hoan'ny mpitsipaka

1. fijo ( 07/11/2007 00:33)
hoanareo mpitsipaka ny kapoty.na ny fampiasana azy.
mba misy fanontaniana kely ity.
iaraha mahalala fa ao afrika ao,misy firenena ahitana olona iray tanana voan'ny sida.

fantatra fa ireo olona ireo raha feranao hoe aza manao firaisana izany ,tsy handaitra aminy izany.

ka raha ianareo no any amin'ilay toerana,hamporisika ihany ilay fampiasana kapoty ve nareo,sa dia hoe avelao hitsipaka eo daholo fa tsy mahay mihaina?
novalian'i pissoa ny 10/11/2007 11:44
2. Robert ( 07/11/2007 02:55)
Ny kapaoty anie, tsy mahaaro 100%. Fa tandremo iany, sao hoe efa manana kapaoty za ka tsy matahotra, tsy vakisiny io.....

Fa na izany aza tsara kokoa raha ampahalala ny olona, fa io fampireferana io no tena loza be (manambady mihoatra ny iray).

3. cutie ( 07/11/2007 03:26)
ka raha ianareo no any amin'ilay toerana,hamporisika ihany ilay fampiasana kapoty ve nareo,sa dia hoe avelao hitsipaka eo daholo fa tsy mahay mihaina

tsy maintsy mamporisika :lol:
4. ikaretsaka ( 07/11/2007 03:32)
ny kapaoty aza tavela any troasy koa
5. niryna ( 07/11/2007 06:23)
fijo:

hoanareo mpitsipaka ny kapoty.na ny fampiasana azy.
mba misy fanontaniana kely ity.
iaraha mahalala fa ao afrika ao,misy firenena ahitana olona iray tanana voan'ny sida.

fantatra fa ireo olona ireo raha feranao hoe aza manao firaisana izany ,tsy handaitra aminy izany.

ka raha ianareo no any amin'ilay toerana,hamporisika ihany ilay fampiasana kapoty ve nareo,sa dia hoe avelao hitsipaka eo daholo fa tsy mahay mihaina?



HS any amin'ny eritreritra na zavatra hafa alefa azafady
6. rabilabila ( 07/11/2007 09:11)
ny kapaoty aza tavela any troasy koa



Nandeha nitsimpona kapoty taiza ndry i Ika e!!:-D:-D:-D
7. Fody ( 07/11/2007 14:08)
Angaha moa ny olona dia tsy maintsy manao e?

Angaha koa ny kapoty mahasitrana amin'ny sida?

Raha asaina mampiasa kapoty ve ireo olona ao amin'io toerana io dia ho foana ny sida?

Dia averiko eto izay nolazainao tary ambadika tary:
maharo 100% ny fifehezan tena??????na tsy manao firaisana aza hianao ka voatsindron'ny fanjaitra nisy sida dia voa foana,ka aza miteny hoe 100%

Sa ve ny an'i fijo asina kapoty koa ny fanjaitra anondronana olona mba hiarovana azy amin'ny sida?

aza adino koa fa eto an tany dia misy ny firaisana.sa hianareo hanambady 15 taona??mba tsy hovoasariky ny sipa kely?

Ity indray dia resaky ny olona tsy afaka ny hifehy tena mihitsy, fa entin'ny filana fotsiny. Angaha moa ny olona dia ohatra ny akoho e, mahita vavy dia ny hitaingina ihany! Aiza ny fanahy maha olona mampiavaka amin'ny biby?

Sa ny olo-mandroso dia ireo mpankafy ny sex fa ny olona taraiky ohatra anay no mila izany fifehezan-tena izany?
Raha izay no fandrosona ho anao dia mampalahelo, satria famonona ny maha olona ny tena.

Ny Biby no baikon'ny filan'ny nofo ry namana fa tsy ny olona velively.
8. booboo ( 07/11/2007 15:02)
Ho an'ny mpitsipaka ny dinika fa handray anjara ihany zà na izany aza ...

Tsy mila mankao afrika dia afaka mahita ny vokatry
ny tsy fiarovan-tena @ rapport sexuels. Tsy sida ihany fa ny mst sy ny fitondrana vohoka tsy niriana nefa vao firy taona monja lay vhv ary ny IVG atao² foana. Tsy ara-pahasalama ihany no simba fa ny saina sy ny ho avy iray manontolo mihitsy.

Ny olona aby aby tsy hary ho hendry sy hahafehy tena ary ho vontom-pinoana tahaka ny ankamaroan'ny mpandray anjara ato @ ity sehatra iraika ity. Ka raha tsy mandaitra @ ireo karazan'oul " maditra " ireo ny anatra sy ny toriteny sy ny haiko aby ara-pinoana dia soa fa misy ny preservatifs sy ny tariny klou hiarovany ny vatany fara-faha keliny !! Zara ara-misy an'izay kely blitany zay.


9. ravakamalala ( 07/11/2007 15:22)
Raha tsy olana aminao ny mampiasa ny kapaoty dia tsy maninona mampiasà.
Fa raha tsy tianao na fantatrao fa tsy mety dia aza mampiasa , dia mahaiza mitaty ny vokany, na aza manao mihitsy fa mifeheza tena , dia raha tsy mahay mifehy tena dia mbola mahaiza mitaty ny vokany.

Za tsy hamporisika hoe mampiasà na tsy mampiasà fa za hiteny fotsiny ny tsy mampety ny fampiasana azy, avy eo ambava homana, am po mieritreritra.
10. ikaretsaka ( 07/11/2007 16:05)
rabilabila:

ny kapaoty aza tavela any troasy koa



Nandeha nitsimpona kapoty taiza ndry i Ika e!!:-D:-D:-D


miandry an'i Paoly aho e
11. pissoa ( 07/11/2007 16:55)
fijo:

hoanareo mpitsipaka ny kapoty.na ny fampiasana azy.
mba misy fanontaniana kely ity.
iaraha mahalala fa ao afrika ao,misy firenena ahitana olona iray tanana voan'ny sida.

fantatra fa ireo olona ireo raha feranao hoe aza manao firaisana izany ,tsy handaitra aminy izany.

ka raha ianareo no any amin'ilay toerana,hamporisika ihany ilay fampiasana kapoty ve nareo,sa dia hoe avelao hitsipaka eo daholo fa tsy mahay mihaina?

Mbola tsy afa-po foana ve ra-fijo a !

Ka efa lazainao fa efa voa daholo aza izy rehetra ka inona indray no hampiasany Kapoty amin'izy samy izy ao ?! :-D

Rehefa ivelan'ny izy samy izy dia anjaran'ny tsirairay foana ny mandinika fa efa fantatra fa ny kapoty dia tsy maharo a 100% izany e. Ary ireny koa hoa misy mbola tsy nahazo alalana havoaka akory dia efa hanaovan-dry matim-bola menakavy zafera madinika ao dia mivoaka ihany. Dia mihena indray ny "fahombiazana siantifika" an'ny Kapaoty :-D

Amin'ny epidemiology no misy hoe raha misy olona 100 dia 90 no mety tsy ho voa rehefa samy mampiasa kapaoty, dia afaka zao taona dia izao ny isan'ny olona voa dia bli ble blo ...
Fa ahoana ny fiatraikany rehefa olona iray no resahina ? Tsy misy resaka intsony hoe mahomby a 99% ny kapaoty (tsy io akory ny salan'isa fa ambany noho io rehefa raisina kaonty daholo ny "fahamehana" an'ny maika :-P ) donk mihena ny chance hahavoa ... fa rehefa mitsiropaka ao amin'ilay 1% izy dia traingo izay ! POINT FINAL :-D

Io koa anie tsy resaka mandeha mitokana e, betsaka ny fanentanana sy fitaizana mifandraika amin'io. Na ny akanjo, na ny sary vetaveta arentireny amin'ny aterineto, na ny karazana film sns hilazana lava ny hafa ho "tery saina", dia mandray anjara amin'ny firongatry ny aretina daholo. Ka asakasaky ny mpiseho azy hoe malala-tsaina, tena miady amin'ny AIDS tokoa ve ... sa resaka no be ? :wink:
12. ikaretsaka ( 07/11/2007 16:58)
ndry ty tena tssssssssssssss =))
13. pissoa ( 07/11/2007 17:11)
maninona an'i Ika koa za :oops::-D:-D:-D
14. rijadolly ( 07/11/2007 17:29)
Fa aiza kay za zany no tafiditra fa tena tsy arako mihitsy?Aty amin'FIVAVAHANA SY FINOANA ve? Sa fanentanana vaovao indray sa antoko mpinoana vaovao izy ity.Sao dia Sekta noforonin'Zoky fijo indray ary izy ity DIA NANGATAKA ALALANA TSY HO VONOINA.Aiza ary izy izany?kay fanina aho marina.Atorohy ahy hoe azy ho aiza ilay FIVAVAHANA SY FINOANA azafady fa tsy hitako mihintsy.
15. fijo ( 07/11/2007 21:39)
azo atao ato amn'ny fivavahan atsara ity,satria ny finoana no mety hanakana ny fampiasana io fiarovana io.

tsy misy milaza hoe mahasitrana sida ny kapoty,fa fiarovana.
aza hadino wa,fa raha ny vahoaka ao afrika no lazainao hoe aza manao izany.de miandrasa an'i paoly eo,fa izy tsy hino sy hiaino anao.cas pratika no ataokoeto fa tsy hoe revirevy.zavatra misy ao afrika io.ka raha sendra ianao no eo,ahoana no ataonao???,izay no hilaa valiny.
avela ho ripaka ve sa hiaro azy.
16. pissoa ( 08/11/2007 09:36)
Fijo :

Tsy misy afaka mandidy ny olona amin'izay tiany atao mihitsy. Na ny fiangonana na ny tsy fiangonana. Na hiteny eto foana aza izahay hoe ny tena hajaina fa ny kapaoty tsy maharo anareo izany, dia manana ny safidiny ny tsirairay ka aza mitady valy boribory.

Inona kosa nefa no tena tsy miaro amin'ny AIDS ? Efa nolazaiko teo :

# Ny filazana etsy sy eroa fa miaro ny kapaoty --- nefa tsy miaro akory. Rehefa voa hoa ny olona iray dia tsy misy mihitsy hoe ka nahomby ihany hono anie le kapaoty sns ... fa voa dia zay.
Mahagaga koa fa rehefa handrisika ny famonoana olona amin'ny fanalana zaza ny olona, dia fantany tsara ny hoe accident e, vaky le kapaoty e, niala le kapaoty e. Fa rehefa tenenina an'izany izy amin'ny resaka AIDS dia lasa zavatra tsy azo inoana mihitsy izany trangan-javatra izany. Maninona raha tsorina amin'ireo olona lazaina fa "arovana" ireo ny marina. Isaky ny pub amin'ny kapaoty dia tokony mba tenenina koa hoe izao avy nefa ny risk ... au moins mba manana safidy malalaka izy. Ny tsy fahampian'ny info omena ny olona hampiasa azy ireny dia tena famonoana azy tsotra mihitsy. Miampy ny afera ataon'ny matim-bola :-D:-D:-D

# Io saina lazaina fa "malalaka" io. Arenty sy aely daholo, amin'izay fomba takatry ny saina rehetra izao karazam-pahavetavetana rehetra izao. Dia mihevitra avy eo fa izahay manohitra ny kapaoty no mampiely ny aretina ... Raha malala-tsaina moa maninona, fa ny sasany efa malala-tsaina laotra angamba ka lasa malala-b#$% koa. Lavin'ny olona io, nefa miharihary amin'ny resaka eny ihany. :-D:-D:-D

Feiny : iza no tena mamela ny olona ho faty ry Fijo ? Ny mpandainga sy mpi-bizna amin'ny kapaoty sa ny mpanentana ny olona hifehy ny tenany fotsiny :wink:
17. fijo ( 08/11/2007 21:15)
tsy mandidy ny olona anie e,fa raha hanoro hevitra azy ianao.izy efa hay fa tsy hitsahatra ny hanao foana.
izay no hilana valiny
18. pissoa ( 09/11/2007 08:54)
Hay, :-D:-D:-D

iza no tena mamela ny olona ho faty ry Fijo ? Ny mpandainga sy mpi-bizna amin'ny kapaoty sa ny mpanentana ny olona hifehy ny tenany fotsiny
19. fijo ( 09/11/2007 23:56)
pissoa an,io toa ny ray amandreny eo anoloan'ny zanaka.
rehefa fantatra fa nanomboka nanao firaisana ny zanaka ,inona no tsara indrindra.hiteny ve hoe "tsy mahazo manao izany ianao"sa hoe ny mampianatra azy ny tokony hoataony mba hiarovana ny hoaviny"????
20. pissoa ( 10/11/2007 11:44)
Mampianatra azy ny tokony ataony, mazava ho azy. Fa inona ilay tokony ataony ka tokony atoron'ny ray aman-dreny azy ? Ahoana no tokony hiresahana aminy ny tokony ataony ?

- asaina mandeha manao araka izay tiany ? Dia asaina mitondra kapaoty ? Dia tsy tenitenenina azy hoe tsy haharo anao iny fa mety voa ihany ianao :-D

- sa miresaka tsotra aminy hoe izao no zavatra mety misy rehefa tsy mba mifehy tena, na miantehatra amin'ny fimailo ! :-D

iza no tena mamela ny olona ho faty ry Fijo ? Ny mpandainga sy mpi-bizna amin'ny kapaoty sa ny mpanentana ny olona hifehy ny tenany fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1415