Fiaraha-monina

1. salmo1 ( 17/10/2007 20:39)
Ny mpiserasera dia misy fiaviany amin'ny toerana tsirairay. Misy ny avy any Madagascar sy ny firenena samy hafa.
Malgache daholo kanefa tsy mahay mifanaja sy mifanaraka indraindray.

Matetika hitako ny sasany manaratsy na manao izay hihomezan-dratsy amin'ny namana sasany mitovy aminy, olona samy malgache ihany anefa ry zareo no mianatra mpifaha8. (oh: ireo izay manao dinika manokana any: tsaramaso sns... sy izay mitady hevitra ratsy ho any jeankely sns,...).

Tena tsy hitako izay tombontsoa azony sasany @ fanaratsihana any sasany. Mazava wazy fa ny tsirairay dia samy manana: ny aretiny, ny fombafombany, ny toetrany, toekarenany sns...

Averiko indray: Raha malgache ianao? manana fahendrena, fahalalana, olona nianatra nandalo Univercidad sy sekoly maromaro...¿ De tsy hainareo ve ny manala olana:?: fa tao hezahany sasany indray ny mampiditra olana. ¿izany ve no hatao oe: Malgache manana fahendrena:roll: De tsara ve izany @ maha Malgache antsika. Zany ve no fitaratra ho entina aty ivelany?

Matetika koa izay voasoratriny sasany ato @ dinika dia zavatra tena miatraika aminy fiainany manokana ihany, fiainana tena hiainany.

Tsy eto @ serasera ihany no mitranga izy ity... fa ao amin'ny firenena frantsa... zay misy gasy bdb no tena hisiany fanaratsihana @ samy malgache. aty Espane moa tsy de misy malgache ka tsy fantatro ny tena fandehany. Misy mitaraina maintsy aty amiko fa ny Malgache mipetraka ao Marseille, Nice, Paris sns... dia betsaka no tsy mifankahazo. ¿de zany tokoa ve?¿marina ve zany?

Tsarovy fa ity [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Drapeaux/madagascar.gif[/IMG] daholo isika, na dia tsy manan-jo hipetraka amin'ny fihaviany aza ny sasany. ok?
;-)

novalian'i Jeankely ny 31/10/2007 09:07
2. xxx ( 17/10/2007 20:42)
Io ary fa hanarin'ny tanora daholo ianareo ô!
Mifankatiava ihany e!
3. cutie ( 17/10/2007 20:49)
Tena tsy hitako izay tombontsoa azony sasany @ fanaratsihana any sasany. Mazava wazy fa ny tsirairay dia samy manana: ny aretiny, ny fombafombany, ny toetrany, toekarenany sns...

to get attention
zay ny tombontsoa hitako @ le oul tary @ le forum vavolombelona 1 tary zay :-D
4. xxx ( 17/10/2007 22:03)
ny gasy ranamana dia gasy foana a , tsy ny toerana hipetrahany aty akory no milaza inona , fa gasy foana iny e , efa ao aminy io e !
5. Jeankely ( 18/10/2007 01:45)
Miala tsiny fa voatonona ny Solonanarako. I Jeankely tompoko dia MALAGASY avy any Madagasikara ary tsy fantatro ny dikan'izany malgache-nao izany. Ny fifandonana dia misy ilaina azy raha serasera sahala izao satria tsy mifankahita mivantana ka na mafy aza ny resaka afafin'ny namana dia tsy maintsy misintona ny sainao handinika rehefa andray ondana hatory ianao ohatra. Adalan'izay tsy mivoatra ary mihevitra ny tenany ho eo @ toerana havo satria miova hatrany ny fomba fisainana sy fijery ny zava-misy. Marina fa tena betsaka ny mora voadona satria tsy zatra ny mifanerasera @ mafy loha noho izy. Rehefa misy MOTIVATION ianao dia azonao raisina Positive daholo ny rehetra. Aleo hitorajofo hanadiovana azy ary miseho ny marina @ farany.
6. ikaretsaka ( 18/10/2007 03:29)
ekena...
ilaina ihany ny gasy domina kely indraindray mba haha motive azy, fa tsy heo vao voakapoka kely dia konetaka foana.

raha misy miteny salmo hoe zazah dia jerena ny maha zazah aloha fa tsy tonga de hi complain be
dia Malagasy na Gasy ry salmo fa tsy zany Malgache izany an.. tsy teny Gasy izany:D
7. bozyboleta ( 18/10/2007 04:09)
Marina daholo zany ry reto a!
Misaotra an'i Salmo nanome ireo fanamarihana ireo fa za koa tena mahita.
Raha pohina mba hahatonga saina sy hampieritreritra moa maninn fa ny an'ny sasany defa fanebahana, fanaratsiana sy fankahalana mitsy hanaovana tantara be avy teo.
De tsy eo tsony le fijery mahitsy (objectivity) fa vao mipoitra ny dinika ka i ann no eo, de lasa @ angady sy ny harona manohitra fahatany an'iny fotsiny.
8. Jeankely ( 18/10/2007 07:17)
Ka na hevitra mitovy izao aza dia tsy tia hanaraka ny efa voalaza fa milaza mahita hevitra vaovao. Rehefa marina dia marina ary rehefa diso dia diso na mankarary fo io na mampitomany.
9. naughtyboy ( 18/10/2007 18:10)
ie,na ny marina aza tsy azo itompoana teny fatratra
fa i salmo nga resy lahatra oe malgache fa tsy malagasy na gasy intsony:°)?
10. xxx ( 19/10/2007 02:00)
[size=19px]Malagasy ianao malagasy
malagasy ny razanao
gasikara no taninao
teny gasy no teninao
randra-droa no bangonao
salaka no lambanao
malagasy ianao
malagasy ianao tamizany.

Mitsiriritra ny fiainambazaha
dia mivady ny samy lehilahy
mpivarotena tsy hita isa intsony
hatramin'ny jôba mifoka rongony
ny teny amizany dia teny fran-gasy(espagnol)
zara raha miasa ny teny malagasy
fa andrianina ny teny vazaha
¿buenos días ti, cómo eso va?[/size]
11. Jeankely ( 19/10/2007 04:20)
Misy tsy ampy betsaka satria tsy ny Malagasy ihany no nandalo Salaka ary nanao randrandroa. Rehefa mivoatra dia samy miezaka ny ahafahany manao ny asany ary aza adino fa tsy ny Malagasy no mivady samy lehilahy na samy vehivavy fa fomba asisika alelntika ao antsaina io. Ny fitenenana Teny vahiny tsy midika fanariana ny tenindrazana fa ahafahana mifandray satria tsy ampy raha mijanona @ fomba taloha fotsiny nefa ny taona efa 2007. Tena vahiny no miasa @ internet fa tsy teny Malagasy ohatra. Izay manary ny maha-Malagasy azy ary mihevitra azy ho vazaha no hafahafa.
12. salmo1 ( 19/10/2007 09:30)
xxx: =D=D
13. tsaramaso ( 19/10/2007 09:48)
[size=23px]kaleeehhhhhh !!!!![/size]
14. naughtyboy ( 19/10/2007 10:19)
:-D:-Dxxx(fran-gasy)espagnol kay lery:roll:
15. xxx ( 21/10/2007 22:31)
io mandatsa sy latsa io fomban'ny gasy tsy manana argument e! aza gaga amin'izany fa fombany io rehefa tsy zakan'ny sainy ilay revy.
16. naughtyboy ( 23/10/2007 17:09)
efa misy fanambarana less ao aloha ao ry xxx fa tsy latsa na madatsa tsy mazava aminy lery ny identity ny malagasy tsisy fangarony (tsisy tokony idirany argument :-D)reviny zany de zay fa tsy oe refa voadona kely ozy ika zay de mikoretaka:-P
17. sarobidy ( 31/10/2007 08:43)
tsy ny malagasy rehetra kosa io an!
18. Jeankely ( 31/10/2007 09:07)
Fa angaha tena tafiditra no milaza hoe voalatsa. Raha olona avy nanao ratsy voan'ny tody ary averin'ny sasany resahina ny nataony dia izay no LATSA. Na zaza tsy mianatra tsara tsy mifindra tenenina hoe mandehana milalao foana dia afaka sady mahaibe koa mahatsiaro voalatsa. Ny olona miaina ara-dalana tsy mahare mihintsy fa misy latsa ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1597