Fampitahàna:Judeo-christianisme sy
21. niryna
(
29/10/2007 04:24)
rabilabila:
Inona ny olana amin'inona ?
Samy manana fomba fijeriny aby daholo : marina izany.
Tsy mino atra donky zegny tsy manana atra lolohavina atampon'ny loha .ATHEE raha tiana ho fantarina ny dikan'izany .
Hindrana an'i fijo ahoa fa toa rehefa izaho no miteny dia tsy levon'ny vavonin'ny sàsany eto:
hoy i fijo:
53. Mpandefa : fijo [ Valio ] 26-10-2007 00:23:18
Lohateny : Re : Inona no vitan'ny Atrao taminao(tsy mpino an'i Kristy ireo)?
izay wa,efa hoe tsy mino azy izahay,ka tsy miandry na manantena ,na inona avy aminy
valintenin'i niryna:
Tsy maninona izany ka,safidy io ra fijo a
Izany ve ,mahereza ary manaraka ny tenin'Atra ato e.Tsy mino fa misy manitikitika dia izay manaraka izay foana.:D
22. rabilabila
(
29/10/2007 19:14)
niryna>>
Ny marimarina kokoa angamba dia hoe :tsy mino fa te-hampahafantatra hoe ny fanànana fomba fijery hafa tsy manàla ny maha-olombelona.

23. Fody
(
29/10/2007 19:39)
Ny tsy finoanao anefa dia tsy manafoana, na mahatonga ny Misy ho tsy misy.
Ilay Misy dia misy foana na hino ianao na tsy hino. Tsy miankina velively amin'ny tsy finoanao ny tsy fisiany na fisiany. Afaka milaza izay tianao lazaina ianao, ary tsy ferana ny amin'izany. Saingy ny hadinonao dia ny hoe: matoa ianao misy dia satria nampisiana. Na naka ny fisiana avy amin'ilay Misy.

24. rabilabila
(
29/10/2007 20:24)
Fody>><
Ny tsy finoanao anefa dia tsy manafoana, na mahatonga ny Misy ho tsy misy.
Efa nisy nahita angaha ?
Eritreritrao manokana io fa tsy eritreritry ny 3/4 de l'humanité .
Aminao izany ireo sivilizasiona rehetra misy eto an-tany dia tsy misy lanjany jiaby ?
Tsy adinoko mihitsy hoe misy aho fa ny fomba fanazavantsika ny fisiana no samy manana ny azy .Efa nivalapatra tamin'io efa imbetsaka aho (raha nanaraka ianao )ka tsy hanazàva an'izany eto intsony .Hasard no nampisy ahy satria raha ilay spermatozoide teo akaiky fotsiny no tafiditra dia efa tsy izaho no teo fa olon-kafa ,fa tsy ilay misy akory no nifidy ilay spermato hanao ahy fa ny zavatra nitranga rehetra tao anatin'ny kibon'i Mamanay.
25. Fody
(
29/10/2007 20:40)
Eritreritrao manokana io fa tsy eritreritry ny 3/4 de l'humanité .
Fa ianao moa izany io 3/4 de l'humanité io?
Raha ahy manokana io dia tsy ho sahy nilaza ianao fa tsy hevitry ny 3/4 de l'humanité ny zavatra nolazaiko.
Aminao izany ireo sivilizasiona rehetra misy eto an-tany dia tsy misy lanjany jiaby ?
Aiza amin'izay nolazaiko no misy an'io?
Tsy adinoko mihitsy hoe misy aho fa ny fomba fanazavantsika ny fisiana no samy manana ny azy .Efa nivalapatra tamin'io efa imbetsaka aho (raha nanaraka ianao )ka tsy hanazàva an'izany eto intsony .Hasard no nampisy ahy satria raha ilay spermatozoide teo akaiky fotsiny no tafiditra dia efa tsy izaho no teo fa olon-kafa ,fa tsy ilay misy akory no nifidy ilay spermato hanao ahy fa ny zavatra nitranga rehetra tao anatin'ny kibon'i Mamanay.
Fa moa afaka nisy ve ianao raha tsy naka ny fisiana avy amin'izay efa nisy? Na nampisian'ireo efa nisy?
Misy ve ny hasard? Raa misy izy, ahoana ny fanazavana azonao omena?
26. rabilabila
(
30/10/2007 21:00)
Fody a!!
Resaka efa nivalamparana teto io resaka io fa raha toa ka manitikitika anao ny ahafantatra ny importance n-ny hasard amin'ny nipoiran'izao tontolo izao dia maro ny boky azo vakiana :
-théorie de l'évolution Darwin
-La nécessité du hasard (Alain Pavé )
-Izay boky nosoratan'i Monod
-Ireo Boky nosoratan'i Pascal Picq
-Ireo boky nosoratan'i Dawkins
-Ireo boky nosoratan'i Stephen Jay Gould
-Ireo boky nosoratan'i Boris Cyrulnik
-Ireo boky nosoratan'i Hawkins
................................
Fomba iray fijery io ka anjaran'ny tsirairay ny mandanjalanja azy .
Raha toa ka efa namaky ka mijanona amin'ny heviny dia arahaba soa arahaba tsara .
Raha toa ka mbola tsy namaky ( tsy voatery ho izy rehetra ) nefa tonga dia mitsipaka ny mety cohérences ao antin'ireo fikarohana maro samihafa dia izay no mampalahelo ( amiko aloha ).
Aza adino fa ny mpino dia tsy manana porofo amin'ny fisiany , ary ny tsy mpino(AT) dia tsy ny hanaporofo ny tsy fisiany no hilofosany .
Am-pitiavana , 'zay fotsiny

27. fijo
(
30/10/2007 23:04)
ô ry fody kely an,manizingizina enao fa tsy manakana ny misy tsy hisy izay fomba fijerinay.tena efa voamarina ve fa misy le hinoanareo??raha eny,izano efa nihaona na naheno ny deny,na efa nahatsapa ny fofon'ainy.na nahita ny diany???
eto mantsy nareo mpino dia tafiditra amin'ny sokajin'ny mpamorona.
ny mpamorona dia milaza zatra tsy misy.(tsy mbola nisy nahita sy nahatsapa sy nahare)hoe nisy,ka aza mamorona
lazao fotsiny hoe inoanay fa misy izy.fa tsy hoe tena misy izy samy hafa ireo,raha hainao koa ny hanavaka izany

28. Fody
(
31/10/2007 11:11)
rabilabila: Izaho tsy mitady ny hevitry ny hafa fa izay hevitrao no anontaniako. Ary maninona moa no tsy valiana ny fanontaniana apetraka e?
Fijo: raha ny porofo amin'ny fisian'Andriamanitra no tadiavinao rafijo dia betsaka tokoa, saingy sarotra ho an'ny olona minia tsy mahalala sy tsy te hijery no manaiky izany.
Ny fisian'Andriamanitra dia tsy miankina velively amin'ny finoana. Ny fisiany dia tsy azo lazaina fotsiny hoe: araka ny hevitray mpino dia misy izy, ary tsy izahay mpino koa no namorona azy. Fa misy izy satria misy. Ary tsy izahay no namaritra hoe toy izao izy, na toy izao fa izy tenany no naneho taminay hoe: toy izao aho. Izay no atao hoe: Révélation.
Amin'io fisiany io dia mizara roa koa ny hevitr ny athée fa aza adino: ohatra i Sartre dia miaky fa misy izy saingy esory amin'ny fiainany ny fisiany satria manelingelina azy. Toy izany koa ianao miteny io. Mino ianao fa misy i Jesoa saingy lavinao ny maha Andriamanitra azy.
Ny faharoa dia ireo manda mihitsy hoe: misy izy.
Fa nisy ve ny resaka Finoana sy tsy Finoana raha ohatra ka tsy misy tokoa Andriamanitra? Diniho dia alalino, fa ny tsy misy tsy afaka mampisy ny misy. Ary ny kisendrasendra tsy ho nisy mihitsy raha tsy nisy ny Misy aloha.

29. rabilabila
(
31/10/2007 13:01)
Efa nivalamparana teto ho'aho io resaka io ,araho daholo re ny zavatra nosoratako e!! Tena miala tsiny amin'i Fody aho fa tena kamo be hamerina azy ireo eto indray .Izany Fody an!! Betsaka ny fiadian-kevitra nandraisako anjara eny rehetra eny e!!na resaka moraly izany ,na resaka siansa , na resaka finoana ...........fa raha par rapport amin'ny zavatra efa nosoratako no misy tian'i Fody ametrahana fanontaniana amiko dia tsy mampaninona ahy ny hiady hevitra ,fa raha hamerina indray ny efa voasoratra ,kamo be aho .:)
am-pitiavana ,'zay fotsiny!!
am-pitiavana ,'zay fotsiny!!
30. fijo
(
31/10/2007 23:27)
o ry fody an,talona'ny ninoana fa misy io andriamanitra tokana io dia nino andriamanitra maro ny olombelona.de rehefa nanomboka nino ity lazaina fa tokana ity,dia very tsy hita aby ilay maro ninona taloha.ka noho izany dia tsy misy io,fa hinoana aloha,de raha mahita hafa indray dia afohy toa ny lasa rehetra koa.ny zavatra misy ra fody,na hoan'izay tsy tia sy tsy mino azy aza dia tsapa ny fisiany.ity hinanareo anefa tsy tsapanay ny fisiany.satria tsy misy ka.
ny rivotra dia tsy mbola nisy nahita ohatra,fa na mino na tsia dia samy mahatsapa fa mangatsiatsiaka rehefa mitsokaizy.fa ity andriamanitrareo,sady tsy re,no tsy hita,no tsy tsapa,no tsy mamonjy ny traboina,no tsy ..tezitra ny sasany raha hiteny aho hoe tsy misy hilavana azy raha misy.