Lagy

1. pifa ( 03/11/2007 11:46)
Manome lagy fotsiny le fampianarana eto Dago! :xisaky ny miova ny SG na Minisitra de miova ko ny prôgraman'ny papoosy kely, miova ny fomba fiasan'ny pampiantra (ora, boky ampiasaina, ...). miova dôly é! De refa eny am'ny univ miavaka am'zay le vary sy tsiparifary! ao ny tena nandra, ao le kinga, ao ny votsa, ao ny donaka bééééééééééé! hihi:)
2. zamanoro ( 03/11/2007 16:27)
N'aiza n'aiza misy nandra, misy domelina, misy adala sy ny sisa... Saingy ny isany fotsiny no tsy mitovy. Fa na izany na tsy izany dia mahiratra izay tafavoaka eny Ankatso sy ny Oniversity eto Mada. Tsy hitariko io

Fa marina ny an'i Pifa fa tena tsy misy fandaharam-pianarana matotra mihintsy eto. Ny antony dia ny mpitantana matetika dia niofana tany an-dafy dia rehefa tonga eto dia izay mba neveriny nety tany an-dafy no ataony dia tsy mety satria tsy mifanaraka amin'ny filan'ny Malagasy sy ny zavamisy eto akory.

Ny faharoa dia toa an'ilay tamin'ny 1992 ihany eh, manome boky tota ny Frantsay dia ovaina ny fandaharam-pianarana teto Mada mba ampiasana ireo boky tota ireo.

Dia misy nahazo rirarny tany amin'ny miteny Anglisy indray, izay mety ho tsara ihany nefa mbola tsy dia tena takatry ny maro satria ny tenigasy mbola mamy noho ny tenivahiny raha ny fitaizana sy ny iainana an-davanandro no zohina, dia iny indray fa misy mihevitra ny hanaovana ny fampianarana amin'ny teny anglisy ohatra.

Ny tena nandreraka dia sendra teny Ankatso aho fa nisy zavatra natao dia entitra ny teny hoe "Tsy maintsy amin'ny teny Frantsay" Nahoana angaha?
3. sarobidy ( 05/11/2007 07:30)
:cry: ieny tokoa wa ry pifa, ka zany nge zao tsisy vahaolana e! de jerena fotsn, miandry ny fiovan'zay pintantana ndray nefa de znay fôna, zany fôna ve?

Ny anay mo efa vita iny fa ny anireo zandry kely ao aoriana ao no mampanahy:oops:
4. pifa ( 05/11/2007 09:36)
zamanoro:

Mazava be ny nitondran'drangahy azy teo. Za ko nefa miehevitra fa tokony hisy lalàna mihitsy hafehy io fampianarana io (lalàna avo be fa tsy le lalàna mifehy sata kely etsy sy eroa reny ah!). Io lalàna io ohatra mangataka politika na plan d'actions maharitra (15 ans ohatra)ifehezana ny fampianarana; fa tsy atao secteur fanaovana experimentation araky le lazainao teo.

N'aiza n'aiza misy nandra, misy domelina, misy adala sy ny sisa... Saingy ny isany fotsiny no tsy mitovy. Fa na izany na tsy izany dia mahiratra izay tafavoaka eny Ankatso sy ny Oniversity eto Mada. Tsy hitariko io

Fa marina ny an'i Pifa fa tena tsy misy fandaharam-pianarana matotra mihintsy eto. Ny antony dia ny mpitantana matetika dia niofana tany an-dafy dia rehefa tonga eto dia izay mba neveriny nety tany an-dafy no ataony dia tsy mety satria tsy mifanaraka amin'ny filan'ny Malagasy sy ny zavamisy eto akory.

Ny faharoa dia toa an'ilay tamin'ny 1992 ihany eh, manome boky tota ny Frantsay dia ovaina ny fandaharam-pianarana teto Mada mba ampiasana ireo boky tota ireo.

Dia misy nahazo rirarny tany amin'ny miteny Anglisy indray, izay mety ho tsara ihany nefa mbola tsy dia tena takatry ny maro satria ny tenigasy mbola mamy noho ny tenivahiny raha ny fitaizana sy ny iainana an-davanandro no zohina, dia iny indray fa misy mihevitra ny hanaovana ny fampianarana amin'ny teny anglisy ohatra.

Ny tena nandreraka dia sendra teny Ankatso aho fa nisy zavatra natao dia entitra ny teny hoe "Tsy maintsy amin'ny teny Frantsay" Nahoana angaha?



5. koffman ( 05/11/2007 15:12)
Atao ahoana e, zay no heverin-dry zareo fa mety ko!
De mampalahelo le ankizy, miovaova eny,
fa tsy haiko hoe le fampianaran ataloha ve no ratsy fa mijery ny cahiern'ny nièce sy neuveux kely @ zao za, en classe de 10ème tena efa histoire be manadala no ao. Manontany tena zà hoe ahoan no fomba hahaizan'le zaza an'io?
6. sarobidy ( 06/11/2007 07:41)
korazy e
7. zamanoro ( 06/11/2007 14:29)
Siora eh
8. ari.malala ( 07/11/2007 12:43)
zay fona no olana anie e, le miovaova, d ny eo ts voaray tsara d efa miova ndray, asa ndray kou na ho tanteraka iany le we 7taona ny primaires, d tsisy manala CEPE tsony v zany sa aona, ts hay tsony e! le ankizy no mampalaelo!
9. pifa ( 08/11/2007 16:57)
ari.malala:

asa ndray kou na ho tanteraka iany le we 7taona ny primaires,

hihihi! kou ts loza ve ra zany! 7 tôna be zao! de misy efa hanao sipa any am EPP ra zany kou! vô m'doubl zany de tonga de efa zatovo
:oops:

10. sarobidy ( 19/11/2007 08:28)
hihihi! kou ts loza ve ra zany! 7 tôna be zao! de misy efa hanao sipa any am EPP ra zany kou! vô m'doubl zany de tonga de efa zatovo





=)) ko ngah vitan'izany fa hisy bevoka ny pianatry ny EPP satri efa manao sipa kouh :oops:
11. ari.malala ( 19/11/2007 12:23)
ko ts loza v zany kle! sady ny tena mandrangitra d ny teny frantsay aza toa ts voafolaka akory d efa ampidirina sahady ny teny anglisy... nga ny fanaovana anzany no hampiakatra ny niveau an'ny ankizy nefa e! isam-boditrano d ts maints ahitanoa we "ecole d'expression francaise", nefa mba manahoana ny mpampianatra, mba tena nandalo fiofanana ve? mba manana CAP na CAE v? le teny frantsay anle mpampianatra, mba manao ahoana? misy d miteniteny fona ftss tena mot à mot... le ankizy no mampalaelo! faly handray vola ftsn, sy le frime we manao carnaval e, sns fa tsitako ze tena manjary eo...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7998