Mety ve raha...

1. ari.malala ( 05/10/2007 07:42)
Miarahaba ny tompon'andraikitra sy ny mpisera rehetra. Tsy haiko na ato na any @ momba ny serasera no tokony hipetraka ity hevitro ity, fa mba naika hanontanya ho raha mety, ny anaovana hoe, ny dinika vao vy nisy namaly dia tonga dia mahazo ny toerana voalohany ery ambony ery, mba tsy voatery hotadiavina ary ambany ary iany ilay dinika hoe nisy namaly na tsia? izao mantsy, misy dinika efa tsy misy mamaly intsony, fa efa fotsifotsy b ny couleur ny, dia lasa mibahana dinika hafa mbola misy mamaly. Tsy hiako, mazava iany ve ny fanazavako?:oops: misaotra mialoha e!:)
2. hery ( 05/10/2007 08:52)
tsy mety :-p

Azoko tsara ny eritreritr'i ari.malala ary taloha ela be dia izay no natao teto. Ny olana niseho dia misy mamoha fota-mandry :-) . Izany hoe misy resaka efa nivalona an-taonany, dia raha vao misy mamaly dia manjary lasa mahazo toerana voalohany. Dia manjary izay malaza ihany no mahazo toerana voalohany eo. Dia misy hevitra apetraky ny olona vaovao aty aoriana dia raha vao tsisy mamaly kely dia tonga dia tsy hita mihitsy.

Ny zavatra eritreretiko hatao rehefa hanomboka ny fanavaozana an'ity site ity dia hoe afaka misoratra handefasana hafatra ianao rehefa misy mamaly ilay dinika. Na koa hoe rehefa misy dinika tianao harahi-maso dia miseho amin'ny toerana manokana...

3. Fiffi ( 05/10/2007 09:03)
Hery: ary tsy naverinao intsony le dinika nisy namaly farany eo am fanoroam-pejy ? iny nefa tena tsara...am-zay toundé azo vakiana ...azo valiana avy hatrany...de tsy lany fotoana am fitadiavana hoe aiza no misy an'iny dinika iny ?
4. hery ( 05/10/2007 09:11)
Fiffi> hay moa nisy an'iny tokoa :-) andraso hojerena
5. ari.malala ( 05/10/2007 11:12)
Hery, hay ve e! tsara koa aloha ilay hevitra vaovao e! dia mahavità soa e, dia miarahaba iany koa fa hay tokoa moa nahatratra ny aniverserany ny sitentsika:-P
6. boubounezy ( 05/10/2007 16:36)
tô itako mety mintsy zany hevitra zany fa d ra ny spécialista no milaza fa tsy mety d tsy mety zany kou! inn ny azo atao zany ra tsy mitady solisiô hafa?=D=Dari.malala
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2226