Fangatahana hitsidika vady aman-janaka

1. axl2070 ( 28/10/2007 11:44)
Inona moa no tokony hatao raha te hiala @ mpampiasa ny mpiasa iray nefa voasakana tsy mahazo miala noho ny fiantohana ara-tsakafo sy ny resaka trano ataon'ny mpampiasa. Ny olana dia izao mangataka hijery ny vady aman-janako aho tsy nahazo marihiko fa vao roa volana no niasako amin'ilay orinasa, tsy nisy fifanarahana an-tsoratra natao aloha hatramin'izao ary manana eritreritra hiala amin'ilay orinasa aho. Mba toroy hevitra rey izaho manoratra e !
novalian'i xxx ny 18/11/2007 10:28
2. sipagasy ( 28/10/2007 13:38)
raha tsy mahadiso firenena aiza moa no misy anao?
3. axl2070 ( 29/10/2007 08:36)
Eto Madagasikara ihany fa izaho aty Toliara no miasa ary ry zareo mipetraka Majunga.
4. ds ( 29/10/2007 23:02)
Tsy haiko izay fifanarahana nataonareo fa amin'ny ankapobeny, dia afaka miala tsy misy sakantsakana ny mpiasa rehefa te hiala. Ny tsy maintsy atao kosa dia ny manao fampandrenesana (préavis) mialoha ny fialana. Ny faharetan'ny préavis dia arakaraka ny sokajy misy anao (ouvrier, cadre,sns) sy ny faharetan'ny fe-potoana niasanao (ancienneté) tao amin'ilay orinasa. Raha vao roa volana izany, dia mety mbola ao anatin'ny fanandramana (période d'essai) raha cadre, noho izany afaka misaraka tsy misy maratra. Raha ohatra moa ka tsy te hanao préavis kanefa voaterin'ny lalàna, dia afaka mandoa vola (solon'ny karama) ho an'ny mpampiasa.
5. fijo ( 06/11/2007 22:06)
raha io faharetaa io(2 voalan)sady tsy mbola misy fifanarahana arataratasy)araka ny voalazany,dia mino aho fa hafaka miala moramora tsy misy olana ka
6. tsiambaratelo ( 17/11/2007 19:06)
Araka ny voalaza tery ambony hoe vao 2volana ianao no tao @lay orinasa .Marina ny voalazan\'\"ds\"hoe mety ianao mbola tao anatin\'ilay fanandramana(periode d\'essai)ka afaka misaraka tsy misy maratra.Ny somary nanaitra kely ahy de lay voalazanao hoe tsy nisy ny taratasy nifanaovana.Ilaina dia ilaina tokoa ny taratasy fifanarahana na(contrat de travail) satria io dia afaka hiarovanao tena raha sendra misy olana(problème) ohatra akaiky amzay le fangatahanao fitsidihana vady aman-janaka.Raha asa mitohy ny ao am le orinasa de mazava hoazy fa tsisy congé na temps libre omeny anao aoanatin\'ny2mois.Raha asa tsy mitohy kosa,de rehefa vita ny ilainy anao na2 na3mois de afaka mandeha ianao.
7. endrika01 ( 18/11/2007 09:44)
Raha vao nanomboka hiasa tao @lay orinasa ve ianao;moa ve nisy ny marimaritra iraisana teo @mpampiasa sy ianao?Lavitra ihany mantsy ny toeram-piasanao,sy ny toerana misy ny vady aman-janaka.
Ianao ve no nian-totena sa ny mpampiasa no niantoka ny fahatongavanao?
Raha tsy fantatra mazava mantsy ny fiandohana tsy misy azo hanampiana anao,na dia ho tanisaina eto avokoa aza ny lalana mifehy ny asa,ny andraikitra tokony horaisin'ny mpampiasa sy ny zon'ny mpiasa.
Ka afaka ve ianao ny mba manomé am-bangovangony na kely ihany aza.Courage
8. xxx ( 18/11/2007 10:28)
endrika01:

Raha vao nanomboka hiasa tao @lay orinasa ve ianao;moa ve nisy ny marimaritra iraisana teo @mpampiasa sy ianao?Lavitra ihany mantsy ny toeram-piasanao,sy ny toerana misy ny vady aman-janaka.
Ianao ve no nian-totena sa ny mpampiasa no niantoka ny fahatongavanao?
Raha tsy fantatra mazava mantsy ny fiandohana tsy misy azo hanampiana anao,na dia ho tanisaina eto avokoa aza ny lalana mifehy ny asa,ny andraikitra tokony horaisin'ny mpampiasa sy ny zon'ny mpiasa.
Ka afaka ve ianao ny mba manomé am-bangovangony na kely ihany aza.Courage
:roll::roll::roll:=))=))=))=))=))=))=))=))=))


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6317