Tsy mila resa-be

1. hery ( 09/10/2007 13:32)
Marina fa ny baiboly dia misy pejy anjatony... ny an'ny katolika aza moa mahery ny arivo...
Marina fa Andriamanitra dia lehibe tsy hita pesimpesenina...
Marina fa nomena hafatra ny kristianina hoe Ataovy tonga mpianatro izao rehetra izao, ary ilay izao rehetra izao ngeza ihany...
Marina fa mbola toa tsy mety ny fo :-)

Kanefa hoy aho (izaho ihany ve?) hoe

- Tsy mila resa-be ny tena fitiavana
- Tsy mila resa-be ny tena finoana

Dia tadidiko ilay novin'ilay olona iray izay, Md. Augustin, izay niaina t@ 350 tany ho any. Izy mantsy nanonofy nahita zazakely iray nandavaka teo amoron-dranomasina dia noezahiny nofenoina rano. Dia nony nanontaniana izy hoe inona ity ataonao? Dia hoy izy hoe ampidiriko ato anatin'ity lavaka ity io ranomasina io. Fa hoy ilay nanontany hoe ianao ve adala? Tsy ho vitanao mihitsy izany :-) (version-ko io) Dia novalian'ilay zazakely hoe: Tahaka izany koa ny ataonao miezaka mampiditra ny misterin'Andriamanitra ao anatin'ny lohanao.

Tsy voatery ho takatra daholo ny zavatra rehetra... ary izay nomampilay ny fiainana, le misy suspens :-)

koa izay e.

- Tsy mila resa-be ny tena fitiavana... ary ny finoana dia fitiavana sy fanehoam-pitiavana voalohany indrindray.

izay ny ahy... ho an'izay tia resa-be
novalian'i fijo ny 11/10/2007 20:40
2. xxx ( 09/10/2007 13:44)
- Tsy mila resa-be ny tena fitiavana
- Tsy mila resa-be ny tena finoana

Fa mila firaisana :wink:
3. ikaretsaka ( 09/10/2007 13:49)
efa resaka teto io an'i hery io, fa resaka baiboly izy tamin'izay!:wink:
fa marina mihitsy ka! (miombon-kevitra aho=isika izany/ sa zahay sy hery?) ary voiziko foana hoan'ny mpanao sola scirptura

xxx> ie mila firaisana, na ara-po na ara-pinoana:wink:
4. rabilabila ( 09/10/2007 14:09)
Tsy voatery ho takatra daholo ny zavatra rehetra... ary izay nomampilay ny fiainana, le misy suspens


Tokony ho fohanana izany ilay rubrique ve ? Ka tsy misy suspens intsony ange ilay fiainana ry Hery e!!
Izay no efa "revelé" ao amin'ilay marina bediabe lazainao etsy ambony iretsy.

:wink:

Raha misy olona hafa ary ve manana fomba hafa ankoatr'ilay efa voalaza ,tokony tsy hizara ve izy ? na hampintandrina ?
Mino aho fa tsy misy spesialiste n'inon'inona eto ,fa izay zavatra fantatra momba ny tontolo no ezahina hanazavàna ny hevitry ny tena ??

Raha mitovy daholo ny olombelona ry Hery ,efa tsy misy suspens ihany ,dia tsy hisy fifanakalozana intsony izany fa firaisana sisa :wink:
5. ikaretsaka ( 09/10/2007 14:16)
tsy foanana le rubrique ka.. rehefa takatra vao foanana:wink: satria miezaka manakatra aby antsika ko

manana fomba hafa izy: fa iny fombany iny ohatran'ilay ranomasina ao anaty lavaka
6. salmo1 ( 09/10/2007 16:05)
hery:
- Tsy mila resa-be ny tena fitiavana

:lol::°)
Ka lay fitiavana anie less, misy karazany bdb e, de tsy maintsy oe: misy hatao am resa-be ihany fa tsy mety ra vao hatao am resaka-kely, mampiakatra Tº maintsiny aza ndraindray :oops::-P
7. simplex ( 09/10/2007 17:00)
salmo:
misy hatao am resa-be ihany fa tsy mety ra vao hatao am resaka-kely, mampiakatra Tº maintsiny aza ndraindray
tsy voatery ka, hira slow na somary jazz jazz dia efa mampiakatra ny Tº, bitsibitsiana izy vao mia tena ao tsara :P;-)
8. rabilabila ( 09/10/2007 17:03)
manana fomba hafa izy: fa iny fombany iny ohatran'ilay ranomasina ao anaty lavaka


O ry Ikaretsaka a! Tsy nampoiziko ho ianao no hanao "jugement de valeur " be ohatran'io .Tena déçue be za!!!!:oops:
9. simplex ( 09/10/2007 17:14)

ny tiany ho lazaina nge de hoe aza ny akelin'ny lavaka no jerena fa ny rano ho tafiditra ao e :P
10. mandrindra ( 09/10/2007 17:44)
amin'ireo marina telo, dia tsy ekeko ilay faharoa.

ilay ataon'i hery hoe resabe koa no tsara faritana. marina fa ny resaka tsy mety lany, fa aza miresaka mihitsy anie eee, dia hisy fitiavana ho tonga ho azy eo, dia hilatsaka avy any amin'ny sty hay koa ny finoana.
11. rabilabila ( 09/10/2007 18:16)
ny tiany ho lazaina nge de hoe aza ny akelin'ny lavaka no jerena fa ny rano ho tafiditra ao e


Mila famelabelarana tompoko ô!!!

Tsy azoko tsara ilay izy ô!!:oops:Miala tsiny e!! miezaka dia miezaka amin'ny teny malagasy fa tsy voafehy tanteraka :oops:
12. soanja ( 09/10/2007 20:03)
Miankian amin'ny zvamisy no tokony hilana resaka lavabe amin'ny finoana sy ny fitiavana.

Matoa mantsy ny olona iray nanoratra biky sy mandefa articles na manazava sy mandany andro sy vola ary harena amin'ny zavatra iray dia noho ny tanjony izay takian'ny finoany hoazon'ny hafa na ho modely na ilaina fotsiny ilay satrai izay ny fomba ahafahany mivelatra ara-pinoany.

Noho izany dia azo atao tsara ny tsy manao resabe nefa azo atao koa ny mandalina sy mamakafaka sy manao resaka lavareny. Miankina amin'ny mpihaino daholo anefa no mampandaitra an'ireo na tsia.
13. fijo ( 09/10/2007 20:51)
marina tokoa aloha fa ny finoana dia izay ao aminao ihany.tsy mila fanazavana fa izay.tsy mila resak abe hovelabelarina fa izay de minoa,nefa ny ahy izay mihintsy no tsy ekeko
14. ikaretsaka ( 09/10/2007 22:59)
mety koa hoe nohon'ny heviny manokana ka..
soanja: thesis= expression d'idee a long essay or dissertation involving personal research,
raha avao personnal: dia ny " fihevitro tsy fihevitrareo" ho'zy
15. fijo ( 10/10/2007 20:16)
ie,aza hadino mihintsy io hevitra manokana io,fa io koa misy lanjany be
16. soanja ( 11/10/2007 05:03)
ikaretsaka:

mety koa hoe nohon'ny heviny manokana ka..
soanja: thesis= expression d'idee a long essay or dissertation involving personal research,
raha avao personnal: dia ny " fihevitro tsy fihevitrareo" ho'zy



De izay indrindra mantsy. Ny hevitra manokana no mety lasa hevitra ifandraisan'ny maro. Miasa amin'ny tsirairay amin'ny fomba isan-karazany Andriamanitra.
tsy mitovy anefa ny fandraisan'ny tsirairay na fianaran'ny tsirairay ny zavamisy. Ny tanjon'Andriamanitra anefa raha hiasa amin'ny olona iray izy dia ny mba ahitan'ny hafa ny famirapiratany sy ny fitiavany ary ny fikasany. Zany hoe lesona, modely na taratra ilay olona ho hitan;ny hafa.
Ny fomba hanaparitahany izany anefa dia mety ho toriteny lavabe, mety disertasio na long essay na asa tsy lany ritra sns sns ny tena voatoatiny anefa dia ny fananan'ny tsirairay mandinika sy mamakafaka ny zavamisy.
Raha nalaza i St Augustin ohatra dia mazava ho azy fa ny boky nosoratany momba ny fiainany no novakianareo. Mila resabe ihany amin'ny farany ny finoana satria mitaky ny fanaparitahana izany amin'ny hafa Andriamanitra fa tsy ho anao irery velively akory.

It's a personal journey but an universal goal. That is GOD! Love is sharing!


17. fijo ( 11/10/2007 20:40)
aminareo mpino ve izany tsy misy mihintsy ny maha ianareo anareo ,fa andriamanitra foan ano miasa ao???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8032