Aoka hanantona ny Tompo e ia!

1. soanja ( 16/10/2007 01:33)
Sao mba misy mahatadidy an'ilay hira Katolika hoe:

Aoka hanantona ny Tompo e ia,
Aoka hanantona ny Tompo.
E ia, e e manantona isika izao mangetaheta.

Ny fitiavany tsy manakavaka e ia.
e ia eee manantona isika izao mangetaheta...."

Misaotra mialoha. Tiako be io hira io. :-*:-*:-*
Aoka hanantona lalandava ny Tompo isika!
Fa Izy hanome tanana antsika ao anaty rivomahery.
répondu par fijo le 16/10/2007 20:58
2. ikaretsaka ( 16/10/2007 03:19)
tsy hoe \"Tsy manavaka\" izany ry soanja fa \"Tsa magnavaka\" an

fiv:Aoka hanantona ny Tompo e ia,
Aoka hanantona ny Tompo.
E ia, e e manantona isika izao mangetaheta.

Ka hanovo Rano an-kafaleana e ia
magnatona \'sika zay mangetaheta

Andoharanom-pamonjena tsa mety ritra e ia
magnatonaa isika izay mangetaheta

Ny fitiavany tsa nagnavaka e ia
magnatona isika \'zay mangetaheta

ka hanetsaka ny fiainana tontolo
ka tsy hist hampanhetaheta intsony

3. kally ( 16/10/2007 08:09)
Mba tsy haiko ity hira ity kah!

Tsetsatsetsa tsy aritra mba zaraiko aminareo fotsiny rankizy a! manantona: fototeny : hantona oh: mihantona eo @ fantsika ny harona, ka aza hantoninareo ry reto ny Tompo a!:lol: fa izahay koa mba [size=14px]te hanatona[/size] Azy!:wink:
4. booboo ( 16/10/2007 10:06)
ny fanitsian'i Kally no lasa aloha nefa zà efa maika ny hanantona anareo mihitsy @ io fomba fanoratra io hihihihi.
5. tsiafoi1 ( 16/10/2007 10:15)
Mety tokoa le manakaiky ny Tompo fa raha lavitra lasa babon'ny Satana, ka awoana aza no atao raha te hanakaiky azy e?
6. soanja ( 16/10/2007 13:04)
kally:

Mba tsy haiko ity hira ity kah!

Tsetsatsetsa tsy aritra mba zaraiko aminareo fotsiny rankizy a! manantona: fototeny : hantona oh: mihantona eo @ fantsika ny harona, ka aza hantoninareo ry reto ny Tompo a!:lol: fa izahay koa mba [size=14px]te hanatona[/size] Azy!:wink:

Marina izany.
Hanatona ny fiteny raha hamonjy sy hanakaiky azy.
Ary hanantona kosa raha apetraka amin'ny rindrina na asampy amin'ny tady.
Misaotra mampatsiahy ny teny gasy marina. :-*

7. soanja ( 16/10/2007 13:07)
tsiafoi1:

Mety tokoa le manakaiky ny Tompo fa raha lavitra lasa babon'ny Satana, ka awoana aza no atao raha te hanakaiky azy e?

Ampanetretena tanteraka no hanatonana Azy. Vonona ny hihaino sy hanaraka ny torolalan'ny fanahy ary fifantohana Aminy ao ampo sy saina. :-*:-*:-*

8. ikaretsaka ( 16/10/2007 15:50)
soanja.. fa misy tsara ange ilay hira ireny e.. indraindray tena hirahira no tsara sy mampieta-panahy koa, sady efa voalazan'ilay hira ny hafatra tian'ilay toriteny ambara... sady ny mihira anie mivavaka in-2 e
izay no mahatsara ireny hiran-damesa gasy ireny !:wink:
sady arakaraka ny ban-kiran'ny tsirairay, manomboka any @ ba gasy ka hatrany @ salegy sy tsapiky ka hatrany @ jazz sns.. ny kimpantsona be sy ny orga sy ny hira tradisionaly tsy adino...
9. soanja ( 16/10/2007 16:26)
ikaretsaka:

Ara saika hadinoko ny nisaotra an-dranadahy tamin'ny tononkira. Misaotra indrindra an. Tany Diego mantsy zah no nihira an'io de tsy nihevitra mihitsy aho fa hay hiranay avy any Betsileo le izy. Misaotra an!:-*:-*
Marina mihisty izany. Tonga de mahazo fahasoavana dobla mihitsy amile hira ka. :-*:-*:-*:-*

10. fijo ( 16/10/2007 20:58)
ao fa za hanantona anareo rehetra e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0553