Fitahina, anjara, tendry, vintana?
1. xxx
(
26/10/2007 12:21)
Ny Sabotsy 28 Aogostra 1999 dia nisy lozam-piara-kodia nahatsiravina tamin'iny lalana makany Fianaratsoa iny. Itony fiara 4X4 itony no nitondra pretra 2 sy frera 4, samy zezoita, avy nanao session tao Antsirabe. Nivadibadika tany anaty tanimbary ny fiara ary tena rava mihitsy. Roa no namoy ny ainy avy hatrany, 3 naratra mafy, ary ny iray kosa tsy naninona tsy naninona. Misy tsangam-bato izay moa amin'izao fotoana izao eo amin'io toerana io, natsangana mba hatsiarovana ireo roalahy namohy ny ainy tamin'izay.
Ny fanontaniana manitikitika dia ny hoe:
Rehefa niarahaba ireo olona velona soa aman-tsara tamin'ity loza ity ireo namany sy ny havany, sns dia hoy izy: arabaina nieren-doza, notahin'Andriamanitra...
De hono ho'aho: ireo roalahy maty ve dia tsy mba notahin'Andriamanitra sa ahoana? Raha ny lazan'izy ireo anefa dia tena olona masim-pianana tokoa. Ny iray moa vao avy nahavita ny noviciat, raha ny fitantarana reko tamin'ny fotoana nanaovana lamesa manokana ho azy ireo.
Ireto hafa velona ve dia tiany kokoa, ary mbola tiany mihoatra an'ireo telo naratra ve ilay iray tena tsy naninona mihitsy.
Rehefa niresaka teo koa dia nisy iray tokony handeha tamin'ity fiara ity, saingy raha izy handeha hiakatra ny fiara iny indrindra no natsoin'ny namany mba hiaraka aminy dia niverina. Dia ahoana koa ny amin'io namana io?
Fanontaniana hafa: tena misy ve ny anjara sy tendry amin'ny resaka fahafatesana?
Resaka hafa: Mbola mampandinika koa ireo zaza mena vava avotra, tsy maninona tsy maninona amin'ireny faharavana trano maro noho ny horohoron-tany na ny loza hafa ireny. Fitahin-janahary ve ireny sa kisendrasendra?
Inona no azonao ambara ny amin'ireo?

novalian'i fijo ny 30/10/2007 22:52
2. xxx
(
26/10/2007 12:54)
Ny karazam-pahafatesana hafahafa toy ny loza amiko dia mety ho asan'ny maizina. Raha toa ka tena Mpivavaka marina ny olona iray dia miaro azy Ilay Ray Tsitoha amin'izay alehany rehetra sy ny ataony rehetra. Ny tsara tsarovana dia misy hery roa eto amin'izao tontolo izao dia ny herin'ny maizina sy ny Herin'Andriamanitra. Ny olona mahay mifikitra amin'Andriamanitra dia omeny hery ho tonga zanany tokoa ka tsy azon'ilay ratsy kitihina ary ny fandaozany izao tontolo izao dia mandeha mizotra soa aman-tsara. Na misy loza aza dia tsy ho faty izany olona matoky Azy izany. Mila ho olona mitombo ao amin'ny Tompo izany raha te-ho afaka amin'ny resaka anjara sy vintana. Atao amim-pisaorana avokoa izay omeny dia mandeha am-pilaminana ny zava-drehetra.
Ny mpandeha mpanandro na kely finoana no matoky ny lahatra sy vintana fa tsy ny Kristiana.

3. cutie
(
26/10/2007 13:06)
Ny karazam-pahafatesana hafahafa toy ny loza amiko dia mety ho asan'ny maizina. Raha toa ka tena Mpivavaka marina ny olona iray dia miaro azy Ilay Ray Tsitoha amin'izay alehany rehetra sy ny ataony rehetra.
zany an :)
de ahoana reny zaza matymbola vo tsy mahay mandeha reny akory de efa maty , asan'ny maizina ve zany , efa nanota sahady ve zany reny zaza reny ?:roll:
4. xxx
(
26/10/2007 13:16)
Mbola misy hadino kely:
Niaraka tamin'ireo olona niaran-doza ireo koa dia nisy iray tena voa mafy tokoa. Raha ny vaovao reko momba azy io, dia loza fahaenina nihatra taminy ity loza iray ity. Nefa dia mbola velona soa aman-tsara ny namana (hatramin'izao) .
Dia ahoana koa ny amin'io? Misy ny olona mianjera indray mandeha fotsiny dia maty, nefa izy io dia efa in-6 niharan-dozam-piarakodia, ary voa mafy foana, mbola velona hatramin'izao?

5. boraingy
(
26/10/2007 13:56)
Mampametram-panontaniana avokoa ny zava-mitranga rehetra toy izao ho an'ny zanak'olombelona. Misy fandaharan'asa ataon'ny endrika roa eto amin'izao tontolo izao, ny iray manao izay handravana sy hamonoana ary ny iray manao izay hahavelona sy hivelomana. Ilay olona tsy mety maty nefa sendra loza lalandava ohatra dia iharan'ireo endrika roa ireo. Ny tsara ho fantantsika dia tsy mitoetra amina erana tonga lafatra isika, noho izany dia misy hatrany ireo loza mety hitranga amin'ny isam-batan'olona. Ny fahaizana miala amin'ny loza no mahavelona sy mampaharitra ny olona tsirairay. Ny fomba fiasan'ny maizina dia izy mihitsy no manapaka ny zava-drehetra fa tsy sitrapon'ny olona akory ilay izy. Nataony handeha amin'ny fiara-kodia izay hiharan-doza ohatra satria tiany ho faty. Ny zaza menavava maty dia tsy noho ny fahotany velively fa noho ny maha-lian-dra an'ilay ratsy. Ny fahazoana Fahazavana sy ny fitomboan'izany ao anatin'ny tsirairay no mampahery azy.
6. cutie
(
26/10/2007 14:10)
ny fahitako azy ndray anefa de Atra no tompon'ny aina ka refa izy no mandidy sy manapaka de tsy misy azonao atao , fa tsy misy an'zany we ny herin'ny maizina zany.
Nefa ty ndray ekeko :)
Nefa ty ndray ekeko :)
Misy fandaharan'asa ataon'ny endrika roa eto amin'izao tontolo izao, ny iray manao izay handravana sy hamonoana ary ny iray manao izay hahavelona sy hivelomana.
7. boraingy
(
26/10/2007 14:22)
Saingy misy ny fahafatesana noho ny herin'ny maizina. Ohatra eo amin'ny tany tsy misy Andriamanitra.
8. cutie
(
26/10/2007 14:26)
Mpandefa : boraingy [ Valio ] 26-10-2007 16:22:15
Lohateny : Re : Fitahina, anjara, tendry, vintana?
Saingy misy ny fahafatesana noho ny herin'ny maizina
noho ny herin'ny maizina ve ??
Fa nga tsy efa lalam-piainana moa zany ?
9. Veloo
(
26/10/2007 15:17)
ny fahitako azy ndray anefa de Atra no tompon'ny aina ka refa izy no mandidy sy manapaka de tsy misy azonao atao , fa tsy misy an'zany we ny herin'ny maizina zany.
zako dia manaiky an'io hevitra io :-*. rehefa tonga ny anjaranao ho faty dia tonga.
Misy kosa anefa ny sasany mi-provoke ny fahafatesana zany ndray hafa ireny manao pacte @ satana ireny no tiko lazaina...
10. pissoa
(
26/10/2007 17:06)
xxx:
Ny karazam-pahafatesana hafahafa toy ny loza amiko dia mety ho asan'ny maizina. Raha toa ka tena Mpivavaka marina ny olona iray dia miaro azy Ilay Ray Tsitoha amin'izay alehany rehetra sy ny ataony rehetra. Ny tsara tsarovana dia misy hery roa eto amin'izao tontolo izao dia ny herin'ny maizina sy ny Herin'Andriamanitra. Ny olona mahay mifikitra amin'Andriamanitra dia omeny hery ho tonga zanany tokoa ka tsy azon'ilay ratsy kitihina ary ny fandaozany izao tontolo izao dia mandeha mizotra soa aman-tsara. Na misy loza aza dia tsy ho faty izany olona matoky Azy izany. Mila ho olona mitombo ao amin'ny Tompo izany raha te-ho afaka amin'ny resaka anjara sy vintana. Atao amim-pisaorana avokoa izay omeny dia mandeha am-pilaminana ny zava-drehetra.
Ny mpandeha mpanandro na kely finoana no matoky ny lahatra sy vintana fa tsy ny Kristiana.
Lasa immortel izany rehefa mahay mifikitra amin'Andriamanitra ? Sa ho Andriamanitra ihany no "mamono" azy ? Sa tsy azoko tsara :-D:-D:-D
12. fijo
(
26/10/2007 21:11)
ny ahy dia tsy misy idiran'ny finoana sy andriamanitra izany.
mino aho,fa rah anifamadika fotsiny ny toerana nisy irao maty sy izay mbola velona dia ,ireo velona no mety tamin'io fotoana io.
izany hoe,arakaraky ny fisehon'ny loza io.raha nikodiadia,niankavia ohatra ilay dfiara,dia ny olona nipetraka aty ankavanana no voadona mafy kokoa,satria misy elanelany kokoa ny vatany sy ny vatan'ny fiara ka mafy kokoa ny dona"choc"raha misy lozampiara manidina matetika raha misy velona dia izay any aoriana no maro velona.satria rehefa tsy voafehy ilay fiaramanidina,dia ny lohany no milatsaka aloha,ary iny rambony iny somary mihantona.
mazava hoazy ,fa raha fiara fifandona manatrika ,dia misy marga kokoa ny ahavelona ny any aoriana.
ny zazakely matetika voaharo rah amisy trano rodana.satria izy kely,dia tafasisika ,fa raha ry fijo somary manifinify itony,dia potsitra ao.

13. niryna
(
26/10/2007 23:10)
xxx:
Ny karazam-pahafatesana hafahafa toy ny loza amiko dia mety ho asan'ny maizina. Raha toa ka tena Mpivavaka marina ny olona iray dia miaro azy Ilay Ray Tsitoha amin'izay alehany rehetra sy ny ataony rehetra. Ny tsara tsarovana dia misy hery roa eto amin'izao tontolo izao dia ny herin'ny maizina sy ny Herin'Andriamanitra. Ny olona mahay mifikitra amin'Andriamanitra dia omeny hery ho tonga zanany tokoa ka tsy azon'ilay ratsy kitihina ary ny fandaozany izao tontolo izao dia mandeha mizotra soa aman-tsara. Na misy loza aza dia tsy ho faty izany olona matoky Azy izany. Mila ho olona mitombo ao amin'ny Tompo izany raha te-ho afaka amin'ny resaka anjara sy vintana. Atao amim-pisaorana avokoa izay omeny dia mandeha am-pilaminana ny zava-drehetra.
Ny mpandeha mpanandro na kely finoana no matoky ny lahatra sy vintana fa tsy ny Kristiana.
Ka izany no mahatonga ny teny hoe tany fandalovana ity.Rehefa tonga i kristy dia haka ireo mpiara-dia aminy izy.Izay alehan'ireo maty hatramin'izao aloha dia tsy mbola misy mahalala:roll:
Efa voasoratra daholo ny anjara sy lahatra nitondran'Atra antsika tsirairay ka sarotra ho antsika olombelona ny ahalala ny antony zavatra rehetra.Ny fantatra fotsiny aloha dia matetika manome tsiny an'Atra foana ny olona rehefa misy zavatra mitranga.
14. Fody
(
28/10/2007 07:52)

Dia efa voasoratr'Andriamanitra ve hoe: Ranona dia ho faty voadonan'ny fiara, i ranona ho faty ny sida, i ranona ho faty ny hanohanana, ranona ho faty vonon'ny olona... ?
Tsoriko fa io fomba fijerinao io no mahatonga ny olona hanome tsiny an'Andriamanitra, ary hiala amin'ny finoana mihitsy aza. Satria: lazainao fa fitiavana izy nefa misy ny ataony miadana sady ela velona nefa misy ny avelany ho faty ny hanohanana, misy ny ataony salama sy tomady, nefa misy ny ataony farofy, mijaly ary matin'aretina (sida, cancer...)... Raha izany no izy miangatra sady mamela ny olona hijaly Andriamanitra.
Tsia, tsy izany mihitsy no izy. Ny hany voasoratra ho anjaran'ny tsirairay dia ny FAHASAMBARANA sy FAHAVELOMANA MANDRAKIZAY. Ny fahaveloman'ny olona mantsy no VONINAHITR'ANDRIAMANITRA. Ny olona tsirairay izany dia efa voasoratra fa handova ny fanjakan'ny lanitra avokoa, na iza izy na iza. Noho izy fitiavana dia nomeny fahafahana isika hisadify io anjara voatendry ho antsika io, ary mbola ampiny koa hanao safidy tsara tamin'ny alalan'i fanirahany an'i Jesoa sy ny Fanahy Masina.
15. Rasiligaoma
(
28/10/2007 15:21)
xxx:
Ny Sabotsy 28 Aogostra 1999 dia nisy lozam-piara-kodia nahatsiravina tamin'iny lalana makany Fianaratsoa iny. Itony fiara 4X4 itony no nitondra pretra 2 sy frera 4, samy zezoita, avy nanao session tao Antsirabe. Nivadibadika tany anaty tanimbary ny fiara ary tena rava mihitsy. Roa no namoy ny ainy avy hatrany, 3 naratra mafy, ary ny iray kosa tsy naninona tsy naninona. Misy tsangam-bato izay moa amin'izao fotoana izao eo amin'io toerana io, natsangana mba hatsiarovana ireo roalahy namohy ny ainy tamin'izay.
Ny fanontaniana manitikitika dia ny hoe:
Rehefa niarahaba ireo olona velona soa aman-tsara tamin'ity loza ity ireo namany sy ny havany, sns dia hoy izy: arabaina nieren-doza, notahin'Andriamanitra...
De hono ho'aho: ireo roalahy maty ve dia tsy mba notahin'Andriamanitra sa ahoana? Raha ny lazan'izy ireo anefa dia tena olona masim-pianana tokoa. Ny iray moa vao avy nahavita ny noviciat, raha ny fitantarana reko tamin'ny fotoana nanaovana lamesa manokana ho azy ireo.
Ireto hafa velona ve dia tiany kokoa, ary mbola tiany mihoatra an'ireo telo naratra ve ilay iray tena tsy naninona mihitsy.
Rehefa niresaka teo koa dia nisy iray tokony handeha tamin'ity fiara ity, saingy raha izy handeha hiakatra ny fiara iny indrindra no natsoin'ny namany mba hiaraka aminy dia niverina. Dia ahoana koa ny amin'io namana io?
Fanontaniana hafa: tena misy ve ny anjara sy tendry amin'ny resaka fahafatesana?
Resaka hafa: Mbola mampandinika koa ireo zaza mena vava avotra, tsy maninona tsy maninona amin'ireny faharavana trano maro noho ny horohoron-tany na ny loza hafa ireny. Fitahin-janahary ve ireny sa kisendrasendra?
Inona no azonao ambara ny amin'ireo?
Anisan'ny nifampiresaka tamin'ny anankiray tamin'ireo velona ny tenako. Ilay farany tena voatsindry tao anaty korotam-by tao, nefa velona, Nianatra tany California tany izy, fa tsy haiko raha efa nahavita izay!
Tamin'ny toriteny anankiray nataony dia hoe nivavaka izy tao anaty korontana tao, dia ny vavaka nataony tamin'izany dia hoe "Fantatrao aho Andriamanitra, raha tianao ho any aminao izao aho dia ity aho vonona fa raiso, raha tianao ny mbola hanoizako ny asako eto an-tany dia vonona koa aho"
Dia iny izy iny!
RY zareo ao Berkeley ao dia inoako fa betsaka ny mahalala azy sy nilazany an'io, rehefa ilay resaka Momban'i Jesosy nilaza tamin'ny apostoliny hoe "ianareo koa ve handeha" iny no vakiteny atao!
raha ilay Mompera lazaiko io , ny finoany dia hoe Mbola misy ilana azy eto an-tany, dia iny izy iny! Ary raha miresaka spiritualite aminy dia hafa mihitsy ny fandraisany azy ary be hanihany izay aza izy
16. xxx
(
30/10/2007 18:59)
Misy moa no miteny fa hoe: tsy misy idiran'Andriamanitra ny resaka loza toy itony fa miankina amin'ny fisehon'ny loza ihany. Marina tapany ihany io fomba filazana io raha ny fahitako azy, raha ny zava-nitranga tamin'ity indray mitoraka ity no jerena. Izao mantsy: betsaka ny zavatra sarotra hazavaina tamin'ny zava-nitranga.
Akoatra an'io Pretra iray voalazan'i Rasiligaoma io dia izao: ilay pretra nitondra an'io fiara io, izay mbola velona amin'izao fotoana izao ary miasa any Fianaratsoa, dia manana fahazarana mametraka ceinture rehefa mitondra fiara. Toy ny mahazatra azy àry dia nametraka ceinture izy tamin'ity voyage iray ity. Ny zavatra nahagaga anefa dia tapaka io ceinture io ary afaka teo amin'ny seza nitoerany izy, ary soa ihany fa afaka teo izy raha tsy izany dia maty voatsindrin'ny familina, izay nihemotra nidona tamin'ny seza nitoerany.
Manaraka an'io dia tena rava tanteraka io fiara io, ary nivadibadika im-betsaka ihany vao tafajanona tany anaty tanim-bary. Marihana koa fa feno entana tao anatin'io fiara io, ny teo aloha nalana tao anaty korotam-by, ny tao afara nosokirina tao anaty entana maro. Ny iray tamin'izy ireo dia tsy naninona tsy naninona.

17. ikaretsaka
(
30/10/2007 21:43)
Izaho koa dia mahafanattra ilay mompera nitondra sy ilay mompera lazain'i Siligaoma io
fa ilay izy tsotra e.. rehefa ho tonga ny loza.. tain'akoho aza mampibolisatra..
lalana fandehananao isan'andro io ary mandeha mafy nohon'ny nandehananao teo aza ianao rehefa tsy tonga ny loza sy isan'andro tsy maninona , dia @ ilay ianao mandeha mora iny no voa!

18. fijo
(
30/10/2007 22:52)
izay ,misy ohatra mihondrika enao dia miakatra tampoka ny ra ary fanina mitsipaka ery.raha olona zatra mihetsika nefa tsy hitranga io.ka aa lazaina hoe andriamanitra na fahotana foan aizay mitranga rehetra