vitany.
17. namana2008 ( 10/12/2007 13:08)
ary d mety ny lasantsy eto dago iany kosa no misondrotra fa ny any amindry zareo efa tafita mihena a. ary so d ravalo iany ko ary no handrasanareo hahandro ny kalinareo any anaty vilany e. sa izy no tadiavinareo hitety ny varavarantranonareo hanotany oe miasa sa tsy miasa enao??? amzao fiainana zao d ze mahay mikarataka iany no tafita fa tsy ny panao ariary zato ampandrian. fiadanana tina ho azo, ny revy tiana ho vitaina ny lamaody tina henjehana, ny hanina tina hohanina nefa ny vola miditra zara ra misy hofatrano. tssssssssss
ra te ho tafita d mahaiza mikarataka d zay e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3148