Iza ary no namako?

1. ari.malala ( 08/10/2007 05:54)
Nanohina ahy manokana io Evnajely androany io, satria araka ny homelie dia hoe tokony ho namnan'y olona rehetra isika, toa an'ilay Samaritana tsara fanahy namonjy ilay olona naratra. Ny tiako anontaniana sy akàna ny hevitry ny mpisera rehetra dia izao, na dia ireo olona miseho miavona sy tsy miraharaha ny tena aza ve dia tokony hakaikezina? @ fomba ahoana? Tsy sanatria manamarin-tena hao akory, fa nisy ilay dinika nampidiriko tary @ fiaraha-monina hoe ahiahy tsy mitombina, efa t@ volana août no nitranga ny tantara nefa efa volana octobre isika izao fa tsisy fiovany ny situation fa dia avonavona sy lanja loha, eny tsy miarahaba akory aza ilay olona miahiahy ahy ho naka ny volany, na ny mpiaramiasa hafa izay mihevitra ahy ho naka ilay vola iany koa aza dia mbola toy izany iany koa, dia eo indindra no mahalasa ny saiko hoe, iza tokoa aza no namako?
novalian'i fijo ny 10/10/2007 20:39
2. tywa68 ( 08/10/2007 08:18)
ari.malala : zay fandeferana izay mihitsy no angatahina amintsika, nefa koa samy manana ny zakany ny olona d lanjalanjao ao e ! raha mandry ny sainao d tsy tokony hankarary andoha zany : zahay namandriko moa ô :-*:-*
3. boubounezy ( 08/10/2007 08:49)
refa efa noarabainjy izy tsy mamaly fa miavona mety mbola mafana ngamba ny fony d avelao angatsika zareo vô resainjy njay. tsy maninn na mianjy ela b aza njy vô afaka manao anizany. njy mou ozy njy nienjikenjeany naka volany ka ra tsy njy no nanao azy arakiny teniny tywa68 d aza atao mampiasa lou b zany fa refa any arina any njy afaka mifampiresaka @ lé oull refa @zay no mbola tsy mety d avelao idaboka any fa malailay fonosina otrany?..
.....;-) ari. mahereza:-*
4. diamondra27 ( 08/10/2007 08:59)
naman'ny fahavalonao: ye
@ fomba ahoana? Tsotra dia tsotra, mivavaha ary mangataha mba ovain'i Jesosy ny fonao mba ho doux toy ny an'ny voromailala, hanana fandeferana.
Izany no atao hoe: fijoroana vavolombelona satria raha hitan'ny mpiara-miasa ny fihetsikao dia hampandini-tena ho azy ireo izany.
Tsy vitan'olombelona izany satria isika manana hambompo, miavona sns aryizay ilay iraisana @ Tompo sy Angatahina Aminy mba Izy no hiasa ao anatinao fa tsy ianao na ny sitraponao na izay tianao ihany no atao.

Asa na efa nanadrana ianareo manao izay zavatra tsy mifanaraka @ eritreretinareo nefa asain'i Tompo ataontsika; efa nanao aho fa rehefa avy eo tena misy fiadanampo tokoa rehefa vita iny zavatra iny.
Andramo ange ry ari.malala de tantarao anay ny suite-ny e!
de tahaka izany koa ilay pb voisinage, andramo
Tsy midika akory hoe: misolelaka fa atao izay hihavanana @ rehetra raha mbola azo atao

Mazotoa
5. fahamarinana ( 08/10/2007 09:18)
diamondra27:

Tsy vitan'olombelona izany satria isika manana hambompo, miavona sns aryizay ilay iraisana @ Tompo sy Angatahina Aminy mba Izy no hiasa ao anatinao fa tsy ianao na ny sitraponao na izay tianao ihany no atao.

:arrow:Mitovy hevitra tanteraka amin'ny Diam's koa aho eto,sarotra fa ilay Tompontsika no hanampy antsika amin'izany.Dia zà koa te ho naman'ny ari.malala f'aza mùalahelo fa betsaka zahay eto,virtuels fa amin'ny fo no hilazàko izany.:-*(l)

6. bozyboleta ( 08/10/2007 09:28)
Mety ho tena sarotra ihany tokoa raha ny fiheverana @ maha-olona, araka io voalazan'i diamondra io.
Fa apetraka am-bavaka araka ny voalazan'ny Marka 5:44, dia ho hitanao fa hisy zavatra hiova, na tsy hibaboka aminao noho ny fanendrikendrehana aza le olona, tsy maintsy hisy fihetsika hanehoany aminao fa diso izy.
Dia mazotoa mivavaka ho azy.
7. sasa ( 08/10/2007 10:06)
ari mivavaha foana akia ho azy fa hiova ho azy eny ry zareo
d za namanjy foana:-*:-*:-*
8. ari.malala ( 08/10/2007 13:24)
Misaotra anareo namana aloha nampahery sy manohana ahy, ary soa fa misy anareo, fa raha tsy izany efa haolo aho! Eny e, mivavaka anie efa ataoko foana e, fa ilay hoe hanakaiky sy ho naman'ny olona rehetra, dia na de efa tsy miteny amiko aza ve de tokony mbola harabaiko ianyarak'ilay hoe raha izay tia anareo iany no arabainareo d tsisy valisoa hoanareo? ts zany v no misolelaka? efa manome lamosina mboal isisifana iany? sarotra b zany:roll:
9. Rasiligaoma ( 08/10/2007 14:10)
ari.malala
namanao izy ireny fa izy tsy mieritreritra ny ho namanao
ianao te ho namany fa izy tsy te ho namany!

Misy fotoanany ny zava-drehetra e
10. salmo1 ( 08/10/2007 20:28)
ari-malala:
Iza ary no namako?

Tsy fantatro ^:^
efa t@ volana août no nitranga ny tantara nefa efa volana octobre isika izao fa tsisy fiovany ny situation fa dia avonavona sy lanja loha, eny tsy miarahaba akory aza ilay olona miahiahy ahy ho naka ny volany, na ny mpiaramiasa hafa izay mihevitra ahy ho naka ilay vola iany koa aza dia mbola toy izany iany koa, dia eo indindra no mahalasa ny saiko hoe, iza tokoa aza no namako?

Ny tsy fahatokisana anao manokana no olana. Enao @ namanao sy mpiara-miasa amnao d olona tsy azo atokisana angamba. Mety hitandrizareo enao am endrika hafa, fietsika hafa, fomba hafa na fivelomana hafa. Raha misy fietsika tsara manambara fa tsy enao le naka an-le vola de tsy hanahy intsony ry zareo angamba.
Raha tsy mety, dia tsarovy fa enao any ampiasana. Ny asa hitadiavam-bola tsy mitovy ny asa ao antokatrano, ny namana mpiara-miasa tsy mitovy ny namana hivoahana sy hiresadresahana ny cofiancia sns...

Mety ve?


11. niryna ( 10/10/2007 04:55)
ari.malala:

Nanohina ahy manokana io Evnajely androany io, satria araka ny homelie dia hoe tokony ho namnan'y olona rehetra isika, toa an'ilay Samaritana tsara fanahy namonjy ilay olona naratra. Ny tiako anontaniana sy akàna ny hevitry ny mpisera rehetra dia izao, na dia ireo olona miseho miavona sy tsy miraharaha ny tena aza ve dia tokony hakaikezina? @ fomba ahoana? Tsy sanatria manamarin-tena hao akory, fa nisy ilay dinika nampidiriko tary @ fiaraha-monina hoe ahiahy tsy mitombina, efa t@ volana août no nitranga ny tantara nefa efa volana octobre isika izao fa tsisy fiovany ny situation fa dia avonavona sy lanja loha, eny tsy miarahaba akory aza ilay olona miahiahy ahy ho naka ny volany, na ny mpiaramiasa hafa izay mihevitra ahy ho naka ilay vola iany koa aza dia mbola toy izany iany koa, dia eo indindra no mahalasa ny saiko hoe, iza tokoa aza no namako?



Hoy ilay olona izay hoe raha kristiana hianao ka tsy manam-pahavalo dia mihevera tena.:D
Manana fahavalo daholo ny olona na ny marina dia maro ny olona tsy tia no tia.Izany anefa tsy atao mahakivy fa izany no vao maika manamafy ny fitiavana nomen'ny Tompo hoe tiava ny namanao,aza mamaly ratsy ny ratsy.Tsy anao ny famaliana fa ahy.Rehefa tsy nanao hianao dia madio ny eritreritrao.Misy teny koa any fa tsy tokony hiaraka amin'ny olona izay manana toetra ratsy isika.Isika kristiana no jiro fahazavan'izao tontolo izao ka tokony ho hita taratra izany amin'ny fihetsika,fiteny,fanoratra,fiaraha-monina.Anjaranao no mamela azy indrindra raha tsy mpino izy.Tsy ho voatery hiaraka aminy intsony anefa hianao,fa tsy maitsy mivavaka aminy fotsiny.Inona no antony?
Mba tsy ho tonga ny fankahalana ao anatinao ary mba hiala ihany koa ny devoly manembatsembana anao izay ao ambadik'ilay olona.Matetika ireny olona ireny tsy mahatsapa izany.Izay mahereza hatrany ny mivavaka ny fahavalo fa hitanao fa maivana ilay fahatezerana mety mitranga ao aminao.
12. ari.malala ( 10/10/2007 14:17)
misaotra niryna a! za alou zany misy fotoana tena mitana an-dolom-po e, satria mba tys rariny iany kosa hoe zavatra tsy nataon'ny tena zao, de olona tsy nanatrika teo no lasa miavonavona manambany ny tena toy ny tsy olona:-( mba maray iany ny fo fa bon, apetraka @ Andriamanitra ny famaliana e, hoy ilya hira katolika izay hoe "hoavy ny fotoana fa tsy sitrak'Andriamanitra ho very maina foana izao fahoriana izao"
13. fijo ( 10/10/2007 20:39)
za kosa aloha raha efa mba nanantona fa nanehoan afihetsika toa izany,de mba averina kely aminy ny fameriny e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2456