sarimihetsika malagasy, aiza ho aiza?

1. kofbay ( 01/11/2007 09:50)
andao isika hanapepo sy hanakiana film malagasy mba hanaitra ny ambopon'ireo mpanantotosa sy mpilalao,hanaovan'izy ireo ezaka, mba any aoriana any ho lasa reharehan-tsika izany hoe film gasy izany!tahakan'ny nijanona tampoka mantsy ilay fihezahana be teo ka lasa fitadiavam-bola tsotra fotsiny ilay izy fa tsy misy miheritreritra izay hi fidelise client!
novalian'i foosa ny 18/06/2008 09:56
2. tovokely ( 01/11/2007 10:28)
Eo @ mpilalao aloha dia mbola betsaka no tsy mahafehy an'ilay Caractere
3. kofbay ( 01/11/2007 11:01)
izaho mino fa ny metteur en scene no mila mamehy ny acteur mba ho marina kokoa ilay personnage, jereo ny film vazaha fa na biby aza vitany ny mampiseho azy ho azo inoana, io mantsy tsy teatre ka hoe izay mitranga eo dia efa izay izany, fa azo haverin foana ny prise, mbola azo amboarina ny angle sy ny any amin'ny decoupage ary montage! betsaka anie ireo acteur malaza any ivelany ireo no tsy mahavita manao teatre e! nefa izy rehefa manao film tena ohatran'ny tena izy mihintsy!
4. xxx ( 01/11/2007 15:38)
tena mbola mila ezaka be aloha ny ankabeazan'ny film gasy.....indraindray frime marina no betsaka fa ny voto-atony tsy de manao ahoana....
5. ravatorano ( 02/11/2007 10:08)
kofboay < marina avokoa y voalazaao fa za mahita ihay koa fa tena mbola maro no areina eo ami'ny lafiny filalaovana an'ilay sarimihetsika mihitsy.za zao vao omaly no nahita film malagasy izay atao promotion amin'izao fotoana izao fa tsy lasa mihitsy.
Misy traga mampitomany lalaovina efa dia lasa mihomehy ilay actrice avieo g gaga ah sa mampiomé azy ilay izay mitomany d ahoana koa rehefa tonga ay ami'y montage sy découpage no tsy ahitana an'ireny
:-D:-D:-D:-D
:-P:-P
6. ari.malala ( 02/11/2007 12:04)
antsoy ilay mpampianatra expression scennique ny pazzapa iny e;) sady raha izy tokoa angamba no mampiofana d tena mba ho tsar amzay ny film gasy
7. Rasiligaoma ( 04/11/2007 04:07)
ny gasy tsy sahy manao "takes" na "prises" maromaro. Ohatra hoe misy resaka accident ohatra dia misy ireny mipoaka ireny, dia tsy mbola nahita aho hoe ohatan'izao ny ao anatin'ilay fiara dia nidona dia lasa ilay sarin'ny fifandonana jerena avy aty ivelany ohatra no hita.
na ireny mihodina 360 degres ireny, na ilay filma dakadaka ka misy ireny "choregraphies" be ireny
8. xxx ( 04/11/2007 08:22)
taloha ny film gasy tamin'ny vao nanomboka nivoaka dia resaka dakadaka sy tsipatsipaka fotsiny ko! mandreraka be indray ny mijery azy:-D:-D:-D
9. keyoann ( 04/11/2007 23:03)
Lay film gasy aloa dia tsy manana ny personnalité-ny mihintsy sady maka t haka tahaka nefa tsy hita akory hoe mankaiza sady toa resaka fampisehoana haitraitra fotsiny ihany.
Na izany aza mitoraka vonikazo ho an ' ny " TSIKITSIDIKA" ihany ny tenanay fa io no tena hita hoe horonan-tsary Malagasy, sa ahoana hoy nareo?
10. ravatorano ( 05/11/2007 05:37)
zaho koa dia mitoraka vonikazo andry zalahy ao amin'ny tsikitsidika fa na ny fomba filalaovana ny ny fampisehoana ny rindra tsary sy ny lamina eo amin'ny tontolon'ilay "scenario" lalaovina dia mifanaraka tsara

marina ny voalazan'ilay namana hoe tsy misy film malagasy ahitana accident ka hita hoe io fa potika ilay fiara , jereo ange fa na dia vera na vase aza mbola samborina tsy ho latsaka mba tsy ho vaky e !
amizao aloha efa mba misy ihany e
io koa miankina amin'ny budget ny film anakiray izay vokarina e ary izay no mahatonga ny film malagasy hoe roa herinandro defa vita !
:wink:
11. kofbay ( 05/11/2007 19:24)
ilay tsy mahay miray hina koa no hitako mahavo andry zalahy! samy tsy mahay nefa dia mifaninana, misy maitre mpanao kung fu malaza zay sady mpanao film gasy, dia tena nampiomehy ahy, fa indray mandeha i lery nadiadiana tamin'ny tele, dia ozy lery hoe nahita formule hanaovana effet ra (sang) tena ohatran'ny tena izy hono i lery fa tsy teniteneniny satria secret! dia gaga za hoe ny vazaha alaindry zalahy tahaka aza tsy matahotra concurence izany mampiseho ny making off'ny effets speciaux rehetra, na technique de prise de vue toy ny t@ Matrix ohatra, dia i lery indray no miseho hoe tsy hiteniteny ilay fika fanaovana ra! io anie vitan'ny ketchup asiana rano e! sady rehefa eny @ ecran io tsy voaavaka @ tena izy
12. xxx ( 05/11/2007 20:18)
:-D:-D:-D:-D:-D secret kosa ko! sao misy misongona lery.....
ravatorano: roa herinandro de vita8O:-D:-D:-D peta-roko.....tsy aleo tsy manao toy izay peta-toko
izaho fotsiny izao raha mijery film vahiny iray ka tsy haiko mitsy ny dikany ohatra film espagnol tsy mahay espagnol aho....dia mba harako ihany ny fandehan'ny film hatramin'ny farany.
Fa eritrereto anie raha film gasy e! dia ataovy hoe misy vazà tsy mahay teny gasy mijery aza fa tsy misy ho azony ny fandehan'ny film hatrany amboalohany ka hatrany ami'ny farany:-D
13. ravatorano ( 06/11/2007 10:30)
xxx tena marina lety zany kle
misy bandy akamako izay ange mpamokatra sary mihetsika io zao lery fa zany wa raim kely defa en bac ny vcd d manao tournée any amin'ny dezaka any mampiseho ilay film miaraka amin'ny groupe electrogène fa mahazo pokona b ry lerony an fa ilay tena maha film azy tsy mbola mankaiza ary tena tsy ao mihitsy.Mety mahita an'ity zao lery fa d anjarany sisa mieritreritra an'izay !
io koa resaka vola e izay hahafeno ny adiny iray mahery kely na d fopla aza ny scenario d asiana action dakdak fa reny manaitra ny pokona any ambala d hainao ihany fa variana ny olona tsisy fialam boly
14. xxx ( 06/11/2007 22:29)
ravatorano: ny dakadaka lety tsy maahzo olona itsony raha film ah! fa ny fiomehezana ndray aza no mahazo..iny mba hoe misy hiomehezana miala voly daholo ny mpianakavy....
15. kofbay ( 07/11/2007 19:39)
tena marina io famenoana ora io, jereo nefa ny gasy rehefa manao film publicitaire 30', mba misy milay toy ireny vitan'ny vaza ireny ihany ary tsy mahamenatra mihintsy, toy izany koa ny clip sasany eo ho eo amin'ny 5mn eo, fa raha vao hoe 1h30 dia eo ry lerony no misavl, ohatra hoe mody atao mpihira malaza ny acteur dia asaina mihira iny in 3 ohatra dia efa feno ny 15mn, dia mody asiana hoe mandeha mandihy ireo personnages dia tena mandihy tokoa fa dia tsy misy hevitra ampitaina mihintsy fa taperina eo aloha ny 5mn x 3, izay dia efa 30mn, dia asiana hoe mandeha daba dia eny ambony daba foana tsy mapita na inona na inona 5mn x 3 dia efa vita izay ny antsasany, dia asina kotrana kely 10mn dia avy eo asiana dakadaka sy tsipatsipaka 10mn! ny texte amin'izany dia famenoana banga no betsaka, tsy hay hoe asaina mamorona eo no eo ve ny acteurs fa tsy misy theme apetraka fa dia ohatra hoe: miadiva lisany hoe taiza ilay hafa, dia raikitra aminzay ny taiza ialahy? tatsy, tatsy taiza, tatsy ananona tatsy! tatsy ananona tatsy taiza? ka rehefa hoe tatsy hoa! azavao hoe taiza marina hoa ialahy... dia lany amin'izany ny 15mn, + generique 1 sy final dia vita ny film! dia ny tena mijery azy indray no menatra!
16. xxx ( 07/11/2007 20:15)
:-D:-D:-D:-D
17. Roch ( 16/12/2007 14:45)
Ny film gasy de HALATAHAKA NO BETSAKA tsy mba manana ny an'ny tena, miady ry Van DAMME, de mba miady koa ny gasy, taiza teto M/car no nisy anzany.
Ka ny manao zavatra tokoa hono tsy mora nefa na izany aza...
18. foosa ( 18/06/2008 09:56)
tsy misy diso ny ambarantsika fa marina daholo lasa fitadiavam-bola no manderha aloha, tokony ho tsara ny film gasy satria efa misy manana fitaovana tsara ny mpamokotra eto amintsika, saingy ilay vola no mibahana fa tsy ilay maha kanto azy, na izany aza dia mampahery ny namana mpamokatra rehetra e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2252