fanitsiana tonon-kira

1. ari.malala ( 10/10/2007 13:39)
Efa nalefako hafatra ihany fa angamba tsy voarian'ny tompon'andraikitra dia entiko eto. Raha tsy diso aho taloha ela be dia afaka manitsy tonon-kira izay nampiditra azy, ka mba miangavy raha azo atao, sao mba azo averina iny fanitsiana iny? Raha mety dia na tsy ny tena aza no nampiditra azy dia mba afaka manitsy raha mahita diso. Misaotra mialoha.
2. hery ( 10/10/2007 15:13)
Azafady fa tena adinoko ny namaly.

Tsy tadidiko hoe afaka nanitsy ve ny mpampiditra hira. Ao amin'ny tononkalo aloha no sahala amin'izany fa tsy haiko na tao @ tononkira koa. Be adino e.

Tsy mety ilay hoe na tsy ny tena aza no mampiditra dia afaka manitsy satria mety hisy handiso hanao fanahiniana indray ny zavatra marina ampidirinao.

Ny fomba fanao tet o dia hoe raha mahita fanitsiana dia afaka mandefa ny fanitsiana any amin'i lanto.

Andraso fa hifandamina kely izahay dia holazaina an'i ari.malala ny valiny.

Hery
3. ari.malala ( 11/10/2007 06:04)
hery, tsy misy tsiny ka :) ny adidy enjehina koa maro be:°) mazotoa indray ary fa dia miandry aho e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0892