Governemanta

21. Kwasi ( 30/10/2007 15:31)
efa Jeneraly stratege betsakambefolo no nifandimby nitana an'io ministera io zay fa tsy hitako ze afaka nitondra reforme na ny iray aza

Tsy voatery hoe miaramila foana akory no hanana strategie. Raha i Lila ohatra no natao teo dia mety tsy nanana ahiahy aho. Raha resaka defense dia resaka guerre io, guerre en generale fa tsy hoe voatery ho guerre militaire akory. Ohatra raha : economiste, businessman, diplomate, avocat, izao dia miaina tanteraka ary tsy atoro voanjo hadiana @ izany strategie izany satria azo lazaina fa ny tontolon'ireo koa dia guerre.
Dia lazaina koa izao fa ady @ terrorrisme no ho laharam-pahamehan'io ministera io, fa angaha efa misy terorista eto?
Tokony ny famongorana ny dahalo, ny tontakely, mpangalatra sy ny mpanendaka aloha no imasoan'ny governemanta raha resaka securite, fa izany zao no tena problemes.

22. madera2 ( 30/10/2007 18:59)
ambelao aloha ho hita eo , mety hilamina ny tany eto madagasikara satria ny vehivavy mahay miady @ tsy fandriam-pahalemana noho izy manana hevitra tsra ka ho hita eo izny , mahaiza miasa edy izy saodia lasa saribakoly eo !
23. Jeankely ( 31/10/2007 02:10)
Mora ny miteny hoe tokony iry no fongorona nefa avy eo mifampiaro. Ohatra @'izany ireo izay voarohirohy ho nanodina volam-panjakana dia ny fiarovana azy no tonga voalohany. Jereo fa samy tany mahantra izao ny an'i "Bangladesh" Praiministra miaraka @'ny zanany Migadra satria tratra nanodikodina volampanjakana. Ny antsiaka mody lazaina hoe tsy mety ity nefa faly maka ranondranony amin'ireo mpanao ny tsy mety avy eo arovana indray. Miaro daholo na na any an-toerana na ny ampitandranomasina. Ary milaza aza fa olomasina sy madio daholo nefa misy dia misy ny vola very. Ny vahoaka tena manaraka ary vononona mandray ny tena hevitra tapaka no izy fa tsy vahoaka misavoamboana zakan'ny rivotra. Ny Governemanta na hiova in-jato aza tsy tafavoaka izany raha tsy vonona hiova ny rehetra. Tsy vitan'ny Governemanta irery ny Fampandrosoana an'i Madagasikara fa resabe io na nafarana avy any an-danitra aza no hitondra eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0687