tsy azoko mihintsy

1. vivi ( 20/10/2007 18:07)
ahoana no atao we vehivahy collante ?, vhv miantso lava foana vsa vhv tsy afa mihaina raha tsy eo lhl ....mba azavao kely we reto!
novalian'i soanja ny 28/10/2007 16:30
2. sipagasy ( 20/10/2007 18:58)
dia tsy haiko aloha e! sao dia mampiasa 'araldite' kosa izy hihihihi:wink::-D:-D:-D:-*
3. xxx ( 20/10/2007 19:08)
rehefa tsy tia ilay bandy dia lazainy fa collante.
fa rehefa mba tiany kosa dia tsy maninona hoy izy.
4. pissoa ( 21/10/2007 11:31)
izay mitsy !
:-D:-D:-D:-D:-D
5. booboo ( 21/10/2007 12:13)
ié !

ouz Mima hoe "koleo sereo sao ndesin'olô" oun :-D:-D:-D...nenà bedaiko mihitsy :-D:-D:-D
6. simplex ( 21/10/2007 12:45)

ary resa-dehilah ity kle :)

vivi,
refa somary mandositra anao izy zay d collante enao:°)
Refa otran'reny d aza mi-colle intsony fa avelao izy hanana espace kely, fa izy ihany no hitady anao avy eo. :P
ra tsy mitady anao intsony moa izy zay d, efa iny mintsy no niandrasany hisarahana taminao, aleo manaja tena ;-)

7. pissoa ( 21/10/2007 12:55)
booboo:

ié !

ouz Mima hoe "koleo sereo sao ndesin'olô" oun :-D:-D:-D...nenà bedaiko mihitsy :-D:-D:-D

K'hita oa ! bedao mafy mitsy dia amizay potika otran'ny biscuit nitsahin'ny bildozera foana :-D:-D:-D:-D:-D
8. Kwasi ( 21/10/2007 13:11)
Le sipa tsy misy hiainana mihitsy, mpanarab.dy lava @ zay alehan'ny tena, efa tsy tiana nefa mbola misisika ihany=((
9. tywa68 ( 21/10/2007 16:29)
vivi : njy angaha collante hono ? :lol:

Raha ohatra ka tsy mamela an'ilay lhl mihitsy fa te-hafantatra zay ataony rehetra sy te-hanaraka azy etsy sy eroa ; farany izy mandainga, mba tsy hanarahana azy : mazàna olona tsy manana confiance @ilay bandy no manaraka azy foana !:lol: ary d tena hialàny mihitsy azy satria tsy ho tantiny raha izany foana :-D

10. sipagasy ( 21/10/2007 16:45)
tywa68 eka ouzy marina zegnyyy:-*
11. vivi ( 21/10/2007 17:19)
tsy fantako aloha na collante zà na ahoana fa ilay sipa namako miteny we raha ohatra ka ndray na in-2 isan-kerinandro no miantso anilay sipako d ampy hoy izy fa aza miantso isanandro zany raha tsy izy no miantso, fa tsy tiany bandy zany , izy manko mipetraka any @ province , fa raha vao hitany we tara b d mety araraotiny , @ zao aloha ny fiarahako @ lay kofa milamina tsy misy blem fa tsy tiako sao d manimba zavatra zà!
12. xxx ( 21/10/2007 20:48)
io indray ilay machisme malagasy tsy lahy tsy vavy fa samy manao daholo. aza macho hoa fa antsoy foana dia aza be raharaha fa rehefa manirikiry dia soloy.
13. ikaretsaka ( 22/10/2007 02:07)
vivi:

ahoana no atao we vehivahy collante ?, vhv miantso lava foana vsa vhv tsy afa mihaina raha tsy eo lhl ....mba azavao kely we reto!

manana lakoly izy na bas collant

na mampitady anao hanao izany
14. soanja ( 22/10/2007 06:06)
vivi:

tsy fantako aloha na collante zà na ahoana fa ilay sipa namako miteny we raha ohatra ka ndray na in-2 isan-kerinandro no miantso anilay sipako d ampy hoy izy fa aza miantso isanandro zany raha tsy izy no miantso, fa tsy tiany bandy zany , izy manko mipetraka any @ province , fa raha vao hitany we tara b d mety araraotiny , @ zao aloha ny fiarahako @ lay kofa milamina tsy misy blem fa tsy tiako sao d manimba zavatra zà!

Amiko diso ihany zany torohevitra azonao izany fa asa anefa ho an'ny hafa.
Ny fifankatiavana dia avy amin'ny alalan'ny fifampiresahina amin'ilay olontianao ihany no alalanao izay ao ampony sy ahafantarany anao. Raha honest le olon-tianao an! Raha tiany ianao dia hisokatra izy amin'ny hevitrao ary hanome ny heviny izy.
Raha zah ianao dia anontanio mihitsy izy hoe " impiry isan-kerinandro no tsara IFAMPIANTSOANTSIKA??? " Tsy indry irery no miantso fa izy koa mba tokony. De hita eo izay havaliny???
"Tsy mampaninona anao ve raha hiantso anao isa-minitra aho ohatra??? " dia hita eo zay avaliny.
"Zah mantsy dia tia miantso ny malalako matetika? Satria tiako ny feonao?? ahoana ny hevitrao??" de henoana eo izay avaliny. 'Mahtsapa ve ianao fa collante aho? inona no azoko hanampiana ny fiarahantsika fa mitady marimaritra iraisana aho?" sns sns...

Aza mety hoe izy manjaka na ianao hanjakany zany aky a. Ianareo roa mampanjaka ilay fitiavana. IZAY TIA MIHAINO!
:-*:-*:-*

15. sakaizakely ( 22/10/2007 15:41)
hoatran'izao ilay pot de colle
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m4717d52d87050

:lol::lol::lol:

soanja:
Raha zah ianao dia anontanio mihitsy izy hoe " impiry isan-kerinandro no tsara IFAMPIANTSOANTSIKA??? " Tsy indry irery no miantso fa izy koa mba tokony. De hita eo izay havaliny???
...
Aza mety hoe izy manjaka na ianao hanjakany zany aky a. Ianareo roa mampanjaka ilay fitiavana. IZAY TIA MIHAINO!

zay mits manko ry Soanja. Tsy misy manjaka sy anjakana fa mifanjaka mitovy lanja rehefa samy mifankatia. Raha tsy izay dia tsy tena tia fa sarisary fotsiny
16. vivi ( 22/10/2007 17:21)
narahako ny tenin-dry ry soanja , nanotany anilay sipako zà d hoy izy we ts d misy regle fa arakaraka ny fahafahan'ny tsirairay hoy izy d possible in-4 ary mety ho in-1koa hoy izy t@ko, raha vao asiana regle d tsy mety hoy izy , fa efa mifankafantatra ny programa ny andaniny sy ny ankilany hoy izy , d hafaka sami mi-comprendre we occupé hoy izy ! , izy koa milaza we tiany hono ny miresaka @ko sy maheno ny feoko fa tsy d tiany loatra hono ny telefonina adiny 1 na 2 sy ny email na msn ,fa ny eo akaikiko hono no mahafinaritra azy , hotrany tsy tiako koa ilay valinteniny we tsy tia telefonina na msn , zany koa v tsy efa hotrany hafahafa na misy dikany ambadika , sa efa mitady sirika koa?tsy aiko aloha fa efa mailo lava
17. soanja ( 23/10/2007 02:15)

Vivi> Raha izah indray no mahazo io teniny io dia mety be amiko satria mazava tsara mihitsy ny heviny sady tsy misy ambadika fa ny teny ao an-tsainy tokoa ny fahitako io navoakany io. Nefa miankina amindry sipany ihany no mahalala na mety amindry io na tsia.

Ny zavatra tokony notenenindry manaraka mantsy saingy indry moa tsy nanome azy teto dia ny nilaza taminy ny ao an-tsaindry momba ireo heviny ireo. Sy ny marimaritra iraisana. Ny hoe MAILO dia tsy dia tsara loatra hampiasaina amin'olon-tiana. Satria milaza izany fa tsy mbola vonona ny hanome ny tsara indrindra any aminao ho azy ianao. Ny fiarahana koa anefa raha tsy mety aty afara dia tsy manahy fa toy ny zavatra rehetra ihany. Tsy misy hoe voabe ianao na izy voabe fa tsy nifanaraka dia misaraka. Indrindra raha mbola tsy misy resaka zaza na harena itambarana sns.

Raha miantso amin'ny manaraka izany dia ataovy fohifohy ihany ka rehefa hiala indry dia lazao moramora izy hoe
" satriko foana ny hiresaka aminao saingy ny fotoanao moa tianao ferana dia aleoko indray izany manao veloma anao vetivety." De hita eo izay havaliny. Raha henony ilay hoe "satriko foana ny hiresaka aminao elabe" dia tokony ho react izy hoe:" Mbola mananjavatra be dia be tianao resahiana amiko ianao? na hoe tsy maninona fa mbola manana 10 minitra aho afaka miresaka isika ka." zany hoe mitady ny marimaritra iraisana izy eo. Satria ny fihainoana dia ilana fahaizana sy fanetretena ary fandeferana tokoa.
De nefa raha tsy mi-react izy dia teneno moramora indray hoe : i ann a, zah mba misy zavatra tiako tenenina aminao. Manana 10 minitra ve ianao hiresaka amiko vetivety fotsiny?" de hita eo na miala izy na manaiky. " Ohatrany tsy mety amiko le manisa fotoana miresaka aminao fa inona no azontsika hanamboarana ny fomba fifandraisantsika? Ny hevitro de hoe maninona raha miresaka tel vetivety isika dia ny ambiny atao tchat na email na msn fa mifanaraka fotsiny iska hoe oviana no mety amintsika roa fa tsy hoe isanandro akory. Fa tsy atao lavabe koa fa mba isaky ny telo andro na indray mandeha isan-kerinandro?" De hita eo izay afitsony.

Ny tiako tenenina dia mila manome ny hevitrao ianao hoe TIAKO NY EMAIL SY NY MSN ARY NY TEL LAVABE saingy satria tsy tianao loatra ireo dia mitady ny ampovoany isika.
Vivi anefa tsy hilaza aminy hoe " tsy izay tianao foana akory no atao " fa manjary manimba relation izany fa mampianatra azy indry hoe ahoana ny fomba fiarahana fa mila fifandanjana hatrany. Tsy misy voa ary tsy misy manatombo.

Rehefa TIA DIA MATOKIA! Rehefa mampiseho ny mifanohitra izy vao manomboka mailo ianao fa tsy alohan'io akory. Amiko tena mazava ny heviny ary tia andry izy saingy manahirana azy koa ny asany na izay manahirana azy any amin'ny misy azy dia tiany ny zavatra misy fifandanjana. Asa anefa an! Mbola tsy hitako le olona. Nefa zah mino fa indry tsy hitiatia olompoana. :-*:-*:-*:-*:-*

18. vivi ( 25/10/2007 18:32)
misaotra betsaka akia ry soanja fa tena misy namana mihintsy eto @ serasera , marina aloha ny tenen-dry e, izy aloha mampiseho we mahafinaritra rehefa miresaka , tsy misy blem mihintsy na ny kely aza , fa zà koa zany manana anilay toetra we rehefa tia d tia d ndraindray lay tsy misy frain fa eo foana d lasa hotrany besoin ilay izy rehefa avy eo, d teo aloha aza zay foana no mahatonga anilay fisarahana koa , tsy fantako fa matahotra zany zà we sao d manao ilay mm erreur zany , d lafiny ray aloha hotrany mety arakin' tenen-dry ihany io mba ihanarako ilay we manao @ atoniny koa sy mamehy tena , satria lasa filana na habitude koa ilay izy fa tsy fitiavana intsony ,sa normale akia zany?
19. soanja ( 28/10/2007 16:30)

Norma zany Vivi ka, mitaky anle olona tsy ankijanona ny fiainanao rehefa tia ianao.
Eo no mila fandaminana foana hoe tsy hitady loatra ary tsy hameno ny filanao loatra no atao fa izay no antsoina hoe fitiavan-tena, dia lasa jamba tsy mahatsapa ny filany sy ny momba azy.
Ny olombelona rehetra matetika , indrindra rehefa manomboka lehibebe fa tsy le vao fitiavana 17taona -20 taona ireny dia mila balance tokoa.
Ilaina foana ny fanomezana fotoana sy space, room na distance kely ny momba anao sy ny azy amin'izay manome anle balance io, io no mameno ny filan'ny tsirairay handinika sy hamakafaka ary ahafahanao miatrika zavatra isan-karazany tsy miaraka aminy nefa koa iarahana aminy ihany. Mila independente ny olona iray ao anaty fitiavana fa tsy maty , na mijaly sahirana be, tsy afamiaina refa tsy eo izy.

Ny tanjona sy ny zavatra iriana sy ifampizarana anefa dia ilaina resahina foana ary mahatsapa malalaka ny tsirairay na dia samy tia aza.
Refa manambady koa dia ilaina io satria eo tokoa mnatsy ny misy olona matetika hoe refa vita ny mariazy, indrindra ka avy niteraka ny vehivavy dia mihevitra izy fa harian'ilay iray angaha sa ahoana fa lasa tsy en securite tsony de lasa saropiaro be sy mamikitra tsy ahafahan'ny lehilahy miaina.Miantso portable foana sns mitaky mitaky aiza ianao sns. Misy koa lehilahy manao an'io satria vadiko anao dia tsy ilaina zao sy izao.... tsy mety zany.
Ny fitiavana dia fahafahana sy fahasambarana ary fivelarana amin'ny mahaolona ka ahafahanao mamita adidy sady miaina ampitoniana. Ny fizarana ny maharary sy ny mavesatra, ny hafaliana sy ny haravoana ary ny fandaminana ny ho avy no tokony ho votoatin'ny fitiavana tsy ahiahy lava momban'ny iray.
Izay ilay izy fa dia mazotoa indry ary mahereza hatrany.
Io zavatra lalovandry io dia sarotra ho an'ny rehetra fa tsy indry irery. Io no antsoina hoe long distance relationship. Inona no fomba itazomana sy ikoloana azy. Misy mahavita ve io? be ny fakampanahy satria samy lavitra ,
saingy izao ny fitiavana sy ny fahatokisana no ataovy be dia be dia araham-bavaka daholo ny rehetra. Atolory an'Atra ny ahiahy sy ny tebiteby fa izy mandahatra ny tsara ho anao. Rahefa vitanao ny fivavahana fanolorana izany isan'alina dia mirana amin'izay rehefa maraina. Aza manahy!

Bonne chance hatrany fa tsy mora ny miaina amin'ity fiainana ity saingy mora ihany refa apetraka amin'Atra ny rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5098