-ny / -n'ny
1. adler
(
24/10/2007 16:14)
Mifangaro be loatra fa mba hazavao e :
Rehefa maninona no mampiasa -ny, dia rehefa maninona no -n'ny ?
Ohatra hoe iza amin'ireto no diso dia inona no antony ?
nohon'ny
momban'ny
amin'ny - aminy
zanakin'ny
ohatrin'ny
laniny omby
dakany alika
jereny olona
sns sns

novalian'i Cybergasy ny 16/02/2008 16:04
2. kally
(
24/10/2007 16:49)
Hanandrana hanazava aho dia izay tsy voazavako mba ampian'ny namana hafa. "noho ny" no fiteny fa tsy misy mihitsy ny hoe "nohon'ny".Ohatr'izany koa ny "momba ny" no misy fa tsy "momban'ny".
Ampiasaina ny "'ny "rehefa iharana ny fehezanteny izany hoe (ahitsio raha diso) ilay anarana manaraka ny enti-milaza no manao ny asa: iza no mijery, ny olona ====> jeren'ny olona "'ny" no ampiasaina."lanin'ny omby "iza no mihinana ny omby "'ny omby."Fa raha atao hoe "laniny ny omby" dia tsy ny omby no manao ny asa fa hafa , ka midika hoe ny omby izany no nohanina raha ity faharoa no fanoratra azy.
Hatreo aloha fa lava be fa aleo ny hafa no hameno azy.Mbola lavalava mantsy ny tohiny.:oops:

3. sitlo
(
24/10/2007 17:02)
ny dia mpanondro (article, tsy misy defini sy indefini)
oh:
ny omby
ny olona
ny kisoa
ny tsaramaso
ny Antemoro :-D
-y dia mpisolo tena (pronom 3eme personne), dia rehefa zanatsoratra no eo aloha dia ampiana -n-
tahaka ny -ko , -nao, -azy, -nareo etsetra
oh:
aminy ---> amina (-y)
amiko ---> amina (-ko)
ombiny ---> omby (-n-y)
adalany ---> adala (-n-y)
Antemorony ---> Antemoro (-n-y) :-D
amin'ny olona ---> amina ny olona
amin'i Kally ---> amina i Kally
"i" mpanondro (pronom) anaran-tsamirery (nom propre)
vita ny anjara birikiko :wink:

4. sitlo
(
24/10/2007 17:05)
oops, kay "article indefini" ka :oops:, kay tokotra moa misy hoe: ireo, io sns
6. sitlo
(
24/10/2007 17:30)
mbola diso ndray koa :evil:, kay ny ahy mandeha fahazarana fotsiny.
ny (-ny) iny foana, fa raha miafarana amin'ny -ka na -tra na -na dia milatsaka ireo dia miova an'iny.
oh:
satroka --> satrony
soratra --> sorany
lalana --> lalany
raha tsy izay dia miampy fotsiny
omby --> ombiny
Antemoro --> mbola mihomehy foana aho:-D

7. pissoa
(
24/10/2007 17:42)
Rehefa manakambana teny amin'ny ny (ilay article izany) dia -n'ny foana no miasa. Nitsahina ny omby ny voly. ---> Nitsahin'ny omby ny voly.
Ankoatra ny ohatra nomen'i Kally dia rehefa misy resaka possession koa no matetika ampiasaina io fanakambanana io. Ohatra : anjaran'ny fanjakana (ny fanjakana no tompon'anjara).
Jereo ny fanazavan'i Sitlo mikasika ny -ny amin'ny resaka possession koa :-D:-D:-D
PS : Tsy isaky ny mahita article "ny" koa nefa dia azo akambana fa mbola misy lalanany.

8. remandilatse
(
24/10/2007 18:17)
fa @ fivolana tandrefa, tsy misy ty ny , fa ty ro solone:
ny olona= ty ndaty
anjaran'ny= anjara ty
ny olona= ty ndaty
anjaran'ny= anjara ty
9. ikaretsaka
(
24/10/2007 18:39)
ee. lehe tandrefa avao tsy mete io re ndaty
Ohatse
raha hoe "lalan'ny Ray" = "lalane Rae"
Raha miteny hoe lasan'ny dahalo ny omby= noraoke ty tahalo ty aombe!
->tsy voatery mitombina ilay izy
Ohatse
raha hoe "lalan'ny Ray" = "lalane Rae"
Raha miteny hoe lasan'ny dahalo ny omby= noraoke ty tahalo ty aombe!
->tsy voatery mitombina ilay izy
10. diamondra27
(
25/10/2007 09:15)
adler:
Mifangaro be loatra fa mba hazavao e :
Rehefa maninona no mampiasa -ny, dia rehefa maninona no -n'ny ?
Ohatra hoe iza amin'ireto no diso dia inona no antony ?
nohon'ny
momban'ny
amin'ny - aminy
zanakin'ny
ohatrin'ny
laniny omby
dakany alika
jereny olona
sns sns
______________________
noho ny
momban'ny
zanaky ny ... mpirahavavy
zanak'iny olona iny
ohatry ny
lanin'ny omby
dakan'ny alika
jeren'olona
jeren'ny olona
11. booboo
(
25/10/2007 10:23)
Diamondra27 > Efa nahitsy tery ambony dia mbola averinao foana lay diso ;-)
momba ny no izy fa tsy momban'ny
ohatra ny no izy fa tsy ohatran'ny
momba ny no izy fa tsy momban'ny
ohatra ny no izy fa tsy ohatran'ny
13. kally
(
26/10/2007 08:11)
boboo> bedy indry manao manadinodino dia môro a!
ohatry ny no izy: ny fitsipika mifehy ny ka-/tra-
milatsaka ny -"a" miova ho "y", noho izany ohatry ny
Sô ve izaho no namorona sanatria?:lol:
ohatry ny no izy: ny fitsipika mifehy ny ka-/tra-
milatsaka ny -"a" miova ho "y", noho izany ohatry ny
Sô ve izaho no namorona sanatria?:lol:
14. booboo
(
26/10/2007 11:22)
kally > hihihi. T@ taranja malagasy tany Ankatso no nahaizako an'io "ohatra ny" io. Tsy haiko maninona no tsy mihatra aminy io fitsipika iraika io fa dia io hono.
15. kally
(
26/10/2007 14:05)
booboo:
kally > hihihi. T@ taranja malagasy tany Ankatso no nahaizako an'io "ohatra ny" io. Tsy haiko maninona no tsy mihatra aminy io fitsipika iraika io fa dia io hono.
Dia variana indray aho akia Booboo ny amin'izay fa izao aho vao naheno an'izany satria irý foana no nampianarina anay.
Matetika tokoa misy teny diso iarahan'ny daholobe dia lasa ohatry ny hoe iny indray no marina, sahala amin'ilay hoe "ny ela maharay roy" dia lazain'ny olona foana hoe "ny ela maharay roa".
Misaotra akia fa ho dinihina akaiky indray ny aminy.:lol:
16. adler
(
29/10/2007 17:47)
Misaotra daholo @ fanazavana e :-*
kally > ny fanontaniana dia hoe rehefa maninona mihitsy no azo atao ny manakambana teny, rehefa maninona no tsy azo atao ? Ilay -try manko ohatra ny :) mitovy fiasa amin'ny fanakambanan-teny ihany (sa tsy fanakambanan-teny ilay -n'ny ?). Ohatra hoe :
tongotry ny sasany ~ tanan'ny sasany
voadaroky ny hazo ~ voadonan'ny fiara
(diso:)
ohatry ny ~ sahalan'ny
Ary mety ve zany ny hoe : :?:
mihinan'ny
tratran'ny taona sa tratry ny taona ?

17. ikaretsaka
(
29/10/2007 20:26)
diams::-D:-D:-D
noho ny =no ty!
momban'ny =Mikasike ty
zanaky ny ... mpirahavavy=Anake ty mpilongo
zanak'iny olona iny=Anake iroy olo iroy
ohatry ny =karaha
lanin'ny omby=Tapitse ty aombe avao
dakan'ny alika=laka te alike
jeren'olona=linihan'olo
jeren'ny olona= Ara ty olo maso
18. xxx
(
30/10/2007 09:35)
amiko :
tratry ny taona no izy
ary ahoana nefa ny hoe "tratran'ny tompony teo am-pangalarana" ohatra
tratry ny taona no izy
ary ahoana nefa ny hoe "tratran'ny tompony teo am-pangalarana" ohatra
19. pissoa
(
30/10/2007 11:33)
Adler : ireto no tadidiko hoe akambana :
- Zavatra + tompony.
Rehefa misy karazana possession izany, tsy voatery hoe misy taratasy manara-penitra be :-D
Ohatra : Anganon'ny Ntaolo ( Ntaolo = tompon'ny Angano) :-D
- Entimilaza + fameno :
Raha tsy diso aho dia ny Matoatenin'ny "Mpanao" sy ny famenony ihany no tsy atambatra. Ahitsio raha diso.
Ohatra :
Novonoin'ny mpangalatra ny mpiambina. (mitambatra ny Novonoina sy ny mpangalatra)
Raha avadika kely ny toeran'izy mitsam ... Ohatra hoe ilay mpiambina indray no atao mamono (lasa Mpanao izany) dia lasa hoe :
Novonoin'ny mpiambina ny mpangalatra. (mitambatra ny Novonoina sy ny mpiambina)
Raha ny fehezan-teny kely indrindra fotsiny no raisina dia
Novonoina ny mpangalatra. ---> tsy atambatra ilay novonoina (Entimilaza) sy ny mpangalatra (Lazaina).

20. Cybergasy
(
16/02/2008 16:04)
Tadidiko mihitsy taloha fa voasazy izay mampiasa
"@" rehefa manoratra "amin'ny"
Fa manandrama anie ianareo mandalo ao @ Arsivam-pirenena e, fa ny fanoratan'ny mpitan-tsoratra t@ taonjato faha-18 dia :
Amy ny
"@" rehefa manoratra "amin'ny"
Fa manandrama anie ianareo mandalo ao @ Arsivam-pirenena e, fa ny fanoratan'ny mpitan-tsoratra t@ taonjato faha-18 dia :
Amy ny