mandraisa anjara ho Fampandrosoana

1. kitjo ( 26/10/2007 12:03)
Salama daholo,

Misy solosaina marobe tonga ao @ Ministeran' ny Fampianarana amin' izao, mbola misy ho avy aza.

Ny tanjona dia ny handrakotra ireny toeram-pampianarana ireny ny solosaina mba ahafahan' ny ankizy Malagasy mianatra sy mampiasa izany, izay raha tsorina, fananganana "telecentre" misy cyber sns...



Misy fandraisana anjara kely izy io, Ar150000 na FMG750000 (io no nalohako ho an' i Betafo fa tsy haiko raha tena izay) ny iray, fandraisan' anjaran' ilay sekoly. na aiza io n aiza manerana ny Nosy. Afaka maka hatramin' ny 10 raha tsy diso aho fa saingy ampiasaina amin' ny sekoly ihany.



Ataoko fa tsy dia lafo lotra izany kanefa raha EPP na CEG, sarotra ho andry zareo ny hividy an' izany, tsy maintsy hanisy "imprimante". stabilisateur sns...ka raha mba misy mahatsiaro tena fa mba afaka manome dia mba manentana ny tenako mba ahndraisanareo anjara amin' izany ho fanampiana ireo zandry zanaka ireo @ izay toerana tianareo anaovana azy.



Ny talen-tsekoly (EPP, CEG, Lycee..eny toa na Prive ko aza angamba) no mnao ny Fangatahana, ampandalovina @ CISCO, dia aterina any @ Ministere Education nationale et Recherce Scientifique etsy Anosy...ry zareo no manao an' izany fa ny anjarantsika ziany dia ny mampahafantatra ny tompon' andraikitra @ tanAna na sekoly izay tiantsika anaovana izany ny fisian' io zavatra io (satria zareo ko mety tsy mahalala), dia ny manome ny vola sy manolotra ny fitaovana fa ry zareo ihany no mikarakara ny fangatahana sy ny fakana ireo solosaina ireo.



Mba mandraisa anjara ry reto fa Ar150000 izany mba mety hahasoa zaza farahafakeliny 100 isan-taona anatin' ny 4 na 5 taona mandra-pahasimban' ilay fitaovana.



Izany eo ihany, fa sao dia misy eto Maurice ny namana ato, aty manko za io izao manatrika ilay Forum Economique des Iles de l' Ocean Indien.



Biz dol!!


@blaogy.com valiana ra misy fanontaniana fa mety tsy afaka mandalo eto matetika.
Azoko atao ny maka ny contactn' ny tompon' andraikitra @ izay toerana misy anareo any raha tsy ao Dago nareo
novalian'i zamanoro ny 03/11/2007 16:18
2. tess ( 26/10/2007 12:05)
hummmm bizzz be klou njy kitjo an!:-*:-*:-*
hovakiana miadana ny dinika de mandefa hafatra any izany e!:wink:
3. tess ( 26/10/2007 12:06)
way! kitjo: tess = fasaly klou an!:wink:
4. xxx ( 26/10/2007 12:11)
~ 58€
~ 82$
5. agoago ( 26/10/2007 13:06)
750 mille isaky ny ordi ve?
6. sipagasy ( 26/10/2007 15:27)
Mahafinaritra tokoa izany, miandry ny 'adsl' ho azon'ny fahafaha-mividy ho an'ny rehetra izany sisa fa efa ireo ny fitaovana tonga!

Misaotra kitjo ann:-*(l):-*
7. zamanoro ( 03/11/2007 16:18)

Fa le izy ve aloha ordi sa tena solosaina tokoa eh? Mety omena ny olona eny Anjanamasina mantsy raha solosaina le izy. Ahahahahahhahahahhaha

Fa ity no mba matotra an
Misaotra @ info ry Kitjo an, saingy ny sekoly any aminay tsy misy jiro dia tsy haiko hoe ahoana no atao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1151