izahao toetra ny tenanareo

1. Kwasi ( 12/10/2007 10:55)
Mba mitady fanazavana an'ity teny ity avy @nareo kristiana mpiserasera:

2Kor 13:5 : Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina hianareo?

Ahoana ny fomba izahana toetra ny tena?
novalian'i prime ny 17/10/2007 12:16
2. tsaramaso ( 12/10/2007 16:24)
Ahoana ny fomba izahana toetra ny tena?

Tsisy mahay le !!!!! hahahahahahaha !!!!!
3. fijo ( 12/10/2007 20:02)
manaova fandinihantena e,izany ve de mil atorolalana avy ao anaty baiboly indray koa vao hoay?
4. xxx ( 12/10/2007 20:33)
Mila maka fotoana mangina samirery ny tena. Mipetraka manoloana an'Andriamanitra. Ny tena mahalala antsika manko dia izy.
Anontanio ny tenanao hoe:
Iza aho, ho an'ny hafa?
Iza aho, raha izaho no mijery ny tenako?
Ary farany, iza aho, ho an'Andriamanitra?

Hanampy anao hamaly ireo fanontaniana ireo dia ivereno vakina ny tantaram-piainanao hatramin'ny fahakely.

Tsara raha sorata izay vokatry ny fandinihana nataonao.

Aza adino ny mangataka ny fahazavan'ny Fanahy masina hanampy anao.

Ho aminao hatrany anie ny fahasoavan'Andriamanitra. Amen
5. fijo ( 12/10/2007 20:34)
ary antra ve nanao XXX ko,
6. tsaramaso ( 12/10/2007 23:44)
kwasi:
Ahoana ny fomba izahana toetra ny tena ?


- ahoana no izahana na volamena ity na plaqué ????!!
- ahoana no izahana na volamena na varahina ???!!!!
- ahoana no izahana na tena vola na faux billet ??!!!!
- ahoana no izahana fa cocaine na vovo-dronono ????!!

Ahoana no izahana na ao anatinao i Jesoa Kristy ???!! Raha sedraina amin'ny afo ve ny finoana de ho levona sa ????!!!!!!!

Fa le hampiharana azy amin'ny tena !!!!! hahahahahh !!! tsy manan-kavaly an'izany i tsaramaso le !!!! fa ahoana ozy nataon'le bandy niteny an'io ????!!!!!!
7. cutie ( 13/10/2007 00:30)
Mpandefa : Kwasi [ Valio ] 12-10-2007 12:55:38
Lohateny : izahao toetra ny tenanareo
Mba mitady fanazavana an'ity teny ity avy @nareo kristiana mpiserasera:

2Kor 13:5 : Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina hianareo?

Ahoana ny fomba izahana toetra ny tena?


Mpandefa : fijo [ Valio ] 12-10-2007 22:02:11
Lohateny : Re : izahao toetra ny tenanareo
manaova fandinihantena e,izany ve de mil atorolalana avy ao anaty baiboly indray koa vao hoay?

sarotra be zany
aona ny fanaovan'i fijo azy :-D

8. Kwasi ( 13/10/2007 11:44)
Samihafa aloha amiko ny hoe fandinihan-tena sy ny fizahan-toetra e.
Ny fizahan-toetra dia fitsapana na test, izany hoe misy olona iray na entite iray mampanao ilay test ahitana hoe hatraiza ny niveau @ ilay sujet.

Ohatra, raha misy te hizaha toetra ahy @ fijangajangana ohatra dia mety hitondrany sipa bomba vitsivitsy ao an-trano, na hoe somary entiny mankeny @ Indra dia ataony izay hahalavo ahy.

Fa ahoana kosa ary ny omba atao raha izaho ihany no mizaha toetra ny tenako. Ho-provoquer-ko ve izany hidiran'ny ota ato amiko hijereko na mafy aho na tsia?!?:?:
9. soanja ( 14/10/2007 05:43)
Raha ny fahitako an'io ry Kwasi an dia mila fantarina hoe Iza moa i Jesoa? Inona no mba hafatrafany tamintsika momba ny tenantsika. De ampitahaina izany raha tamin'ny teotra nentiny nanaparitahana ny fitiavan'Andriamanitra antsika.

Io toetra io no tokony jerena na tarafina na fantarina raha misy ao aminao ary manantanteraka azy ianao.

Ny fomba ahafahana manao izany anefa dia tsy misy afa tsy amin'ny fandinihan-tena. Inona no momba ahy ary aiza no tanjoko, inona no efa nataoko ary aiza no mbola ho lalako. Manao ahoana aho manoloana ny didy nomen'Andriamanitra ahy? Aiza ilay fanahy mpitaridalana? sns sns ...
10. prime ( 17/10/2007 12:16)
Kwasi> tena mitombina ny lazainao hoe samy hafa ny fizahàna toetra sy ny fandinihan-tena...

Fa saingy samy hafa ihany koa ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy...

Fa raha ara-pinoana, ny fizahàna toetra tsara indrindra dia ny fitarafana ny tenin'Andriamanitra miohatra amin'ny "atao" sy ny "finoana" ka izahàna raha tsara mifanaraka amin'ny tenin'Andriamanitra na tsia "ny atao" sy ny "finoana" (fa tsy ny "tena", fa raha ny "tena" dia izay ilay endrika fandinihan-tena iray voalazan'ny namana ireo ambony ireo)... ka izany no anohizan'i Paoly apostoly an'io teny notsongainao io hoe :

"Ary mangataka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay." II Korintiana 13:7
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3734