politike gasy 2007

1. remandilatse ( 24/10/2007 17:55)
hafana koahe raha toy
35% ty mpifily ro nandany depute reo, 65% zany amonto ty assemblée io

Laha misy ty tsy faly @ 65% reo de andalabe eny rozy rô hirotake,satria tsy mi representer gasy 35% zao

ary na misy antoko mpanohitse na tsisy zay ro fandehane, d'ailleurs à Madagasikara tsy antoko mpanohitse ro important fa le olo tsy faly, satria,
-en 1972, TSIRANANA voafily t@ 80%, mpanohitse 10%, reste vato foty
-nanahake izay koa t@ ratsirake, izay no nampisy hery velo, satria ny antoko mpanohitse 0%

novalian'i Jeankely ny 27/10/2007 03:09
2. Jeankely ( 25/10/2007 03:48)
Mandilatse se tsy madilatse? Revy tsisy nitondra nankaiza ireo tanisainao ireo ka tsy ireo no atao hakana tahaka. Fa lasa taiza no niafarany raha nety?
3. remandilatse ( 25/10/2007 11:33)
tsy azonao koahy ty rehako,
lafa tsy representer @ assemblée ao ty 65% ty ndaty, tsy afake hi-debattre democratiquement ao @ assemblée zany iereo,
donc andalambe ene zane iereo ro hi s'exprimer, tsy voatery ho antoko mpanohitse, fa na etudiant, na lyceen, na syndicat, na...

de hisy le rotake...

de hi recuperer le politique

de hionga ravalo
4. zoara ( 25/10/2007 12:08)
laha tea ntika hisy fivoara tanà tika io,fampirisiha handeha hifily ty tokony hatao fa tsy ty filahara agnarabé zao,io ty hitako fa tena probleme any,ty panao politiky tokony hagneta vahoaky fa tsy hitrembo lava,lafa hainy fa lany seza,ka manday gny vahoaky hitrembo miarake amae!!!!!
5. Jeankely ( 25/10/2007 13:01)
Ary ianao mpanao politika lany bala sa sa olo-tsotra? Aleo andeha ny baolina tazanina. Hatr@'izay inona no nataonao? Avy nioty niaka t@'ny efa lasa sa mpitazana? Mora manko ny misarontava.=))=))=))
6. xxx ( 25/10/2007 13:38)
Mampalahelo ihany ity gasy politike ity ry namana fa le politikan-gasy ,pôlitikan-jaza omena anareo ny ZO tsy mifidy ianareo fa midongy hoatrin'ny zazakely,avy eo ianareo be resaka,ka inona marina izany ny politika hainareo,sa maninona moa raha miseho ianareo?dia andao fa ho tohanana ho lasa mpitondra,raha tsy efa teo no niala? dia amin'izay amidin-tsika ny tany dia ny gabone (WC) sisa ajanona hoan'ny ankizy afara fa isika efa miadana ka!!satria ny antsika ny tenan-tsika ihany aloha izao,izay no fantatra sa vandy izao lehiroa?
7. Herimiafina ( 26/10/2007 04:00)
Aleo izu hidongy fa zony izany, amin,ny manaraka fotsiny amboary ny sainy handehanany hifidy! :@
8. Jeankely ( 26/10/2007 04:41)
Ny tsy fahaizan'ny mpitondra teo aloha no nanimba ny sain'olona ary nahalasa leo politika azy satria fantany fa tsy nitondra vokatsoa ho azy ny nataon'ireo nifandimby. Rehefa tia ahazo seza dia mitanisa ny anarana VAHOAKA avy eo mangarikarika sy manao be hatoka ary migetrogetroka sy manadino ny vahoaka. Ny ahy dia averiko foana fa tsy tokony hialana sy tazanin-davitra ireo fa tomorina sy arahina tsy ahafahany manao izay danin'ny kibony. Ny sasany moa dia ny tsy fifidianana sy tsy fahazotoan'ny vahoaka amin'ny raharaham-pirenena no laazainy fa fandresena. Fa entina mankaiza ity firenena sa dia izay ahazoana seza fotsiny no atao fa tsy mihevitra ny fivoarana sy fandrosoana. Na ho azonao eo aza ny seza dia vahoaka leo ve afaka hivadika hiasa antsitrapo ho an'ny tanindrazany intsony?
9. xxx ( 26/10/2007 11:49)
Amboarina ny sainy ,vahoaka leo!? ny tsy firaharahaina "politika dia efa politika" koa satria fiheveran-tena tsy ho olom-pirenena ,fa azo heverina hoe"olona miandry mana hilatsaka avy any an-danitra hanova zavatra,na hoe "miracle", angamba heveriko fa tsy ny vahoaka no leo na mila fanamboarana ny sainy,fa ny lalan'ny fifidianana misy no tsy mety satria ilay hoe" tsy mifidy" tsy misy fiantraikany amin'ilay olona mivantana (mpifidy io),ka tokony havaozina io lalam-pifidianana misy io izany hoe "izay olona voasoratra fa tokony hifidy nefa tsy manefa ny adidiny" raha tsy hoe"misy antony tsy azo anoharana dia misy sazy ho an'izay tsy mifidy dia mandika lalàna ary tena am-piharina fa tsy lalàna amenoana boky"amin'izay tsy misy intsony itony tsikera momba itony vokam-pifidianana itony,tsy soson-kevitra didy jadona akory izany,satria tsy tian'ny vahoaka ny fahafahana sy fahalalahana dia aleo terena mba tena hisian'ny feom-bahoaka marina sa ahaoana ny hevitrin'ny namana?
10. Jeankely ( 27/10/2007 03:09)
Tsy hoe tsy tiany ny fahafahana fa tsy hainy ny mampiasa ny fahafahany. Ahodin'ny olona ny fahafahany satria mety mahantra na tsy ampy fanadihadiana izy avy amin'ny vaovao sy fifandraisany tamin'ny mpitondra teo aloha. Jereo tsara fa antoko politika asa tsy haiko izay isany ary ny farany rehako dia tany @ roanjato latsaka tany. Izany ve tsy midika hoe tokony mahalala ny zony ny vahoaka satria marobe ny afaka manampy sy manazava azy. Inona anefa no mitranga? Tsy misy fampianarana sy fanazavana izay tokony atao ny ny fivoatran'ny raharaham-pirenenea fa dia mpametra Petadridrina rehefa misy fifidiana no ilaina olona. Tsy manisy lanjany ny vahoaka ny mpanao politika donto any ka miafara @'ny samy maka ho azy. Ny fahavoazana dia ny vahoaka ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0484