Pretra vazaha miteny gasy

1. Bita ( 14/10/2007 23:38)
Nisy mompera efa nipetraka ela teto Madagasikara ary efa nahay niteny gasy tsara saingy noho ny maha mopera azy dia tsy mba nianatra ireny teny ratsy ireny izy ary tsy nahay na teny maloto iray aza. Nampiasa olona tsy mpivavaka izy t@ hanangana ny fiangonana ary matetika izy no mba miaraka @ ireo mpanangatrano na mikontrol matetika ireo mpiasa satria tiany ho vita tsara sy haingana ilay fiangonana. Ireo mpiasa moa rehefa miasa dia miresaka saingy rehefa ohatra miantso na manolotra biriky na mangataka fittaovana ry zareo dia tsy mifampiantso @ anarany fa toy ny olona rehetra: (e! lay Kimamaniny ity a, omeo aty iry angady iry na hoe ity ilay Kitaboziny ity sy ireo teny ratsy rehetra misy) Rehefa tafatsangana tsara ary ny fiangonana dia nasaina koa ireo mpanangana ny trano ary hoy ilay Pretra hoe: Misaotra an'i "Kimamaninity sy i Kitabozinity sy Kindindreninity izay nahatsangana ity fiangonana ity isika...........:-D:-D:-D:-D:-D
Dia mba tsy nanontany mihitsy ve ilay Mopera vazaha hoe iza ny anaran'ireo mpiasa na hoe inona izany dikany lazaindry zareo izany?? Kay heveriny hoe izay no surnom an'ireo olona..... Aleo ihany hianarana daholo ny fiteny rehetra rehefa antananan'olon'e!
novalian'i mbaliana ny 15/10/2007 19:18
2. mbaliana ( 15/10/2007 09:49)
ny azy tsy nentiny hanompana fa nentiny tamin'ny fahitsimpo koa...
tadidiko tsara tamin'zah mbol atany dago tany amin'ny université 1ère année dia nisy komorianina vavy iray niaraka nianatra taminay dia nampianarin'ny ankizilahy 1 teny ratsy manompa fa nony avy eo naveriny tamin'ilay ankizy nampianatra azy mihitsy le izy...sady sosotra lery no toran'ny hehy .. te hanao aminy eo koa...
3. simplex ( 15/10/2007 10:13)

mbaliana ve mahay manopa @ teny frantsay? :P
4. Veloo ( 15/10/2007 16:58)
:-D:-D:-D:-D
5. mbaliana ( 15/10/2007 19:18)
simplex> za tsy mahay teny frantsay...:lol:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4789