Fakafakao

21. pissoa ( 19/10/2007 21:15)
fijo:

marina tanteraka io zavatra voalazan'i laza io.
mba jereo fotsiny hoe za izao lasa kristianina ohatra sanatria.dia lasa aho mifangaro amin'ireo kristianina hafa fihetsika.amina zaza sy vadin'olona.de mba ahoan ano mety ho fisainako???tsy avy dia hoe :"ary za nolazain afa ratsy ny tsy mino ,nefa izao ny mpino itako toa mamoatsampona"


Raha nieritreritra hoe olona tonga lafatra ny Kristianina dia aza manao Kristiamina mihitsy aloha ! Amiko ny fahadisoan-kevitra tahaka izao dia tsy avy amin'ny Kristianina, fa avy amin'ny olona tsy very diksionera ka tsy mahay manavaka ny teny hoe Kristy amin'ny Kristianina :-D:-D:-D
22. fijo ( 19/10/2007 21:32)
ka ny kristianina mpitsikera be ko,tsy tonga lafatra ve izany.
23. xxx ( 20/10/2007 12:49)

Raha olona no arahina ka mahatonga n tena ho kristiana fa tsy i Kristy, dia ho rava vetivety ny maha kristiana.

Efa nisy ny croisade, nisy hadisoana maro vitan'ny fiangonana teo amin'ny tantara, mbola henjehana ihany koa izy ankehitriny, haratsina aminny fomba isan-karazany, nefa mbola MISY HATRANY NY KRISTIANA satria tsy fiangonana no arahina, tsy olona no itokisana, fa i Kristy no arahina sy itokisana.

24. ikaretsaka ( 21/10/2007 12:13)
fijo:

ka ny kristianina mpitsikera be ko,tsy tonga lafatra ve izany.


ka ny ilazana ilay lazain'ialahy fa "tsikera" mihitsy anie no hahitan'ialahy ny default an'ialahy e!
ohatran'ny olana ihany io hoe raha mivadika ny akanjony na mivoha ny bragetiny na misy zavatra ny orony dia mifampiteny eo.. mba hanitsiany azy
25. soanja ( 22/10/2007 04:40)
ikaretsaka:

LazaDaddy:

Misy fitenenana izay @ teny Anglisy manao hoe: "the worst thing you can do to a new convert is to mix him/her with Christians".

dika teny malalaka: ny zava-doza lehibe indrindra mety ataonao @ olom-baovao niova finoana ho Kristianina dia ny mampifanerasera azy @ ireo Kristianina hafa.


=> Inona ny antony mety mahatmarina an'izany?



Dia valiko @ tenin'i St Thomas d'Aquin io quote-nqo io
"Ny olona voasasa atidoha, sy noferana ihany ny fahalalany, na ho ela na ho haiingana , dia lasa tsy ho voafehy intsony izany, satria Tian'ny tompo ho olona libres sy malalaka isika"

ny maha olombelona ny olona 1 dia tia izy tia mijery sy mamakafaka sy mandinika:

1- Raha tamin'ny alalan'ny "brainwashing" no nahatarihanao azy, dia lasa tsy mety sy ho mety aminy intsony ny "brainwashing" satria lasa mivelatra ny fahalalan'ilay "neophyte"

satria ho hitany hoe samihafa isikka na samy kristianina aza, misy ohatra ny extremistes, misy ny liberal, misy ny mety hivoy zavatra hampatahotra azy, satria hatahotra mafy mihitsy sao lasa "very" indray ilay trondro mba azo (izy), misy ny te hanoro hampalalaka ny toe-tsainy, misy ny mamela azy malalaka mba handinika , misy ny mamendrofendro azy, misy tery eo @ ny bible alone (baibolista sy evanjelista) , misy ny mivelatra bebe kokoa @ ilay finoana an'i Kristy amin'ny lafin-javatra maro (whole="univers-al")
kristianina daholo anefa ireo!
dia manana tendaces hanao comparative ilay neophytes! tsara anefa ny manao comparative religion amin'iny .
(io comparative religion io manko no maha convaincu anahy hoe atsy ihany izany fa any no tena fe)!

2)Raha tsy ampy fahalalana noho izy avy eo "ilay soi disant" nitarika azy, ka tsy mahavaly ny zavatra hitany sy ny fanontaniany... dia eo no comble!
therefore --> ilaina ny mianatra manokana theology na io fomba fitarihina olona io fotsiny aza. fa tsy hoe mamakimaky baiboly kely dia mitoritory kely dia hoe...
Fanasana atidoha no nahazoanao azy @ izay fa tsy fitantanana ilay olona any @ finoana marina!



=D=D=D=D Ny finoana matetika ho an'ny vaovao dia amin'ny alalan'ny asan'ny hafa ety ivelany vao nidirany na hidirany no itarafany izay endrika any anaty rehetra. Matetika koa io no mampandroso na mampihemotra azy.

Koa amiko raha hanomboka ny fitoriana aho momba an'i Kristy dia tsy ny izao sy izao miara-mipetraka eo ambony canape sy henoana no zavadehibe amin'ireo fa ny fanehoana azy eo anivon'ny fiarahamonina sy ny manodidina amin'ny alalan'ny asa sy fitiavana. Mahita taratra mazava izy vao hiteny aminao hoe asehoy ahy ary izany famirapiratany izany any anaty fa tiako mba hahazo koa aho ary iarahako aminao na iombonako aminao. Iny ianao vao tonga miaraka amin'ny baiboly sy izay hafa manohana ny tianao ampitaina sy ilay ao anatinao Mahery.




26. ikaretsaka ( 23/10/2007 01:22)
mitovy fijery isika dahy eto:-*
27. fijo ( 23/10/2007 22:09)
mazava ry soanja manjakely a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0423