Lalao eseky

1. Lantoer ( 30/10/2007 09:08)
Ho an'ny Admin,
Faly ny tenako mampita ity hevitra vaovao ity izay niombonako tamin'ny mpilalao eseky vitsivitsy.
Ny zava-misy tsikaritro hatramin'ny niatombohako nilalao tao dia misy Fihaonana efa nialona am-bolana maro ao nefa dia mbola mitoetra ao foana.
Mbola vitsy dia vitsy ny Mpilalao eseky malagasy mitsidika matetika ao amin'io rohy io.
Ka ho fanatsaràna azy dia handroso soso-kevitra izaho hoe :
Raha azo atao ny manome fandresena ilay Mpilalao nanao hetsika farany rehefa tsy nanetsika tao anatin'ny fe-potoana iray ( tapa-bolana, iray volana) ilay mpifanandrina aminy.
Amin'izay madio kokoa ny fijery ny Lalao mandeha.
Misaotra indindra.
novalian'i Lantoer ny 31/10/2007 09:52
2. Lantoer ( 30/10/2007 09:18)
Efa ela no nametrahako io soso-kevitra io fa toa maivan-danja sy tsy zarizary angamba hoan'ny daholobe. Niantso ny Admin aza aho fa toa tsisy valiny.
Ny zavatra tiako ampahafantarina dia tsotra, ady ny fiainana, ilaina ny fikarohana, ampiasaina ny saina ary ito dia anisan'ny fitaovana iray manampy be dia
be eo amin'ny hakingana eo amin'ny fiainana andavanandro.
Raha tsy mazoto ianao, iangaviako, ampirisiho ny zanakao hilalao eseky.
Hitanao ao aoriana kely ny vokany.
3. tsaramaso ( 30/10/2007 09:33)
O ry lety a !!!!! ataovy @ le rubrique ery ambonimbony ery fa tsisy mijery an'elah ety ambany ety !!!!! tsy kobon'elah nga ny mpiforum kamolahy sy kamovavy daolo ireo ???!!!!!

Sady esekin'la zany tsy zakan'ny vendrana eto @ serasera zany ko ny zanakao a ny zanakao ????!!!! hahahahaha !!!!!!
4. xxx ( 30/10/2007 19:19)
Misaotra an'i Lantoer tamin'ny soso-kevitra.
Toa hafahafa filaza ilay "tsaramaso", ohatra ny tsy dia manaja olona loatra, manao fomban-tsaramaso tokoa angamba.
5. Lantoer ( 31/10/2007 09:52)
O ry tsaramaso a! Efa eto letia no nasiako azy dia eto a! Rehefa tsy manintona an lah dia tsy voatery hamaly ny hevitra @ fomba tsy mety ela elah fa voa mainka mandroaka ny olona tia ny Serasera zany.
Ary tsara fantatr'lah fa ny olona vendrana (tao an lahy) no tsara miezaka hilalao eseky.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1624