MILA VONJY KA TOMANY @ FO

1. voniala ( 15/10/2007 09:07)
Laainga rah misy olona mijaly eo @ sehatry ny fitiavana ka ahavita manoratra na misentosento lavareny.Asa rah tadidinareo lay dinika nalefako iny:"MAFY REHEFA TIA KAH!".Mola ao anaty ady tanteraka ny fanahiko ankehitriny.Mila tsy ho zakan'ny saiko intsony ny fanejehina any roa;efa mipoitra aza ny ozona isankarazany izay efa nahiko.MATY AHO RY 'RETO FA NOSAKANANA TAMIN'NY SAKAFO MAMIKO AH!hafatra hatolotra ho an'ireo mbola tsy manana olon-tiana:mahaiza maka izay mitovy finoana @tena,saranga,...fa mafy ny mahazo ahy ity:(!!!Ankihitriny mantsy efa tsy nyfitiavana eo @samy mpifankatia intsony no arahina fa ny an'iRD sy FM.Mafy izany hoe finoana no ampisarahana ny olon-droa.Tsy afaka ao an-tsaiko ny hoe:"musulman sy katoliaka hono tsy afaka miaraka rah tsy hanara-bavy zah"hoy ny Ray aman-dreniny!DE hoy koa ny ahy:"aza maka ny tsy sahaza ry anaka a!"DEhoy izay roa hoe:MAFY REHEFA TIA KAH...Tompo o!Ampio izahay...tsy maintsy hanohy ny lalanay izahay ICH Allah!
novalian'i ramna ny 11/11/2007 15:19
2. irintsoa ( 15/10/2007 10:58)
de mahereza ry Vonila aaa, atrakao ny loha fa lahielahy ny tena e:D
3. diamondra27 ( 15/10/2007 11:10)
voniala: mahereza e!
"à chaque histoire d'amour il y a tjrs du chagrin"

tsaratsara kokoa aloha raha olona mitovy finoana no iarahana saingy ny fitiavana rehefa tonga dia tsy hay sakanana.
Ale dieny izao ianareo no misaraka toa izay rehefa tafiditra ao anatiny.
Mbola lavitra n lalan-kaleha ao manko fa tsy vitan'ny hoe: mifantaiana ianareo 2 de vita.

Misy resaka fianakaviana
resaka zanaka any aoriana
resaka education ny zaza sy ny finoany
sns sns izay tsy maintsy jerena lavitra alohan'ny hanambadiana fa tsy vitan'ny hoe: tiako ity olona ity ka ho zakako ze hiseho. Rehefa tonga tokoa ny tokoa de @izay trop tard tsy afa-miala intsony fa voan'ny nenina ianao.

Conclusion: aza raisina ratsy izao mahazo anao izao fa ataovy lesona @ manaraka fotsiny hampandroso. Maka aina tsara dia aza kivy fa any ho any ilay tena taolan-tehezanao fa mahandrasa.
Zavatra niainako izany ary zaraiko ihany koa.
4. ravox ( 15/10/2007 13:41)
aza kivy @zany fa tsy anjaranao izy matoa mbola misy zavatra afaka nanakana ny fiarahanareo eh!aza kivy fa any ho any ny anjaranao fa tsy izy zany eh!zay eh!mahereza eh!
5. xxx ( 15/10/2007 14:33)
efa niresaka finoana ve ianao sy ny sipanao sa?

amin-dry zareo mantsy Jesosy dia tsy Kristy.
6. rastafarai ( 16/10/2007 02:39)
Zaako aza tsy manana na musulman aza!zaako no tena mijaly...
7. soanja ( 16/10/2007 13:19)
Diniho tsara fotsiny ry Voniala hoe vonona ve ianareo hiroso amin'ny lalindalina kokoa ka hanao ny fanambadiana nefa tsy hiraharaha ny manodidina ary indrindra ny fianakaviana izay nanabe sy nahatoy izao anareo.

Diniho tsara fa ny ana-dRay aman-dreny dia toy ny tsipakombalahy. Tsy hanolo-bato mafana anao ireo nipoiranao fa matoa izy manome torolalana dia satria ny maso eo imasony no tiany hanananao. Ny ho avy foana no tsinjovin'ireo nahitanao masoandro. Efa nandalovany ny atao hoe fiainana mifangaro fitiavana matoa izy mananatra.

Ny fanahy no tokony hitari-dalana antsika fa tsy ny fo. Rehefa mivavaka dia aza hadino mametraka ny fitivanao eo ampelatanan'i JESOA. Izy irery ihany no hanome anao ny mazava.

Henoy tsara ny fepetra avy any amin'ny havany , raha toa ka sty vitanao ny fitakiana dia mahaiza mamela azy na mitsodrano azy.

Tsy ny fitiavana rehetra akory no mifangaro amin'ny fahendrena. Misy ny fitiavana mamono. Vao manomboka dia toa efa sahiraniny ianao zany!

Soraty amin'ny taratasy ny zavatra tsara sy ratsy na fiodin'izay mety ho firaisanareo. de diniho hoe iza no mitanila matanjaka. AZA HADINO NY TARANAKA! Ento ambavaka ny rehetra!:-*:-*:-*:-*
8. xxx ( 18/10/2007 20:01)
Raha ny fahazoako azy dia efa tapakevtr ny hiroso ianao izany nefa tena zavadehibe eto ny finoana an tsy samy kristiana fa ny iray silamo sady izay indray ndry vehivavy.Tena henoy Dada sy Neny fa marina be nyazy tsy misy fisalasalana ny ahy aleo malahelo roa telo taona toy izay hitondra faisana mandrakizay "Aza mety asiana zioga tsy antonona anareo hikambananareo @ tsy mino....."
Mahereza indrindra ,mahaiza misafidy !!!!!
9. rakikssa ( 18/10/2007 20:06)
: Re : FAFAO NY RANOMASO DIA MIJERE!!!
Raha ny fahazoako azy dia efa tapakevtr ny hiroso ianao izany nefa tena zavadehibe eto ny finoana an tsy samy kristiana fa ny iray silamo sady izay indray ndry vehivavy.Tena henoy Dada sy Neny fa marina be nyazy tsy misy fisalasalana ny ahy aleo malahelo roa telo taona toy izay hitondra faisana mandrakizay "Aza mety asiana zioga tsy antonona anareo hikambananareo @ tsy mino....."
Mahereza indrindra ,mahaiza misafidy !!!!!
10. tsiafoi1 ( 26/10/2007 14:24)
Ireto telo ireto no mitoetra FINOANA - FITIAVANA - FANANTENANA fa ny FITIAVANA NO LEHIBE INDRINDRA
11. ramna ( 11/11/2007 15:19)
mafy zany mahazo andranamana zany. Aza mirotsaka amin'izany mihintsy re ianao fa tsy ho tafavoaka velona eo.
Vitsivitsy ny namako lehilahy naka tavaratra fa ranomaso sisa no sotroina. Ny zanaky ry zareo vavy no vadianao dia izy mianakavy no tsy maintsy loloavinao. Eritrereto tsara aloha e.
Mangalà gasy na vazaha fotsy ary raha protestante sy katolika koa afaka miaraka tsara.
Ny fitiavana koa anie azo afindra e. Raha tsara ny tany aniriany dia ho vanona tsara izy.
De mahereza e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3008