Mofo gasy na mokary

1. pariniza ( 19/10/2007 07:35)
Mba saika hangataka recette fanaovana mofogasy tsara na mokary ho an'izay mahay fa tena tian'ny zanako be nefa tsy misy mivarotra aty
novalian'i pariniza ny 28/11/2007 18:09
2. sipagasy ( 20/10/2007 07:40)
manana lasitra ve anefa ianao??

http://razafimalala.free.fr/Recette/mofogasy.htm

dia mazotoa homana e!
3. ikaretsaka ( 22/10/2007 20:32)
dia aza adino fa mila folahana ny lasitra fa manjary mniraikitra , asiana atody nokapoiha ny fasika moa ny famolahana azy izay dia avela ho may.
dia rehefa ilay maintimainty iny izy no ampiasaina...
tsy haiko ao tana fa iny @ mpanao vilany Alu any ambatolampy ireny mivarotra efa "voafolaka"
mino aho fa raha manao komandy amin'ireny mpivarotra vilany gasy ireny ianao dia hanaovany rehefa afaka herinandro.. rehefa tsenan' alakamisy, akaikin'ny CBT eo misy mivarotra sady avy any mihitsy:wink:
le mahavita 4 vidiana dia mba mora zaka rehefa entina miampita ranomasina:wink:
4. arialy ( 26/10/2007 10:30)
na tsy folahina aza mety foana koo, za efa nanadrana fa mety ka .
le 4 reny araka ny tenin'i karetsaka no tsara am zay tsy mila diffuseur de chaleur raha gazinière no anaovana azy, (tsy manairana izany)
5. ikaretsaka ( 28/10/2007 01:43)
mety efa voafolaka izany ny an'i arialy...
fa raha le lasitra alu an'ambatolampy ireny ka ilay marokoroko fa tsy le malamalama no anaovana azy dia mila folahina ireny

raha manana ilay grill fanaovana BBQ ireny dia mety tsara..esorina ny grille de asina saribao dia eo no atao ohatran'ny fatapera!
6. mangabe ( 25/11/2007 13:42)
Nanafatra vilany aho avy any Dago ka sainga misy torohevitra tiako izarana amin'areo mpamaky!
Ny lafarinina vary hita eny amin'ny asiatika ireny dia tsy mety anaovana mofo gasy satria lasa fotsy be ilay izy avy eo. Raha mety dia vary "riz complet" no ampiasana dia totohina amin'ny loana vato be ireny. Raha voa tery mampiasa io lafariniina tout prêt io, ianao dia mampiasa siramamy mena mba ho mendimendy ilay mofo.
Amin'ny fitenin'i neny dia tsy dia azo sasana loatra koa moa ny vilany anaovan'azy ( hitako moa ny any Dago toa mainty be! :-D). Tahak'izany koa ny boalina hifangarona ny koba, satria ilay sisa amin'ny boalina iny noho ampiasana atao levure amin'ny manaraka. Hahamainina fotsiny ilay izy!
Izay izany ry z'areo e!
7. fahamarinana ( 26/11/2007 14:20)
:arrow:merci bcp mangabe,andramana ndray ilay asiana siramamy mena satria ilay mividy ao am sinoa no pratique amiko kouh...(l)
8. pariniza ( 28/11/2007 18:09)
manana moule nentina avy tany Dago fa ilay recette mihitsy no tiako ho fantatra ohatra mila farine ve?atody,ronono sns mba valio moa zay mahay e NY mofo baolina efa haiko tsara,rehefa misy fety atao any ampiangonana iny no tena ilaina ny mofo gasy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2199