fitadidiana

1. Kwasi ( 10/10/2007 16:31)
Inona kay no fomba mahomby hikoloana ny fitadidiana (memoire). Inona avy no teknika ampiasainareo namana mpisera eto?
2. Papoose ( 10/10/2007 16:45)
-mandray note zay hita fa important
-manisy etiquette ny zvt ao an-trano (dia atao remarkable hitan'ny maso tsara @zay mijanona ao anatin'ny eritreritra foana le soratra, ohatra asiana couleur dia atao ngeza tsara, zah rahateo tia zvt ngeza:)) raha ohatra hoe lesona ohatra zany tiana hotadidiana @ fomba permanent ohatra de hitako tena mahomby zay)
-tsy mitahiry zvt betsaka tsy dia hitako hoe important @zay milamina sady malalaka be ny trano de mora hita zay voapetraka moa tadidy hoe aiza no nisy an'ilay zvt tsy hita
-alohan'ny hiala @ toerana ray dia verifiena daholo sao misy adino fa mandreraka raha sendra any an-tranon'olona ohatra ka maha-petrapetraka vera nisotroana rano na jus fotsiny! dia na ao an-trano koa aza!
-dia atao milamina b ny trano na ny birao dia @zay tonga dia hita zay tsy mipetraka @ toerany de sady mora ampirimina ndray izy avy eo!
-tsy mametraka zvt any ambany fandriana raha azo atao!fa adino any reny zvt apetraka any reny dia mety hadino ambakan'ny fisiany moa mety miteraka biby sy faroratra!

zay aloha zao no tadidiko fa mety mbola misy hafa ny ahy!
Andramo ihany raha misy mahasoa!:wink:
3. Herimiafina ( 10/10/2007 17:00)
Ny dingana arahina:
Décodage na famantarana.
Classement na fanasokajiana.
Stockage na fampirimana.

Ny fomba ampiasaina:
Ny maso sy ny sofina, fa tsy sofina irery na ny maso irery. :^):@
4. xxx ( 10/10/2007 17:07)
Toa miankina amin'ny zavatra tianao hotadidiana ny fomba hitadiavana azy. Angamba koa misy ny zavatra mora tadidinao kokoa noho ny zavatra hafa.

Izaho manokana ohatra dia mora mahatadidy raha vao misy resaka chiffres. Rehefa hoe anniversaires, na phone numbers, etc ireny dia mora tadidiko. Ny pin amin'ilay recharges ireny aza tadidiko ho azy eny. Rehefa concentree amin'ilay resaka fotsiny aho na izay ataoko dia tadidy :-D
Parcontre, tsy mba mety mahatadidy endrik'olona mihitsy. Raha tsy efa mifanerasera ela amiko tsy mety tadidiko hoe i anona iny (afa-baraka foana :oops:).
Raha toeran'ny zavatra ampiasaina (ohatra hoe lakle) dia mora tadidy kokoa rehefa apetraky ny tanana noho ny hoe atsipy fotsiny.
Raha anaran'olona no tiana ho tadidiana dia ny jeux de mots no mora hitadidiako azy.

Raha tena te hitravailler memoire dia mila mazoto mamaky boky. Dia tsy ny maso ihany no mamaky fa mamaky daholo ny maso, ny vava, ny sofina, ny saina. Ilain'ny memoire koa ny torimaso. Farany, ampiasaina daholo ny organes des sens hamaritana sy hanasokajiana izay tiana hotadidiana :-D
5. rush ( 10/10/2007 17:41)
ny fomba mahomby indrindra dia ny fampiasana ny atidoha @kilalao rehetra antsoratra, fitadidiana,ny torimaso ampy sy milamina dia manampy betsaka koa,ny vitamines rehetra tokony ampy tsara daolo,ny "persil" no tena tsy tapaka @ sakafo,ny fampiasana ny vatana koa manampy azy rehetra ireo,fiainana milamina alavitry ny fahakizitinana, fahatezerana indrindra indrindra, dia maozotoa e!mety daolo ny fanoroana etsy ambony hamerenana ny fitadidiana.
6. salmo1 ( 10/10/2007 18:28)
Kwasi:
Inona kay no fomba mahomby hikoloana ny fitadidiana (memoire). Inona avy no teknika ampiasainareo namana mpisera eto?

Reto misy hevitra:

- Matetika ny bandy rehefa raiki-piti de veri2 tadidy, misy mampalasa ny saina any ambadimbadika any de mahatonga tsy ao am-le zavatra ho hatao. Mila manana akama zany.

- Ny drôgy: Sahalany oe; mahay miresaka ery, sambatra ery, favôry sns... knefa lay drôgy no mibaiko ny ra sy ny ati-doha, de very ny tadidy. No droga.

- Manao programa, ny androany sy rampitso tsy vita, knefa ny eritreritra efa any amin'ny
RNS 2008 :lol: de mahatonga prôgrama bdb ao anatiny loha, de very tadidy. Aza manahy ny ampitso fa ny anio tsy fantatrao akory. (asa ra mety io fiteny io)

- Mila ho raisina an-tsoratra zay zavatra ho hatao am programa manaraka, satry ny lohan-tsika tsy mitovy ny memoriany Ordinador na machine hafa. Donc, mividiana kalandre de soraty isakiny daty ny zavatra tinao ho hatao.
7. simplex ( 10/10/2007 19:14)
voalohany indrindra aloha dia mila mi-concentre ianao, zay no tena essentiel. Ezaho ho visualiser-na foana le zavatra resahina na tiana hotadidiana.Manarak'izany mila methodique ihany koa. Mandray naoty rehefa zavatra important, sytematiq manao an'io. Ataovy @ agenda ny fandaharam-potoana, ny zavatra tsy maintsy hatrehana, rendez vous, sy ny sakafo @ olona, fandehanana any @ dokotera/dentist, fanaterana boky... Nena zao ataoko @ e-mail le izy, misy calendrier ao d efa ampidirina doly. D refa @ maraina tonga dia mandefa e-mail automatika izy hoe @ zao ora misy an'izao... Soraty anaty fichier, ny zavatra important tsy maintsy atao. Sokafana iny @ maraina hoe ireto avy no tsy vita omaly, mila atao androany fa ra tsy izany d tsy mahatratra deadline ohatra...

Resaka culture fotsiny ilay izy, mizatra tena tsikelikely enao fa lasa automatisme fotsiny ny zava-drehetra. Eny fa na ny misotro cafe aza... Ny zavatra sarotra ihany izany vao tena mila mampiasa saina tsara enao, ohatra hoe fianarana na hoe misy concept ilainao @ asa na otr'zany. Ireny indray dia tsy misy afatsy ny fahazoana azy aloha voalohany indrindra, avy eo ny famerenana azy matetika. Ra mpianatra indray d mila curieux, manandrana ny exercices tsy natao tany ampianarana, andramana @ ordi hoe mande sa tsy mande le izy, GIYF... tadidy wazy ny farany.
Refa elaela tsy manao an'iny d adino ihany fa @ izay fotoana izay mbola afaka mamerina ihany enao, ary tsy dia ho sarotra be intsony toy t@ mbola tsy nahazo an'ilay concept ianao...

8. Herimiafina ( 10/10/2007 22:33)
Le OEIL TEMOIN ireny leisy ry zalahy no mba tena tiako ianarana klé.

Mibango boky iray malaky be ry leirony tonga dia izay fanontanaina rehetra hanontaniana azy momba ilay boky avy eo hainy valiana daholo sady hitany page par page mihintsy sy ligne par ligne.

Ary ilisany ve mba mijery ilay serie hoe Sue Thomas iny e, ilay sipa marenina mpiasan'ny FBI, izay mamaky ny fihetsiky ny molotra ary mahafantatra izay zavatra resaha na dia eny alavitra aza no mijery? Gaigy an! :^):@
9. ikaretsaka ( 10/10/2007 23:18)
nisy dokotera izay nitaiza ahy dia ho'zy hoe rehefa zavatra important sy manaitra dia soraty. dia aza miasara amina bokikely
10. tsaramaso ( 11/10/2007 02:25)
Kwasi:

Inona kay no fomba mahomby hikoloana ny fitadidiana (memoire). Inona avy no teknika ampiasainareo namana mpisera eto?

tsaramaso !!!!!!! hahaahahahahahahaha !!!!!!

11. Rasiligaoma ( 11/10/2007 04:46)
ny tsaramaso atao solona batonnets taloha rehefa mianatra manisa
12. soanja ( 11/10/2007 05:19)
Kwasi:

Inona kay no fomba mahomby hikoloana ny fitadidiana (memoire). Inona avy no teknika ampiasainareo namana mpisera eto?


Raha ny amiko dia izay tena zavadehibe amiko no tadidiko. Tsy fantatro hoe misy teknika fa miasa ho azy mitazona izany ny saiko.

Miankina amin'izay zavamisy anefa no ahafahana mitadidy zavatra.
Raha hira dia ny toetoetran'ny toerana nihainoako azy voalohany aloha no miverina na averiko ao antsaiko vao tadidiko ny tonony. Inona no nataoko ary inona no tsapako tamin'izay.
Raha fianarana dia ny fipetraky ny soratra ao anaty kahie-ko sy ny loko isan-karazany nampiasaina. Ny zavatra tadidin'ny saiko voalohany rehefa nihaino azy aho teo ampianarana. Tsy afaka koa anefa ny fakana naoty isan-karazany, mifandraika amin'ny bullet points sy ny kintana sns . Iroe voalazan'ny namana etsy ambony: category, color codes, classification sy ny reminder emails.
Raha manana blackberry moa ianao dia tsara tokoa fa iio no hitako mety amiko.
Raha anaran'olona dia ny litera voalohany iatombohan'ny anarany no tadidiako afangaroko amin'ny tarehiny.
Raha fifangaroana isa dia izay fiainana ifandraisako amin'ilay isa no ametrahako ny focus de miverina moramora ilay izy (ohatra aniveriseran-dranona ny izao dia inona ny isa manaraka sns....)

Ary ankoatr'izay dia ny firesahana amin'ny vady ny zavatra tianao tadidina mba ampatsahivany anao ampitiavana.

Na izany na tsy izany anefa dia mihena miaraka amin'ny fitombon'ny taona ny fitadidiana. Koa ilaina ny yoga, lomano sy ny concentration mba hanamafisana azy , miaraka amin'ny sakafo superfood isan-karazany: isan'izany ny blueberry sy ny berries isan-karazany. Ny cocoa sy trondro ary ny omega 3 food rehetra.


13. Angolaina ( 11/10/2007 05:47)
ataovy ohatran'ny hira e! reny mantsy sady mora hay no mora tadidy ! andramo nge io e
14. Papoose ( 11/10/2007 06:36)
ka raha mbola tsy manambady?

dain za tsy mahay milomano nefa!

Hoy Ikaretsaka:
nisy dokotera izay nitaiza ahy dia ho'zy hoe rehefa zavatra important sy manaitra dia soraty. dia aza miasara amina bokikely


ie za koa mampiasa bokikely fa hitako mahomby:D
bokin-jiztoara!
15. pissoa ( 11/10/2007 09:35)
Herimiafina:

Le OEIL TEMOIN ireny leisy ry zalahy no mba tena tiako ianarana klé.

Mibango boky iray malaky be ry leirony tonga dia izay fanontanaina rehetra hanontaniana azy momba ilay boky avy eo hainy valiana daholo sady hitany page par page mihintsy sy ligne par ligne.

Ary ilisany ve mba mijery ilay serie hoe Sue Thomas iny e, ilay sipa marenina mpiasan'ny FBI, izay mamaky ny fihetsiky ny molotra ary mahafantatra izay zavatra resaha na dia eny alavitra aza no mijery? Gaigy an! :^):@

efa nisy dinika momba an'ireny teto ... fa misy zistoara kely mahatonga ny olona katraka be (be loatra) amin'ny lafiny sasany. Adona amin'ny poto hono ny loha dia mety ho tonga ohatran'ireny (anontanio i lapino raha mila fanazavana fanampiny) :-D:-D:-D
16. Kwasi ( 11/10/2007 09:41)
Misaotra anareo t@ valinteny matotra marobe.:-*
Izaho akory tsy hoe maty arika na hoe very tadidy fa izany hoe misy tranga indraindray miseho, dia mba lasa saina ihany ny ny tena.
Ohatra: andeha hanao na haka zavatra any @ efitra iray dia rehefa tonga ao anefa dia tsy tadidy hoe inn moa no saika hataoko ato, dia somary miverina kely aloha
17. fen2006 ( 11/10/2007 10:25)
slt hono ah n tsy fitadidina v mifandray amin aretina?
18. kallie ( 11/10/2007 10:26)
ty tsy aiko na efa vôporofo oe mety na tsia fa betsabetsaka iany ny ol itako oe mino azy : mery mihinana tongolo oignon milona na manta, mery mihinana sésame (lé graine kely reny na sakafo misy an'ireny)tô oe mi-stimuler ny fitombon'ny "case mémoire" ao anaty atidoa hono sady mahatsara circulation....
19. fahamarinana ( 11/10/2007 10:30)
Rasiligaoma:

ny tsaramaso atao solona batonnets taloha rehefa mianatra manisa


:arrow:exact,za zao no isan'ny asain'ny dadanay manisa tsaramaso taloha dia ovainy ndray ny isany dia tsy afaka mangalatra isa fa asa be aloha an.(l)(l)
20. fen2006 ( 11/10/2007 10:36)
Zah mbola saika nanary carte de crédit fa nanadino frais taty ampiasana :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1947