Olomarina,mahay,tsisy tsiny daholo nefa ny firenena mikorosy

1. Jeankely ( 06/10/2007 01:31)
Misy ny voalaza hoe fanatika ary misy ny hoe mpanohatra. Ny zava-misy tiana haseho nefa dia hoe olomarina, tsisy heloka, tsisy vola manjavona, tsisy fanodikodinana, mandeha tsara ny raharaha ary mandroso sy nandroso tsara ara-dalana daholo ny rehetra, tsy misy kianina. Dia mahagaga anefa fa tsy anisan'ireo Firenena mihazakazaka ary voasoratra ho nahitana fandrosoana haigana i Madagasikara. Raha izao no hitohy samy tsy meloka tsisy fandrosoana dia tsy hisy fanantenana tokoa. Ny zaza tia ho vazaha, ny vehivavy tsy manaja ny lehilahy Malagasy satria kely karama, ny zazavavy vao mahay internet dia ny hitady vady vazaha no tanjona ary maro no tia hiala ny tanana. Izay foana ve ny avela hitohy? Ho mpitazampotsiny foana ve ny vahoaka?
novalian'i Jeankely ny 09/10/2007 13:52
2. penguin ( 06/10/2007 04:02)
Efa miazakazak'izao ka
3. daomania ( 06/10/2007 10:24)
Anjaran'ny tsirairay no misaina sy mihetsika fa hifametram-panontaniana lava eto !
Aoka tsy hijanona ho mpanontany fa ho mpanolo-kevitra ary manao izay adidy tandrify !
4. Jeankely ( 07/10/2007 05:41)
Mazava izany fa manao izay tandrify azy mihintsy ny tena vao miresaka. Na izany aza mba manaitra ny sain'ny maro hatrany satria tokony hiaraka hanao ny tsara fa tsy ny sasany mandray andraikitra ny sasany mamotika. Hitarina foana ny fisainana raha azo atao ary taritina hatrany ny daholo ahalala ny lanjan'ny fanaovana ny mendrika ho an'ny firenena.
5. Herimiafina ( 08/10/2007 19:49)
Jeankely:

Misy ny voalaza hoe fanatika ary misy ny hoe mpanohatra. Ny zava-misy tiana haseho nefa dia hoe olomarina, tsisy heloka, tsisy vola manjavona, tsisy fanodikodinana, mandeha tsara ny raharaha ary mandroso sy nandroso tsara ara-dalana daholo ny rehetra, tsy misy kianina. Dia mahagaga anefa fa tsy anisan'ireo Firenena mihazakazaka ary voasoratra ho nahitana fandrosoana haigana i Madagasikara. Raha izao no hitohy samy tsy meloka tsisy fandrosoana dia tsy hisy fanantenana tokoa. Ny zaza tia ho vazaha, ny vehivavy tsy manaja ny lehilahy Malagasy satria kely karama, ny zazavavy vao mahay internet dia ny hitady vady vazaha no tanjona ary maro no tia hiala ny tanana. Izay foana ve ny avela hitohy? Ho mpitazampotsiny foana ve ny vahoaka?


Mbola misy soritra hafa: ny tanora te-ho Snoop Doggy Dog....:-D
6. Jeankely ( 09/10/2007 02:35)
Mbola betsaka no tsy voasoratra fa ianao no manohy azy. Na manontany ankizy ianao tsy tia ho Malagasy ny ankizy satria tsy mampirehareha azy ny zavatra napetraky ny teo aloha. Sehatra firenena no resahiko fa tsy fianakaviana singasingany.
7. ravatorano ( 09/10/2007 10:14)
laina tokoa ilay izy an
tsita tsony e
8. Jeankely ( 09/10/2007 13:52)
Averiko ihany fa olona madio daholo fa ny mpanenjika no betsaka angamba.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0476