rossy

1. fijo ( 24/10/2007 21:17)
ary rossy ve efa tena nody sa nandalo fotsiny tany mada????
novalian'i fijo ny 25/10/2007 22:38
2. damann ( 24/10/2007 23:10)
tsy ahoako firy koa iny na tsy hody aza e

ny kisoa koa efa misy miandry eto am tanana

sady haninona eto koa moa izy ,
tsy itako loatra izay ilana azy

ny artista nga no tsisy sa madagasikara no lany olomanga?

ôdôy e!!!
3. zandikely ( 25/10/2007 00:47)
Damann:

Malagasy izy dia ka manana zo hiverina any Madagascar raha tiany.
4. Belle ( 25/10/2007 00:51)
damann:
tsy ahoako firy koa iny na tsy hody aza e

ny kisoa koa efa misy miandry eto am tanana

sady haninona eto koa moa izy ,
tsy itako loatra izay ilana azy

ny artista nga no tsisy sa madagasikara no lany olomanga?

ôdôy e!!!
tena mahagaga mihitsy ny olona sasany. fanontaniana tsotra no ataon'i fijo ka jereo ny famalin'ity iray ity!?!?!?! feno fankahalana!:?:
fa dia naninona anao loatra kay i rossy?

toa nandalo fotsiny izy ry fijo a! efa tafaverina ao tsranfa. :D
5. xxx ( 25/10/2007 01:02)
mitovy ihany ianareo koa :-D
6. steeeel ( 25/10/2007 01:04)
Nandalo ve dia tsy mba nisy spektakla akory? :P
7. Valala ( 25/10/2007 05:07)
fijo:

ary rossy ve efa tena nody sa nandalo fotsiny tany mada????

nandalo fotsiny izy kan! toa tsy ampy 1 mois d'efa lasa izy.

8. cigalifantsy ( 25/10/2007 06:41)
ka izy anie milamina ny fiainanay angamba any ka inona moa ny hahamaika azy mody aty?sady vita ny nataony d go
9. jefra ( 25/10/2007 07:19)
Hamoaka DVD hono izy, dia naka filma tany am toerana nahaterahany ihany no nandalovany tany Dago. Ny CD mirakitra ny hira efa mivoaka any Dago fa ny DVD no andrasana.

Na ahoana resaka momba azy, izaho dia anisan'ny tena mankafy ny hirany. Ny firehana politika iny, samy manana zo hanana ny fijeriny. "Izay tsy mbola nanota...".
10. mabloo ( 25/10/2007 08:34)
efa tafaverina lery ka !!

amiko aloha i Rossy no anisany mpanankanto malagasy henjana e! za tena mankafia !
refa tsy mankafia dia aleo tsy mifanaratsy e! sa ahona !!
tsy voatery hitovy foana koa anie ny hevitry ny tsirairay e!

ny tiako mety tsy ho tinao , ny tianao mety ho tsy tiako e! de aleo tsy asiana fankahalana le izy e!!
11. ravatorano ( 25/10/2007 09:09)
za ry zalah dia mirevy ny hiran'i lery ah
hatreo ihany sady lery koa anie mahavoa raha hikarakara hetsika ngoavana e
ny fantatro amin'ny fiverenan'i rossy dia izao :
nandalo fotsiny izy nikarakara ilay dvd araky ny voalazan'i jefra io fa mbola tsy nody tanteraka
tsy nanao spekta izy satrai tsy nisy fiomanan ary tsy nihevitra ny hanao an'izany akoriny satria araky ny voalzany tamin'ny resaka nifanaovany tamin'ny mpanao gazety dia ny haka sary hanaovana ilay dvd no tena nahamaika azy ary mbola mila resaka amin dry zareo lehibe houzy ny fodiako tanteraka ????
zay no reko sy novakiako tamin'ny gazety
zany hoe mbola any la frantsa lery amizao
:wink:
12. ari.malala ( 25/10/2007 11:55)
damann:

tsy ahoako firy koa iny na tsy hody aza e

ny kisoa koa efa misy miandry eto am tanana

sady haninona eto koa moa izy ,
tsy itako loatra izay ilana azy

ny artista nga no tsisy sa madagasikara no lany olomanga?

ôdôy e!!!


andray! fa mahay noho izy nga enao?
13. Tsikisariaka ( 25/10/2007 12:52)
Fa maninona an'ialahy, dia maninona an'ilalahy ny lanitray raha mba manga ????
Hiran'i Rossy ihany io ho an'ilay tsy tia.
Mbola misy hira hafa vaovao be dia be mivoaka any ary mipoaka be daholo ohatry ny nahafantarako azy hatrizay e !
14. gasikam ( 25/10/2007 14:44)
Miresaka an'i Rossy nareo fa mba misy mhafantatra an'ilay tononkirany hoe mahatsiarotsiaro an'i Gasikara ve? mba alefaso fa hira mampalahelo loatra ilay izy.Misaotra mialoha.
15. fijo ( 25/10/2007 22:38)
misaotra namaly e,toa hafa mantsy ny vaovao henoko ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0979