Resaka apokalipsa ihany

1. Kwasi ( 29/10/2007 17:36)
Mety hifanindran-dalana @ resaka Apokalipse ihany koa ve ny fahitanareo ilay 21/12/2012 voalazan\'ny kalandrie Maya?

Raha hazavaina tsotsotra dia @ io fotoana io dia hifanitsy ny tany sy ny masoandro ary ny galaxie misy antsika. Hirazotra @ plan de galaxie ny equateur @ io fotoana io. Io trangan-javatra io dia tsy miseho raha tsy isaky ny 26000 taona. Ary araka ny fanisanandron-dry zareo maya dia hiditra Ere vaovao (du Poisson) isika (ny tany) @ io daty io. Marihina fa ilay daty dia nampifanarahan\'ny mpikaroka @ datin\'andro ankehitriny.

Ilay basculement\'ny tany manko mety hiteraka zavatra maro (horohorontany, tsunami, desertification...). Ka raha eritreretina hoe progressif io basculement sy alignement io, dia hita fa toa mizotra mankany ihany isika @ ity Global warming @ environnement ity, na dia lazaina aza fa hoe vokatry ny asan\'ny olombelona ihany ity fahasimban\'ny tontolo iainana ity. Azo eritreretina ihany fa mety efa misy mouvement irreversible miainga any ho any, ary mety efa ho @ periode de transition aza isika izao:wink:

Fangatahana: aleo mba ady hevitra no atao fa tsy fifanebahana @ hoe minomino foana sns.
novalian'i fijo ny 31/10/2007 22:03
2. ikaretsaka ( 29/10/2007 19:09)
aleo ho tonga hiaraha mahita e!:wink:
izay ihany ny valiny tsotra.
Nisy ni dechiffre an'i Nostradamus koa dia toa nialaza an'io lery
fa ny ahy dia tsotra ihany hoe enga anie samy ho velon'aina hahita izany!
22/12/2012 mifampijery!:-D
3. niryna ( 30/10/2007 05:53)
Kwasi:

Mety hifanindran-dalana @ resaka Apokalipse ihany koa ve ny fahitanareo ilay 21/12/2012 voalazan\'ny kalandrie Maya?

Raha hazavaina tsotsotra dia @ io fotoana io dia hifanitsy ny tany sy ny masoandro ary ny galaxie misy antsika. Hirazotra @ plan de galaxie ny equateur @ io fotoana io. Io trangan-javatra io dia tsy miseho raha tsy isaky ny 26000 taona. Ary araka ny fanisanandron-dry zareo maya dia hiditra Ere vaovao (du Poisson) isika (ny tany) @ io daty io. Marihina fa ilay daty dia nampifanarahan\'ny mpikaroka @ datin\'andro ankehitriny.

Ilay basculement\'ny tany manko mety hiteraka zavatra maro (horohorontany, tsunami, desertification...). Ka raha eritreretina hoe progressif io basculement sy alignement io, dia hita fa toa mizotra mankany ihany isika @ ity Global warming @ environnement ity, na dia lazaina aza fa hoe vokatry ny asan\'ny olombelona ihany ity fahasimban\'ny tontolo iainana ity. Azo eritreretina ihany fa mety efa misy mouvement irreversible miainga any ho any, ary mety efa ho @ periode de transition aza isika izao:wink:

Fangatahana: aleo mba ady hevitra no atao fa tsy fifanebahana @ hoe minomino foana sns.




Tsy misy mahalala izay havoakan'ny am-pitso fa ny Ray irery ihany no mahafantatra izany :D
4. caprio ( 30/10/2007 08:03)
taraiky be nareo fa efa nisy pilaneta iray ndray hitan-dry zareo tia karokaroka,ka ny momba azy io dia azo hiainana tsara tahaka ity planeta misy antsika ity ary mihodidina ny masoandro,zany we misy andro sy alina koa, ka ny tiako atongavana dia ny moban'ny apokalipsa,ka ny voalazan'ny apokalipsa dia ny fataperan'izao tontolo izao,zany we ny fandringanana ny olombelona rehetra araka ny voasoratra,ka ny tiako marihina dia tsy misy hifandraisany mintsy velively @io 2012 io ny resaka apokalipsa satria na hino kidona na hino kitranga eto @ity planeta misy antsika ity dia tsarovy fa ry zareo tompon'ny atidoha tsy maintsy hisitaka any @io planeta vaovao io,ka amiko raha mbola misy ny olona velona dia tsy mbola tanteraka ny apokalipsa
5. fijo ( 30/10/2007 21:28)
de hinoana daholo ve ity rediredy momba ny finoana ity e.hosahirana ihany rah aizao no mitohy ka
6. ikaretsaka ( 30/10/2007 21:35)
caprio.. mihodina manaraka ny tenany (ao @ tenany ny axe de rotation ny tany ohatra dia any @ poles) ) vao misy atoandro sy alina ka
fa miodina ny masoandro no mampisy ny saisons!
7. rabilabila ( 30/10/2007 21:53)
Rehefa lasa ngodabe ny masoandro dia tapitra ny tany satria tsy ho tantin'ny zava-manan'aina ny hafanana(izay no lavitra indrindra )
Fa kosa raha misy méteorita mibolisatra dia lasa alohaloha ihany .

Fa raha tsy mitandrina kosa amin'ny fanajàna ny tontolo iainana dia vao maika ho loza ( ny ala ripaka =>> ho lasa ngazana ny tany ==> ny rano indray no iadivana ==> tsy manan-kanin-kohanina ny biby rehetra ==>> ....etsetra etsetra...dia izay izany!!)

Caprio >> Marina dia marina tokoa ilay nahitàna ilay exoplanète vao haingana ,izay heverina (hatramin'izao aloha ) fa mitovitovy amin'ny tàny ny atimôsféra fa lavitra beuuuhhh!! I Mars aloha izao no mbola eritreritry ry zalahy ny fomba ahafahana miaina any .Dia ny aina no mateza e!!
8. fijo ( 30/10/2007 22:07)
raha ireo antony ireo no hampisy ny fara fiainana dia ekeko,fa raha ity resaka jesoa hoavy ity???efa ela io tsaho io
9. xxx ( 31/10/2007 09:45)
Raha io resaka 2012 io dia efa betsaka ny fanarahamaso ataon'ny mpandinika ny erana (galaxie) ary tena marina fa misy transition ho amin'ny periode manaraka tokoa ny tany. Ireo Maya dia efa nahalala izay zavatra hiseho saingy ny fahendren-dry zareo dia notafihin'ny fivavahana kristiana. Nisy hafatra galaktika azon'ny Anglisy tamin'ny 2004 milaza io calendrier Maya io. Tokony ho efa fantatra araka ny kajikajy ny fisian'ny hurricane sy ny tsunami. Mila fanavaozana ny fisainan'ny olombelona ankehitriny. Asa na hihaona ihany ny fandalinan'ny Kristiana sy ny mpandinika ny galaxie amin'io indray mitoraka io na ahoana. Ny zavatra fantatra ara-tsiansa fotsiny dia ao anatin'ny transition isika izao. Mikorontana ny tany ary mila fandaminana ara-panahy izay fantatry ny Maya. Izay nanafina ny fahendren-dry zareo koa dia mahafantatra tsara ka asa raha mba misy olombelona tsara sitrapo ihany mba miezaka mivavaka ho amin'ny fizotran'ny tany amin'io transition io na mbola ilaozana miady sy samy maka ho azy ihany ka mety ho be no lasa adaladala amin'io fotoana 2012 io.
10. Kwasi ( 31/10/2007 10:22)
xxx:
Mikorontana ny tany ary mila fandaminana ara-panahy izay fantatry ny Maya

Mba tsy hitako indray izany Maya miresaka zavatra ara-panahy izany. Azonao omena reference kely ve?
caprio:
,zany we ny fandringanana ny olombelona rehetra araka ny voasoratra,ka ny tiako marihina dia tsy misy hifandraisany mintsy velively @io 2012 io ny resaka apokalipsa satria na hino kidona na hino kitranga eto @ity planeta misy antsika ity dia tsarovy fa ry zareo tompon'ny atidoha tsy maintsy hisitaka any @io planeta vaovao io,ka amiko raha mbola misy ny olona velona dia tsy mbola tanteraka ny apokalipsa

Fa angaha moa ny apokalipsa milaza hoe ho ringana daholo ny olombelona? Voalaza ao aza fa aorian'ny zavamiseho dia mbola hisy olombelona foana.
11. xxx ( 31/10/2007 10:46)
Kwasi:

[quote=xxx]Mikorontana ny tany ary mila fandaminana ara-panahy izay fantatry ny Maya

Mba tsy hitako indray izany Maya miresaka zavatra ara-panahy izany. Azonao omena reference kely ve?

Raha tena mandinika tsara izay voasoratra ao amin'ny momba io resaka Maya sy 2012 io ianao dia ho hitanao fa nanana Rituel ny Maya mba hiarovana ny harmonie de la terre. Norobaina anefa izany fahendrena izany ary anisan'ny mbola misy mampiasa azy saingy amin'ny endrika fitiavan-tena ankehitriny ary miafina ao anaty fivavahana na fikarohana. Raha miresaka fivavahana anefa isika dia ara-panahy ny resaka. Fahatsoram-pon'ny olona mivavaka no nisy teo amin'ny Maya izay nitahiry ireo fahendrena ireo.

Araka ny hevitro dia samy nanana ny fivavahany sy ny fampiasany ny fanahiny avokoa ny karazana foko rehetra misy eto ambonin'ny tany saingy efa maro no rava noho ny kristianisma. Izany no ilazako hoe fandaminana ara-panahy no ilain'ny olombelona ankehitriny.

12. tsiafoi1 ( 31/10/2007 10:47)
Aza manahy ny ampitso fa ny avoakan'ny anio aza tsy fantatrao. Fahendrana lalina izany...Iaino tsara ny ankehitrininao de tsy hanahy izay ho ampitso enao na hikoro sy holevona aza ny tany efa azonao antoka fa tsara tsisy rahoraho izay niainanao androany.
13. xxx ( 31/10/2007 10:54)
Tsiafoi1>
Tena marina ny filazanao. Fahendrena ara-panahy lalina tokoa io rehefa ampiharina amin'ny fo manontolo. Misaotra anao.
14. Kwasi ( 31/10/2007 17:38)
xxx> Ok
15. fijo ( 31/10/2007 22:03)
za koa momba io voalazan'i tsiafoy io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0724