FETY SY FIHAONANA 20 octobre 2007 (vaovao farany)

1. naritsimba ( 18/10/2007 11:43)
Raikitra izany fa dia hatao ilay fihaonana izay karakarain'ny namana serasera dago ka izao manaraka izao ny andinindininy :
*Daty : Sabotsy 20 octobre 2007
*Toerana hanaovana ny fihaonana : eny Ambatolampikely Route Ambanitsena en Face Café d'Ampasimbe lalampirenena makany Toamasina iny mora hita kely.(PK 20)
*Fiaingana amin'ny 10 ora maraina sy amin'ny 12 ora tolakandro eo anoloanan'ny vavahady be Stade Mahamasina
*Misy fiara hitatitra eo
*Fandraisana anjara 5.000 Ariary miampy boisson GM iray, raha toa ianao tsy manana dia aza misalasala fa vonona ny handray anao foana ny namana-serasera.dago.
*Samy mitondra ny fitaovana hihinanany sy hisotroany;
*Ny sakafo sy ny saran-dalana dia efa ao anatin'io fandraisana anjara io

*Araky ny efa mahazatra dia hisy ny fety ary ny fihaonana hifampitafatafana ary koa tsy adino ny brochette party !
*Ny ora fodiana dia amin'ny 17h00
Koa manentana ny namana serasera eto Madagasiakra indrindra fa isika eto Antananarivo mba ho tonga fa amin'io no hamaritana indray ny hetsika hatao manaraka toy ny fambolen-kazo sy ny activité sasany izay ilàna ny hevitry ny maro.
Ireto misy laharana finday azonareo antsoina raha mila fanazavana ianareo
0320416886 glou
0320459118 ravatorano
0331260987 voahirana
0331195900 blanche

Izay zany fa dia manantena ny fahatongavatsika maro o

Ny mpikarakara

novalian'i fijo ny 13/11/2007 22:15
2. naritsimba ( 18/10/2007 11:50)
Io izany dia fanapahan-kevitra noraisin'ny mpikarakara noho ny fangatahan'ny namana maro, indrindra ihany koa noho ny fahitana ny fahasahiranana, koa dia nisy ny hevitra izay hanamaivanana ny fahafahan'ny rehetra mandeha.
Dia manantena ny fahatongavan'ny maro.
Iangaviana isika izay efa nivonona ny andeha @ 10ora mba ho tonga @ io ora io ihany mba hahamora ny fandaminana.

Tongava daholo e!

Naritsimba



3. ravinalah ( 18/10/2007 12:32)
Manao ahoana daholo indray ny namana rehetra e.
Naritsimba a,eto daholo ny ambin'ilay sary tsy hita tany Mahajanga e. Tsy maninona na hentinareo hatramin'ilay fitoerandambozia sy labozia sao misy delestage any amin'izay tsy simban'ny fety e,hahaha . Tongava maro ry reto a .
4. glou ( 18/10/2007 13:31)
dia manantena anareo ho avy be dia be izahay mpikarakara satria efa natao izay andehanan' ny be sy ny maro fa tongava na tanam_polo ary fa ny antsika ny fiarahana no zava dehibe fa na izany ary mitondra fitaovam_ pihinanana , dia raha azo atao dia mba miantsoa alohan' ny zoma hariva anomanana ny fiara sy ny isan' ny olona hihinana sao dia tsy ampy na lasa be loatra ny sakafo homanina , dia hisy surprise any ka dia manentana foana eh
glou_:D
5. Darlin ( 18/10/2007 13:36)
Marina izany e! fa dia manentana ny rehetra zay afaka na ny eto an-toerana na ny any alavidavitra sns e! zay afaka dia tonga soa daholo.:D
6. ravatorano ( 18/10/2007 14:08)
za ho avy eeeeee
fa za tsy tafa raha amin'ny roa ambiny folo zany fa za ilay amndeha voalohany amin ny folo
tongava maro fa efa natao indroa mihitsy zany ny fiaingana e
:wink:
7. carena ( 18/10/2007 14:09)
:)
salut daolo nareo ao am serasera
voaray ny fanentanana ataonareo , am le fihaonana ny 20 oct , za ao am serasera fa aty ampita, vo hainagana membre , indrisy tsy afak ho any am nio
te ahafantatr za oe in sy in avy ny atao am io fihaonambe io e,
mahafinaritra ve serasera atrizay ry reto sasany ,
zay fa misaotra de veloma daolo
8. ravatorano ( 18/10/2007 14:40)
carena
9. fijo ( 18/10/2007 19:07)
carena an,mandehana aloha dia ahita enao avy eo
10. sasa ( 19/10/2007 04:26)
izay mintsy no tena hitiavako an'ireto sefonay ireto, mahita solution foana am rehetra izay misy eo, siora foana e! milay be io fiarahana io an!=D=D=D=D:-*:-*:-*:-* tongava maro e!
11. fijo ( 19/10/2007 19:18)
hoavy kaaaaa
12. cutie ( 19/10/2007 19:26)
miandry sary fotsiny zay sisa :lol:
13. fijo ( 19/10/2007 19:31)
ao fa handefasako ndry e
14. cutie ( 19/10/2007 19:37)
tandremo aza:-w:-D
15. melody ( 19/10/2007 19:39)
cutie: ataondry inn daholo izany sary hangatahina rehetra izany kity?:wink:
16. cutie ( 19/10/2007 19:42)
hijerevana fotsiny we iza avy no ao @ le fety koa:-D
17. melody ( 19/10/2007 19:49)
nga hono hisy presentation?
18. cutie ( 19/10/2007 20:02)
tsy ho hisy ve :roll:
tsy haiko fa za koa androany vo nahalala we misy fety koa:-D
19. melody ( 19/10/2007 20:14)
ho avy izany indry, rahampitso ange izany e:-D
20. cutie ( 19/10/2007 20:21)
ie raha misy maka @ jet prive e :-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3879