Nitombo ny fifankatiavanay

1. guittarras ( 12/10/2007 11:05)
Bonjour dôly,
Zao ry reto a!
Manana olon-tiana aho nefa toa tsy mahazo miaraka hono izahay.
Tantara mbola tsy nanomboka kanefa nety tsara tao an'eritreritra de refa hatomboka indray izy de lasa misy sakana.
De raha afaka ny hamaly ahy amn fo madio ianareo de aza misalalsala fa hotantaraiko aminareo hatramin'ny fiandohany ny tantara.
Malahelo anie zaho zany e!
Mila torohevitra aminareo.
Misaotra mialoha.
novalian'i tywa68 ny 14/10/2007 08:43
2. paris10 ( 12/10/2007 11:37)
manahirana ny hanampiana anao satria tsy fantatra akory ny tantara, sa ankamantatra ty:?::?::?::?:
3. ari.malala ( 12/10/2007 11:49)
tantarao alou d hita ny anampiana anao e!
4. xxx ( 12/10/2007 12:45)
ianao aza to tsy mpikambana ato akoriny ,d aona no nahafahanao niditra?8O
5. guittarras ( 13/10/2007 04:53)
misaotra anareo aloha mba intéressés tamle tantara fa zao le izy, efa niaraka zay tany aloha de tsy mbola nahalala oe tsy afa-niaraka, nefa efa 7 ans taty aoriana vao omaly izany de zay vao fantatray oe notre relation est interdite satria oe iray fiaviana izahay, nefa anie efa mieritreritra ny hifanambady izahay e de zay vao fantatra ndray oe fady e. De zao anefa no tena loza oe, lasa mifankatia be nohon'le teo aloha izahay.
Inona ary no azonay atao e?
6. lanto ( 13/10/2007 05:28)
Amin'ny fomba malagasy misy ilay fanalana fady, atao toy ny biby nareo d afaka mivady.
7. tywa68 ( 13/10/2007 07:53)
ahoana koa zany ry lanto ?
8. misento ( 13/10/2007 11:36)
Fa angaha dia tena akaiky mihitsy izao fihavananareo izao? raha fihavanana par alliance fotsiny mantsy dia tsy hita loatra ny problème hifanambadianareo.
9. lanto ( 13/10/2007 12:02)
tywa> tsy haiko tsara fa amonoana omby de saromana ny hoditromby ao izy mitsam de horahina de ... tsy haiko e :-p
10. tywa68 ( 14/10/2007 08:43)
ok !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2759