Ny Mpiziva

21. xxx ( 25/10/2007 00:54)
Tena tsy ampy mihintsy koa ny fitaovana entin'ny ankizy mianatra e. Ny lakilasy aloha dia efa tsy zarizary, izay navelan'ny cyclone no mba mitsanagana eo.
Tao amin'ilay toerana nisy ahy dia misy EPP iray, misy mpampianatra iray izay zanantany any an-toerana ihany. Ny mpianatra no mitondra ny sakafon'io mpampianatra io (vary iray kapoaka avy isan'olona isambolana, akondro, café, sns). Mamboly ihany koa io Ramose io rehefa nomen'ny ampanjaka zara-tany atao ampahambokatra. Kamo i Ramose fa izy irery tsinona fa ilay iraikalahy tokony nanampy azy tsy salama dia lasa nody any Fianarantsoa hamonjy ny vady amanjanany.
Ny ankizy tsy misy fitaovana fa dia ireny PQ ravinala ireny no hanoratana. Normal be raha kivy sy ketraka.
Anisan'ny zavatra iray mahakamo ny zaza andeha antsekoly koa ity filozofiantsika mikapojanaka sy mikapojaza ity. I Ramose rehefa kivikivy any dia toa mikapoka mafy, misy mandohalika amin'ny kapisily izany mihintsy aza, ka aiza ny zaza no hazoto, lasa mivangabao ny hiafarany.
Olana iray hafa koa, ny atao hoe Chef lieu du fokontany (quartier) satria eo no misy ny fianarana, ilay atao hoe fokontany anefa dia tanàna 5 miparitaka (hammeaux) izay mielanelana 3-5km eo ho eo, ka ny ankizy ao Tanambao ohatra dia mandeha tongotra lavitra vao tonga ao Ambodivoahangy isan'andro rehefa andeha hianatra, satria ao ihany no misy ny mpampianatra.
Ny zavatra farany nahakivy ahy momba ny ho avin'ireo tànana ireo dia ny fisian'ireo olona nahita fianarana izay manambaka sy mirary mihintsy aza ny tsy hivoaran'ny tànana. Anisan'ny noraisin'izy ireo ho karazana fahavalo ny tenako rehefa tonga nonina tao namita ny mission-ko, hany ka notadiavany contrôler-na daholo ny mouvement-ko rehetra hatramin'ny hoe inona no rapport hataoko. Niresaka tamin'izy ireo ihany koa ny tenako saingy somary hita be ilay tsy fankasitrahana.
Ny nahatonga an'io indray dia izao: nisy bandy nianatra tany ex-URSS zanaky ny ao an-tànana ihany ary nanambaka ireto Tangalamena amin'ny resaka tany izay nofaritany ho azy ary niraisany tsikombakomba amin'ireo notable tamin'izany andro izany. Anisan'ny votoatin'ny diako tany ny hijery an'io olana io akaiky satria efa nandefa fitarainana ny olona.
Ny olana mipetraka mantsy dia ny resaka fahefana, mifanipaka ny fahefana nentindrazana sy ny fahefana ara-mpanjakana, ary ny fananantany araky ny fomba tsy mitovy ny fananantany arampanjakana, ka eo foana no hanararaotan'ny olona mahay taratasy ireo tsy mahay, ny fanaovana titre foncier izany. ary ny olona manao an'io matetika dia zanantany nahita fianarana avy tao ihany satria afaka ataony ny miteny hoe efa nanao mis en valeur tao aho nandritry ny 30 taona ka hanao prescription acquisitive, dia azony ny taratasy.
Izay aloha ny anio fa mazotoa indray.
22. soanja ( 28/10/2007 01:20)
xxx> Misaotra indrindra nizara ny traikefanao.

Tsy mifanalavitra amin'zany tokoa ny zavamisy amin'ny toerana iasako izao ary isika miteny izao dia efa misy miandry kendry tohina fotsiny ny mpanao politika hitady olana hanapotehana izay tiany hopetahana refa tsy manaiky ny fisian'i Politika eo anivon'ny asa aorinay izahay. Betsaka tokoa mantsy ireo tsy mponina ao fa mpihavy izay mpandraharaha ao mitady toerana dia mangataka ny fisian'ny asa hifandray amin'izay politika ataony.
Notsoriko ny ahy fa samy manana ny poltikany fa ny ahy aloha dia tsy hisy ifandraisany amin'ny politika eto an-tanana fa raha vonona hanome tanana ianao hanampy amin'ny fitarena fasika sy fanaovam-biriky dia handray anao tokoa izahay.
Dia sorena be tokoa ny anao lahy ary manomboka miresaka ny foto-kevitra hoe foko izao sy izao sns ka io no nidiran'ny mpiziva sns...

Raha mazoto ianao dia manorata manokana any amiko "soanja" ao amin'ny mail fa mitondra fitaovam-pianarana sy boky ary hanangana tranomboky amin'iny faritra iny izahay , ankoatran'ny fandefasana volontaires amerikanina hampianatra ny ankizy hanao taozavatra sy arts ary fanorenana sakafo mahasalama ny tanana. Koa raha tianao ho tafiditra io tanana io na faritra io dia vonona izahay hijery azy akaiky satria mampalahelo ahy izany hoe tsy ampy fitaovam-pianarana izany.
Ny tanana nolalovanay taloha dia ny varavaran-kely sy ny varavaram-ben-dakilasy no ataon-dry zareo solaitra be ary ny ankizy mipetraka amin'ny sima mangatsiaka, saingy amin'izao dia mba efa milamina ny ankizy fa ny fahazotoan-dRamose hampianatra indray no tokony hatsaraina.
Manomboka amin'ny fanabeazana ny zava-drehetra! :-*:-* Mino aho ary manantena!
23. Kwasi ( 30/10/2007 16:00)
Ny zavatra farany nahakivy ahy momba ny ho avin'ireo tànana ireo dia ny fisian'ireo olona nahita fianarana izay manambaka sy mirary mihintsy aza ny tsy hivoaran'ny tànana

Io koa aloha dia marina e. Eo ihany koa ny afitsoky ny metisy sinoa. Mila tact sy sang froid mihitsy ny mifanerasera @zareo.
24. soanja ( 31/10/2007 02:57)
Kwasi> masako ianao fa zahay metisy sinoa. :lol::lol:!
Aiza kosa ary izany. Raha hitany kosa ary ve ny fomba fitadiavam-bola dia omenao tsiny.
Ny fomba hianaran'ireto farany no tokony jerena akaiky.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2061