tantaran'i Andrebabe

1. narivony ( 06/11/2007 14:18)
Misy mahafantatra ny tantaran'Andrebabe ve ny iray aminareo izay mandeha eto azafady ? Mba liana te hahafantatra momba an'io tantara io izahay (tsy ilay film malagasy fa ny kolontsaina ny tiako ho tenenina).
2. pifa ( 08/11/2007 17:14)
Indrisy!! tsy tsy mahafantatra ny tenanay! Nefa minoa ahy enao fa arira arira angano angano be mahatsiravina ny saina io. :wink:
3. ikaretsaka ( 09/11/2007 04:42)
tsy angano angano arira arira io ka, fa hoe tanana mety manjavona sy tsy manjavona ary ny olona mipetraka any ihany no mahay ny lalana mankany.
Nisy Mpanampinay izay avy any fa mbola kely (8 taona tany) ahako t@ zany de tsary tadidiko aby ilay tantarany
4. Kwasi ( 09/11/2007 12:19)
Any @ iny faritr'Alaotra, any akaikikaikin'Imerimandroso any no misy anazy io. Efa nisy fotoana nipetrahako tao Andrebakely ary nandre tantara vitsivitsy lazain'ny olona. Fa tsy tadidiko intsony daholo, f'efa t@ 12 taona lasa koa izay.

Raha ny tapatapany dia toy izao:
-Tsy hita maso io tanana io, nefa raha any akaikiny ianao dia mandre feon'ankizy milalao, olona olona mitoto vary,.. sns
-Ny olona avy ao dia toy ny olon-drehetra ihany. Mamonjy tsena, mianatra, sns nefa tsy misy famantarana hoe anavahana azy.
-Raha sendra misy tafaraka aminjareo mody avy miantsena ohatra ny olona dia manjavona tsy hita ry zareo rehefa mandalo ny territoire-ny.

Efa nisy nitantara ny nahatonga an'io tanana io ho tsy hita maso fa tsy tadidiko intsony. Ny olona tao Andrebakely koa tsy dia marisika loatra ny fitantarana azy io satria toa misy manankavana na avy any mihitsy aza manko ny sasany.
5. ikaretsaka ( 09/11/2007 17:28)
izay vao miverimberina fa mitovy @ io tsapan'i kwasi io koa ny henoko hoe tsy "ho tonga any aminy mihitsy hono izahay rehefa mitady azy" (ilay rehefa bedy ireny izy)
dia hoe fa manakory, de hoe avy any andrebabe izy.. de nony nitony dia nanontanian'ireo cousins sy cousines hoa aia ny tanananareo ro tsary hita! dia nanazava teo hoe rehefa mandalo ny tananany dia manjavona,
dia indray mandeha 26 jiona dia niaraka nankany Alaotra izy ilay saofera tao an-trano izay koa (avy any alaotra koa lery fa tsy Andrebabe) dia hoe mila misara dalana hono dia eto no fotoana afaka herinandro dia tsy hita tokoa ilay mpanampinay , dia amin'ny herinandro izy dia hitanao eo.

Nifampikotikoty moa izy ireo nony taty afara, dia teo Andrebakely no rendez vous, dia mandeha manaraka lalankely any hono izy dia arahin'ilay bandy avy aty afara tsy misy distance na 50 metre raha be indrindra , dia tampoka teo tsy hita!
tsy haiko intsony moa ny tohiny fa anay nifindra taty dia izy 2 niasa t@ fianakaviana teny dia tsy nandrenesam-baovao intsony fa hoe samy tsy tamana dia niala!
6. pifa ( 15/11/2007 12:49)
:xAza minomino fôna zany éé! tsisy tanana manjavona zany! ny Malagasy ve tsy fantatrareo fa pampitombo resaka éé! NY VALALA MISY, NY MPILAZA MAHAY. mety oe tanana sarotra jerena sy aleha be fa feno ala (forêt) taloha ny toerana. Sady tsy mamela marika izay mande makany (any ao aminy) de lazaina fa nanjavona!:lol::lol::lol::lol:
7. ikaretsaka ( 15/11/2007 17:45)
pifa> tena aleo aloha manadihady ka.. andao mihitsy mankany
8. pifa ( 16/11/2007 16:53)
Hanadihady zany za sy Ikaretsaka aloha! Handeha fiara karetsaka ââ! de publiétsika mitsy ny coordonnées GPS n'io Andrebabe manadala saim'bahoaka io. Cartes à l'appui, photos aériennes, sns hilazanay fa ny MASONAREO NO MANJAVONA FA TSY ANDREBABE.:P
9. ikaretsaka ( 16/11/2007 17:04)
teneno aho rehefa malalaka i pita fa za liana
10. radiarisainanasitraka ( 08/02/2018 15:12)
tena misy ny andredrabe ! nisy mpanjaka iray izay niady tamin'Andrianampohinimerina ary dia resy foana izy tamin'izay satria mahery ny mpanazary sy sampy nivavahany angamba! nony taty aoriana dia fantatra fa fady manao firaisanana amin'ny fahavalony ny mponina tao ka nitondran'Andrianampohinimerina vehivavy dia tsara indrindra tany Imerina ! nisy moa ny nanota fady ary nisy no tsy nanota fady ! tezitra noho izany ny mpanjaka ka noteneniny hoe avelako eto ianareo izay nanota fady fa izay tsy nanota fady no ento manaraka ahy ! ka ny tafajanona dia andrebakely fa ny nanaraka ny mpanjaka dia andrebabe! misy maitre kungfu maromaro ireo rehefa ilay tena manana lenta ambony dia afaka mankany ! ary anisany nahaliana ny misionera anglisy izy io ka nitondra angidimby (na helicoptère) ny tany ary dia nianjera ho azy ilay izy ! mbola tsy misy afaka manantona azy hatramin'izao ! izay no tena tantara ary thése n'olona nanao fanadihadiana tany io tantarako io fa tsy blabla be ! manaova kungfu dia somary misy karazana pacte atao dia tafiditra any e!
11. radiarisainanasitraka ( 08/02/2018 15:17)

radiarisainanasitraka:

tena misy ny andredrabe ! nisy mpanjaka iray izay niady tamin'Andrianampohinimerina ary dia resy foana izy tamin'izay satria mahery ny mpanazary sy sampy nivavahany angamba! nony taty aoriana dia fantatra fa fady manao firaisanana amin'ny fahavalony ny mponina tao ka nitondran'Andrianampohinimerina vehivavy dia tsara indrindra tany Imerina ! Misy tanana izay any antsoina hoe Imerimandroso ka izay no nahatonga io anaran-tànana io nisy moa ny nanota fady ary nisy no tsy nanota fady ! tezitra noho izany ny mpanjaka ka noteneniny hoe avelako eto ianareo izay nanota fady fa izay tsy nanota fady no ento manaraka ahy ! ka ny tafajanona dia andrebakely fa ny nanaraka ny mpanjaka dia andrebabe! misy maitre kungfu maromaro ireo rehefa ilay tena manana lenta ambony dia afaka mankany ! ary anisany nahaliana ny misionera anglisy izy io ka nitondra angidimby (na helicoptère) ny tany ary dia nianjera ho azy ilay izy ! mbola tsy misy afaka manantona azy hatramin'izao ! izay no tena tantara ary thése n'olona nanao fanadihadiana tany io tantarako io fa tsy blabla be ! manaova kungfu dia somary misy karazana pacte atao dia tafiditra any e!
12. tianaandriamampianina ( 27/08/2020 12:09)
misy fomba atao zany de afaka miditra any??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3187