ny Hasin'ny Fahendrena Malagasy
1. volador
(
05/10/2007 07:28)
Izaho izay mandefa ity lohahevitra ity dia Filoha mpanorina ny Fikambanana atao hoe HAFAMA (Hasin'ny Fahendrena Malagasy), efa ho dimy taona izao no niorenan'io fikambanana io.Ny hevitra mba tiako hifampizarana amin'ireo namana mpiray tanindrazana rehetra ka hanaovana ady hevitra dia mikasika indrindra io FAHENDRENA MALAGASY io izay tena mampiavaka antsika amin'ireo firenena maneran-tany; koa mba miangavy izay tsara sitrapo rehetra aho ka afaka haneho hevitra mikasika izany, indrindra ny fahitana io FAHENDRENA MALAGASY io amin'izao vanim-potoana iainantsika izao.
novalian'i tsaramaso ny 23/10/2007 08:40
2. Fiffi
(
05/10/2007 08:07)
volador:heu....marina kalou zany an ! satria ny Malagasy mbola tena manaraka ny fomban'Ntaolo ? ny ohabolana sns.....
.Ny hevitra mba tiako hifampizarana amin'ireo namana mpiray tanindrazana rehetra ka hanaovana ady hevitra dia mikasika indrindra io FAHENDRENA MALAGASY io izay tena mampiavaka antsika amin'ireo firenena maneran-tany;
3. soanja
(
05/10/2007 10:17)
volador:
Izaho izay mandefa ity lohahevitra ity dia Filoha mpanorina ny Fikambanana atao hoe HAFAMA (Hasin'ny Fahendrena Malagasy), efa ho dimy taona izao no niorenan'io fikambanana io.Ny hevitra mba tiako hifampizarana amin'ireo namana mpiray tanindrazana rehetra ka hanaovana ady hevitra dia mikasika indrindra io FAHENDRENA MALAGASY io izay tena mampiavaka antsika amin'ireo firenena maneran-tany; koa mba miangavy izay tsara sitrapo rehetra aho ka afaka haneho hevitra mikasika izany, indrindra ny fahitana io FAHENDRENA MALAGASY io amin'izao vanim-potoana iainantsika izao.
Ny fahendrena izay novolavolain'i Ntaolo dia notsoahiny avy amin'ny alalan'"ny fanindinihina ny fiainana"; zany hoe ny fakana lesona avy amin'ny zavanitranga ary ny fahafantarana hoe ahoana ny hanampiana ny olona iray na ny daholobe ao anaty fiarahamonina feno firaisan-kina sy fiahiana nefa sarotra.
Zany hoe na tsy nanana ny baiboly aza isika tamin'izany dia azo lazaina fa afaka miodina ihany fehezin'ireo hevitra feno fitsinjovana ny fiarahamonina/fihavananana io satria tsy mifanalavitra amin'io ny tian'ny baiboly resahina koa.
Ahoana anefa no ahafahanao miteny fa hendry ny olona iray taloha?
Hendry ny olona iray tamin'izany fotoana izany raha mankatoa sy manaraka ary mitsinjo lalandava io fihavanana sy firaisan-kina io.
Lavabe ity resaka ity raha zohina fa ny tiako resahina dia raha nidiran'ny fihevitra vazaha ny zava-drehetra momban'ny Gasy dia mihena dia mihena izany fahafantarana ilay fahendrena resahin'i Ntaolo izany.
Satria ny an'ny vazaha amin'ny ny azy manokana sy ny hanatsarana ny azy manokana aloha no zava-dehibe ary ny betsaka indrindra azony avy amin'ny hafa no lafatra aminy.
Hita izany amin'ny fomba fijery isan-karazany amin'izao fotoana. Nefa na tianao na tsy tianao , Malagasy dia sarotra ny hanohanana na hanakanana izany fisainana izany tsy hihanaka satria izay no antsoina hoe "sivilizasionina fitiavan-javatra manjaka" satria habosesika ao an-tsaina tsy tapaka na amin'ny fahitalavitra, posters, ny zavatra hamidy eny antsena sns ireo ka na zaza vao mianamamindra aza raha vao manomboka mandinika izy dia ny fananana an'iny no hitany ho fahendrena.
Ahoana ny fomba hitazomana/hiarovana ny Kolontsaina Malagasy ao anatin'izany ny fahendrena Malagasy dia ny fanabeazanao ny zaza iray hanana fomba fijery mandinika, maka ambony sy maka ambany (critical thinking) amin'izay zavatra atolotra na abosesika aminy. Asongadina ny hoe : SAROBIDY NY MAHAMALAGASY!
Ny fanomezana azy isanandro "ny ron'akoho mafana" misy torohevitra/asa/zavatra atao/teny: ohabolana sy angano ary hainteny/boky asa soratra/ hira hoe nahoana no antsoina hoe Malagasy ianao?
Mahereza fa tsara ny asanao!:-*:-*
4. sonwin
(
05/10/2007 11:38)
Tsy hitako loatra misongadina amin'ny fiaraha-monina ankehitriny io hoe "Fahendrena malagasy" io. Raha resaka fihavanana sy firaisan-kina no resahina dia toa hita ihany maneran-tany fa mety ny endrika isehoany no hafa.
Ny tiako atsipy kely fotsiny angamba dia ny fampiharana diso ilay hoe "Fihavanana" eo amin'ny fiaraha-monina. Toa lasa endrika iray mamotika ilay izy, noho io fampiarana diso io; ohatra.
Nohon'ny fihavanana:
- dia omena toerana Razazah be na dia tsy manana ny fahaizana mifanentana amin'izany aza
- tsy gadraina i Dadatoa na dia hita nibaribary fa nangalatra aza
- dia atao afaka fanadinana i kotokely satria zanaky ny namana akaiky
- dia tsy milahatra i Nenitoa rehefa any amin'ny banque na dia efa nisy tonga talohany aza tamin'ny 7 ora maraina
......etsetra etsetra.....
Ka raha misy izany fikambanana misahana ny hasin'ny fahendrena Malagasy izany dia tokony ho vaindohan-draharaha ny fametrahana sy ny fampiarana amin'ny tokony ho izy ilay "fahendrena" mba tsy ho lasa fihatsaram-belatsihy sy ho hery mamotika ny fiaraha-monina.
betsaka no azo ambara fa izay aloha ny voasoratra.
Mirary soa ho an'ilay fikambanana

5. ikaretsaka
(
05/10/2007 11:40)
fa tsetsatsetsa kely:
raha manome hasina ny fahendrena malagasy akory dia tsy midika hoe mivavaka @ fahendrena Malagasy a

6. Mandefitra
(
05/10/2007 12:26)
Ny hitako lesoka @ tanora malagasy ankehitriny dia ny tsy fahaizana mihaino.
- Mety mihevitra ngamba izy fa tsy de nandalim-pahaizana loatra ireo ray amandreny sy ireo fotsy volo ka tsy ilaina ny mifanakalo hevitra aminy.
- Tsy manana faharetana fa raha vao lavalava kely ny resaka, dia miala any ny hoe be kabary sy be kiana na be morale .... @ vodiondry zany mo ny tanora de tsy liana intsony @ zay kabary loatra ...
- Ny fiarovan-tena no mandeha aloha raha misy fanitsiana, ny fisehoana hoe mahay ny zavatra rehetra satria mahita TV, internet etc ...
- ary na any ampiangonana aza tsy misy manongilantsofina @ zay vakiteny sy toriteny ntsony ny tanora ... (ary zay ny mampiroborobo ny sekta satria any ny fanentanana no mafana tsara)
Ka io ianao hampita aminay zay tena fahendrena malagasy nefa mifanaraka @ vaninandro ... :)

7. simplex
(
05/10/2007 17:58)
hatr@ zao aloha d zavatra iray ihany no tena hitako fa fahendrena Malagasy, tsy inona izany fa ny fanajana ny RAD.
Rehefa fahendrena dia tsara doly fa aza adino ihany koa fa tsy mitovy @ contexte an'ny Ntaolo intsony isika izao. ^:^
Mirary soa hoan'ny Fikambanana

8. rova30
(
05/10/2007 23:28)
Anisan\'ny fomba fitaizana ny Malagasy fahiny ny FADY, ary mbola hita manerana ny nosy izany hatramin\'izao! Saingy noho ny tsy fahalalana ny dikany sy ny antony nahatonga izany , dia maro ireo milaza ( izay tsy te- hino ) hoe: finoanoampoana ! na koa ireo matahotra ny ho vokany dia manaja tsotra fotsiny amin\'izao! Tsy fantatro anefa raha efa misy ankehitriny , ny taranja ampianarana ny ankizy ny momba an\' ireny ?... fa tamin\' ny fotoana nianaranay dia nasaina nanao fanadihadiana ny mpianatra , ny antony sy ny fomban\'ny Ntaolo:dia , na iray efa antitra loatra ilay Tangalamena nanontanianay ireny (tsy haiko loatra?)... ka tsy dia misy fitadidiana intsony? (Miala tsiny!)Na koa angamba efa toy izay no fomba fampianarana ny olona fahiny, hoe manaja fotsiny izay lazain\'ny lehibe! ... Fa dia matetika ny hoe\" FOMBAN-DRAZANA IO \" izay no mba valin-teny azonay tamin\' ireny fotoana ireny. Nefa raha amiko manokana dia misy antony daholo no mahatonga ireny fady ireny! ka raha mbola zaza madinika angamba ho\' aho no hanazavana ny anton\'ny fomban- drazana sns;... Dia mba moramora ho an\'ny tanora ny hitadrina sy hampita azy ireny ho an\'ny fara- mandimby!MIRARY FAHOMBIAZANA HO AN\'NY FIKAMBANANA.
9. sakaizakely
(
06/10/2007 00:21)
FAHENDRENA MALAGASY io izay tena mampiavaka antsika amin'ireo firenena maneran-tany;
Miala tsiny raha manakiana kely ilay fitenenana satria :
midika ve izany fa adala daholo ny firenena sy ny foko hafa, fa ny malagasy irery no hendry indrindra eto antany ? 8O8O8O8O
Tsia
Samy manana ny fomba amampanao, mendrikaja sy manandanja daholo ny firenena rehetra, samy manana ny fahendreny daholo fa tsy ny malagasy irery.
Manaova fandalinana mikasika ny fombafomban'ireo firenena amerika atsimo ohatra, na ireo nomades touaregs, ny indonesiana, ny mongoliana sns... dia ho talanjona ianao fa manana ny maha-izy azy tokoa ireo, misy ny mbola mitazona tsara sy manaja ny fombandrazana na dia eo aza ny fiantraikan'ny "fandrosoana" (influence) azo avy amin'ny tandrefana, izay mihamahazo laka hatrany.
Noho izany tsy ny malagasy irery ihany no tompondaka @ fahendrena ka hoe miavaka amin'izao tontolo izao
10. soanja
(
06/10/2007 03:47)
Ary sao dia tokony hazavain'i Volador anay hoe inona no tianao tenenina momba ny Fahendrena Malagasy?
satria marina ny tenin'ny namana hoe samy manana ny mampiavaka azy aby ny firenana raha ny fahendrena no resahina saingy kosa sao dia tsy io 'fahendrena" io no tianao tenenina fa ny riba na ny fomba amam-panao ary ny foto-pisainana amin'ny mahaMalagasy antsika mifandraika amin'io, izay iavahantsika amin'ny hafa tokoa satria Malagasy isika.
Na izany anefa na tsy izany dia miavaka ny fahendrena Malagasy satria tsy misy mpanana afatsy isika irery ihany raha ny atao hoe Ntaolo sy ny traikefany navadiny fahendrena no resahina. :-*:-*
Be ihany ny toerana hitako fa tsy ambakan'iza n'iza ny fahendren'Ntaolo!

11. Herimiafina
(
06/10/2007 04:33)
Ny hamaritako ny fahendrena malagasy dia ny fiainana andavan'andro mifandraika amin'ny fomba amam-panao izay ampanarahana amin'ny vanin'andro misy sy isaky ny faritra misy ny tena (satria maro no mety fomba amam-mpanao).
Ohatra:
-Raha hampakabady aho dia misy dingana maromaro arahana: fisehoana, vodi-ondry, sns.
-Rehefa vaovao ny taona dia manome solombodiakoho.
-Rehefa misy teraka dia manatitra vola kely hividianana patsa sy ovy ary sira,....
-Rehefa hikabary dia manomboka amin'ny fialantsiny, sns
Ny fomba amam-panao dia mivoatra, misy ny efa ela no nisiany fa misy kosa no vao haingana....

12. yah
(
08/10/2007 04:30)
tokony faritana mazava tsara alo ny atao hoe FAHENDRENA fa raha @ko dia taratr'ilay fahendrena ireo zavatra hita maso
ohatra hoe fomba amampanao ,sns
rehefa mazava io famaritana io dia ho voavaly @izay ny hoe inona no mampiavaka ny malagasy:miam::miam::miam::miam::@:@:@

13. volador
(
12/10/2007 06:08)
Misaotra anareo rehetra efa nandray anjara tamin'ny ady hevitra momba ny hoe: "FAHENDRENA MALAGASY" ny tena tiako holazaina ao anatin'ny hoe: "NY HASIN'NY FAHENDRENA MALAGASY", dia mikasika indrindra ireo soatoavina fototry ny fiaraha-monina Malagasy dia ny FIHAVANANA sy ny FIRAISANKINA izany. Raha itodiana ny taona marobe efa lasa ka fantaraina amin'ny alàlan'ireo lovantsofina samihafa dia tena nanana izany nampiavaka azy mihitsy ireo Raiamandrenin-tsika taloha tamin'ny fanajàna ny hasin'ny fiaraha-monina (ohatra ny mpiray tanàna), koa amin'izao vanim-potoana misy antsika izao moa ve mbola hita taratra ihany izany fahendrena nisy taloha izany? nefa ny fihavanana sy ny firaisankina no tena hery lehibe manainga ny fampandrosoana marina an'ity firenen-tsika ity sy ny vahoaka Malagasy.
14. niainalynx
(
15/10/2007 10:41)
Tena marina ny hevitr' i volador ! Ny fahendrena malagasy dia niompana tamin'ny FIHAVANANA ka ireto misy andalana vitsivitsy nametrahany izany fihavanana izany ary hamafisiny amin'ny ohabolana :
- fihavanana fifankatiavana ( ny ody faty tsy misy fa raha mbola velona dia mifankatiava ihany )
- fihavanana firaisankina ( akanga maro tsy vakin'amboa, ny mitabe tsy lanin'ny mamba)
- fihavanana fifanajana ( ny ray amandreny lolohavaina antampon'ny loha, zokibe toa ray, zandry mahaleo mahalasana, vehivavy ravaky ny lalana na endriky ny saha )
- fihavanana fifampifehezana ( manan-joky afakolan-teny manan-jandry afakolan'entana )
- fihavanana fifanampiana ( ny hazo tokana tsy mba ala, ny tondro tokana tsy mahazo hao , trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana)
- fihavanana fifandeferana ( ny fandeferana hono toy ny volamena latsaka am-bovoka ka mamiratra foana )
Fa nony tonga ny mpanjanaka dia navadiny ny rasa ka dia ny mifanohitra amin'ireo fototra ireo no nezahiny napetraka ka lasa ny samy maka ho azy no malaza, ny tsy fifanajana, ny fiolonolonana, ny fifandrafiana, dia nikorontana ny fiaraha-monina ary dia niteraka ny fahantrana be

15. volador
(
18/10/2007 06:40)
niainalynx:

Misaotra indrindra anao tamin'ny fanehoan-kevitra mikasika ny lohahevitra izay natolotro, koa aminao, mety hitarika antsika amin'ny mbola ho fahantrana lehibe mihoatra noho izao ve ny fameloma-maso indray izany fehendrena nentin'ireo Raiamandrenètsika tany aloha tany ho fianam-piaraha-monina ankehitriny, sa midika ho fiverenan-dàlana indray ve ny firesahana izany?
16. tsaramaso
(
19/10/2007 09:02)
volador:
Izaho izay mandefa ity lohahevitra ity dia Filoha mpanorina ny Fikambanana atao hoe HAFAMA (Hasin'ny Fahendrena Malagasy), efa ho dimy taona izao no niorenan'io fikambanana io.Ny hevitra mba tiako hifampizarana amin'ireo namana mpiray tanindrazana rehetra ka hanaovana ady hevitra dia mikasika indrindra io FAHENDRENA MALAGASY io izay tena mampiavaka antsika amin'ireo firenena maneran-tany; koa mba miangavy izay tsara sitrapo rehetra aho ka afaka haneho hevitra mikasika izany, indrindra ny fahitana io FAHENDRENA MALAGASY io amin'izao vanim-potoana iainantsika izao.
Hasin'ny FAHADALANA MALAGASY ny fikambananareo !!!!!!!! hahahahahahah !!!!!
17. volador
(
23/10/2007 06:58)
tsaramaso:

Heveriko fa ianao namana nandefa hafatra io dia manana tokoa ny fomba fijerinao ny maha Malagasy, indrindra ny mikasika ny filazanao ny hoe "Hasin"ny FAHADALANA MALAGASY", ny hevitry ny maro mahataka-davitra ka mba miangavy anao hanome fanazavana bebe kokoa ny tianao holazaina, fa ny fikambananay aloha ny fahadalana ny ilofosana fa ny fahendrena araka ny soatoavina ara-piaraha-monina Malagasy.
18. tsaramaso
(
23/10/2007 08:40)
volador:hahahahahahaha !!!!!!!!!
ny hevitry ny maro mahataka-davitra
http://tsaramaso.blaogy.org/2007/10/23/fahavendranana-malagasy-2/ iiiiiiiiiiii