Tandremo ny mividy trano toy ny TGV any Bongatsara

1. xxx ( 26/10/2007 06:15)
Te hametraka hafatra ho an'izay liana hividy trano @ fandoavana vola tsikelikely aho.
jereo tsara ny contrat, ny toerana misy ilay izy, ny plan ary indrindra vola nifanarahana fa aloha mandrapahavitany.
be ny mahay mireska sy mivarotra ry zareo ka mitandrema sao very vola toy ny mpividy teny bongatsara a
novalian'i latina ny 16/11/2007 08:20
2. tsiafoi1 ( 02/11/2007 13:37)
Ka raha hividy kosa ve tsy hanadihady tsara : jerena daholo na acte juridique, na ny titre, sns... Efa dondrona matoa mijabaka
3. latina ( 16/11/2007 08:20)
Ilay izy kosa tsy hoe dondrona fa misy ny orin'asa no manambaka ka! Mahagaga ny mbola hamelan'ny fanjakana ireny orinasa ireny hijanona eto Madagasikara.
Tranga iray no tantaraiko anareo: Olona iray mipetraka any ivelany, tonga teto Dago, nieritreritra ny hividy trano teto antanin-drazana dia nanatona agence immobilier ngezabe anankiray teto Tana, tsy hanonona anarana aho sao dia mampigadra, fa raha mahita an'ity izy dia fantany fa izy no tantaraina eto. Vita sonia ny fifanarahana rehetra, ny toerana moa teny antsinana teny, naseho ny plan, ny fe-potoana handraisana ny trano vita tanteraka sy ny fomba handoavana ny vola tsikelikely. Voarakitra tao anaty fifanarahana daholo izany rehetra izany. Nandeha ny fotoana sy ny volana, ny vola notakiana isam-bolana niampy izay depot tsy maintsy napetraka t@ voalohany, ny trano anefa tsy hita izay nitsangana. Notapahana ny vola fandefa, nifandritarita tamin'ilay orin'asa vahiny nanaovana ny fifanarahana, nifampitory. Taty aoriana dia gaga sy talanjona ireo olona efa nandrotsa-bola fa nideclaré fallite hono ilay agence immobilier ka tsy afaka mamerina ny volan'ireto olona. Tato aoriana anefa dia niverina nisokatra indray izy io ary niova anarana toy ny societe vaovao indray, ny anarana fotsiny no novaina fa na ny personnel (tafiditra ao ny DG vahiny), ny local, ny ligne telephonique sns dia ny teo ihany no teo.

Ka miombok'evitra amin'ixxx mihitsy aho hoe tandremo tsara fa efa be dia be no voan'io fananganana trano azo aloha tsikelikely io, sao sodokan'ny hoe vahiny no manao azy dia mety ho olo-marina kokoa miohatra amin'ny malagasy.
Misy koa aza ny sasany trano ratsy qualite be no livreny aminao eo, tsy misy beton akory fa senazy fotsiny, ny vola takiany aminao anefa vidina trano misy beton sy fanamafisana masaka be. Mody tapenany maso @ finition ety ivelany ianao dia eo no raisina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2546