Fikambanan'ny MPANENJIKA MPANAO POLITIKA maloto

1. Jeankely ( 05/10/2007 05:38)
Tsy mila Filoha, tsy mila lefitra fa izay rehetra mahatsapa fa tsy alehany ny nataon'ny mpanao politika nifandimby dia samy manenjika ary ny internet no Birao foiben'ny fikambanana. Aza hamelana izay manao ny tsy mety. Ny avy nilelaka sy nanimba ao anaty ny valan'ny ho enjehina. Avohay ny marina na araho tsara ny fivoatran'ny raharaha fa misy farany ny rehetra ary tehirizo avokoa na sary na tahirin-kevitra na inona azo raisina ataon'ny mpanimba firenena. Misy andro ilaina ireny fa tsy ny androany ihany. Mila masiaka sy manara-maso akaiky ny ho aviny ny Malagasy na rehetra.
novalian'i Jeankely ny 09/10/2007 13:49
2. ravatorano ( 05/10/2007 10:23)
ilay fitenenana hoe "manenjika" aloha ohatran'ny tsy d avoazako laoatrafa aleo angah atao hoe abaribario amin'ilay mpanao hitsin dalana sy mpanao kobaka ambava sy ronono antavy ireny fa tsy fotoanan'izany tsotry izao .
Tsara raha atao anati'ny fifanajana ilay "fanenjehana" hihihih
ary mba resaka maripototra no avoaka sy hanamarina fa mitombona ilay "fanenjehana" hihihih
za ndray no tena nampiasa azy
*zay e !
3. Jeankely ( 05/10/2007 12:18)
Ny fomba fanoratra na fomba fiteny moa sarotra ka mety tsy mazava satria mety mandalina be. Zavatra tsotra ny tiako lazaina. Tsy hoe manenjika sahalan'ny Polisy manenjika mpangalatra. Tsy anjaranao izany fa kosa azonao atao tsara ny maka horonantsary ny Polisy manotra na miaramila mamo mandry antatatra na Zandary misotro toaka anaty bara miaraka @ dahalo. Tsy ianao no hitory azy fa tehirizo fotsiny fa misy ilana ireny manaraka. Tsy natao hotsetsefina sy omena kobaka ambava fotsiny ny vahoaka fa mila manaramaso ary tsy atao asa fa atao sahala ny kilalao ny fakana ho tahiry izay tsy mety hataon-dry zalahy. Ohatra ireo fa ny resaka Politika no tiana ambara.
4. fijo ( 05/10/2007 22:08)
hevitra tsara tokoa ity,saingy asa raha ho be mpanohana
5. Jeankely ( 06/10/2007 01:17)
Tsy misy olona tohanana io fa samy manohana ny tenanay sy ny heviny amin'ny fitadiavana ny soa ho an'ny Firenena. Ny antoko politika dia hita fa fizahavana seza no himasoany ary ny hanome valisoa ny akamany sy iray fikambanana aminy no imasoany. Ity tsy misy seza zahavina fa mitahiry izay azonao tehirizina ary mandray izay azonao raisina ianao. Mivoaka ireny amin'ny andro mahamety azy. Ny ataon'ny mpanao gazety dia firadiavana zavatra manaitra mba handafosana gazety. Tsy izany io fa fizahavana zavatra mitombona ho hitan'ny taraka mandimby mba hanatsarany ny fampivoarana ny firenena. Milaza manampahaizana avokoa ary be resaka ny rehetra nefa ny firenena sahirana. Politika io.
6. khoto ( 07/10/2007 16:08)
Ela be fa omeo piston zay e!
7. Jeankely ( 08/10/2007 05:14)
Mbola filelafana ihany sa inona no tian'i Khoto resahina? Aleo mitohy ny misolelaka sy ny mahazo avara-patana ve? Izay tian-tsiaka ihany io fa tsy olana. Izay voadona mahazo mitomany.
8. ravatorano ( 08/10/2007 10:10)
izany hoe ho terizina izany ny porofofailaina amin'ny manaraka ?hanaovana "chantage politika" ve izany ra jeankely an hihihihihihi
raha misy porofoazohanejehana ny mpanao politika na ny manampahefana anakiray vetsy aleoavy dia haseho mba hanitsian'ny sasany ny lalany fa maninona no ho tehirizina indray d atao granddossiers any aorina rehefa miakatra lapa indray ny "sasany" ve? hahahah
za aloha raha manana porofo tsy azoivalozana dia abaribariko e faizay fandehany any fandehanytsy misy andraso andraso zany fa roso toy tsa mipody koa!

9. Jeankely ( 08/10/2007 11:15)
Rehefa azonao habaribary ve tsy tsara indrindra izany. Fa izy ho lasa rivotra no mampalahelo. Miditra @ sofina havia ary mivoaka @ sofina havanana. Tsy afaka ny hifandona @ olona tompon'ny hery, tanjaka, vola, fahefana sns angamba ny kely hery. Mety ny manabaribary fa mety koa amiko ny mitahiry. Ho an'ny rehetra io. Ohatra amin'izany ny sary 10 Aout tsarovy fa maro ny olon-tsotra naka sary fa tsy hoe avy @ gazety daholo ireny. Io hita @ Daylymotion sns io ve avy aiza ohatra? Tsy haiko aloha. Ny fahalalan'ny olona fa misy manaramaso ny ataony na tsy mitabataba aza ilay mpanaramaso dia efa mahamahana ny mpanao ratsy. Fihevitra diso angamba iny. Tsy haiko.
10. ravatorano ( 09/10/2007 10:27)
marina iny kah
tsara ny mitahiry fa ilaian koa ny mamoska any fahamarianan ary mitahiry izay ho an'ny besinimaro ho atao fahatsiarovana ny hevi petsy rehetra niseho
sa tsizany ra jeankely ?
11. Jeankely ( 09/10/2007 13:49)
Raha ny tokony ho izy anie dia manokatra ny forum rehetra izay tompompahefana na tsy hamaly aza tsy olana fa mba mahita ny hetahetan'ny pokona. Ny tena marina aza dia tokony misy sehatra azon'ny olona hametrahana ny hetahetany ny Site-n'ny Ministera. Sahala ny hoe azo atao ny manoro zavatra any @ Bianco inona no olana raha fampandrosoana Ministera no omena. Rehefa misy fahavoazana dia ny vahoaka ihany no maivoka eo ka mila manaraka akaiky ny vahoaka. Tsy midika izany fa mila manao antokon'ny mpitondra ny vahoaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0479