Ny tapa-kazo/ny Raokandro teo amin'ny Malagasy

1. soanja ( 04/10/2007 07:57)
Sambany hatramin'izay aho vao hanao famelabelarana momba an'io koa sao mba misy afaka manome ahy fanampiana hamitako azy.
1- Ny hasin'i/ny voka-dratsiny/aretina tapakazo teo amin'ny fiarahamonina.
2- Ny fifandraisan'izany eo amin'ny finoana Malagasy taloha.
3- Ny fiodinan'ny tantara taty aoriana ( ny plante medicinale) sy ny tsenany.
4- Ireo ravin-kazo na zavamaniry manana ny mahaizy azy any amintsika.

ps: ny tena tiako ho fantatra dia ny voamaintilany na ny masonamboagara. Misy mahalala bebe kokoa an'io ve tompoko?

Misaotra betsaka indrindra ho an'izay mahafoy sy manolotra ary izay tsy manana fa mahantatra olona azo atonona momba an'io any Mada.
novalian'i soanja ny 05/10/2007 02:43
2. Fiffi ( 04/10/2007 08:25)
zah de anisan'miandry ny namana tahaka an'soanjo koh an ! satria tsy mahafantatra sy tsy mahay.....
3. xxx ( 04/10/2007 08:28)
soanja:

Sambany hatramin'izay aho vao hanao famelabelarana momba an'io koa sao mba misy afaka manome ahy fanampiana hamitako azy.
1- Ny hasin'i/ny voka-dratsiny/aretina tapakazo teo amin'ny fiarahamonina.
2- Ny fifandraisan'izany eo amin'ny finoana Malagasy taloha.
3- Ny fiodinan'ny tantara taty aoriana ( ny plante medicinale) sy ny tsenany.
4- Ireo ravin-kazo na zavamaniry manana ny mahaizy azy any amintsika.

ps: ny tena tiako ho fantatra dia ny voamaintilany na ny masonamboagara. Misy mahalala bebe kokoa an'io ve tompoko?

Misaotra betsaka indrindra ho an'izay mahafoy sy manolotra ary izay tsy manana fa mahantatra olona azo atonona momba an'io any Mada.



ny kely fantatro dia arakaraky ny faritra ireny vakana sy voamaintilany ireny : ohatra any atsinanana ny vakana manga dia porte bonheur nefa any atsimo dia zavatra hafa

Misy ohatry ny musée izay ao Antananarivo, ao @ hotely @ lalana mankany Tsiafahy dia ao izy mazava tsara .
4. tsaramaso ( 04/10/2007 08:51)
Manokonoko tsaramaso eo dia masina ozy !!! masina hozy !!!!!
hahahahahaahahahaah !!!!
5. ragany ( 04/10/2007 10:50)
Ragany no pseudo fa Manana ao @ Blaogy

Manôna daholo

Faly nahita an'i Soanja eto indray tao aorian'ilay tantara mahalina niainga teto Dago tonga hatrany @ states .
Faly koa fa tena thème mahaliana ity hosokafanao ity .
Mamporisika anao ary vonona hanatevina eny ho eny raha ilana.
Vao miainga aloha dia aza hadino fa ny raokandro dia sanatria tsy raoka fako na raoka bozaka , ny atao hoe raokandro dia zavatra noraofina na nalaina na koa nangomana ( avy amina matière végétale, animale na minérale , fa tsy végétale foana akory ) tamina fotoana sy toerana voafaritra mazava ( andro= synergie cosmique ).
Ndao ary dia mahereza isika rehetra miaraka hitady ny very . Fahalala (science na parascience ngezabe tokoa mantsy ny fonosan'i thème io saingy toa very tanteraka satria ny côté négatif maha ody gasy azy no nararaotin'ireo mpivavaka namotehana azy . Ny côté fanafody na fanafana ody dia nodina tsy hita ) etsetra...........
6. ikaretsaka ( 04/10/2007 11:38)
1) arakaraky ny handraisan'i soanja ny tapakazo aloha! fa misy manko ilay hoe manao tapakazo dia ody (wichcraft) izay!

Raha ny fahalalako azy

-Ny tapakazo ny tena origine nampiasaina azy aloha dia ny fahafantaran'ny gasy fa misy hery (virtue) ny karazan-kazo anankiray.

-ny tsotsotra dia nataony raokandro, satria hainy fa ity zava maniry ity dia fanafody izao sy izao aby, na ity afangaro an'ity dia lasa izao.

-dia teo @ fana aroana teo no nahatsapany hoe eraha ity sy ity no miaraka dia lasa izao..
dia indraindray tsy voa control ny intsony..

dia lasa @ izay ny finoanoana isan-karazany.

@ fasy rehefa zavatra tsy hainy ny mi control azy dia raisiny ho manana hasina izay ilay raha, dia taty aoriana rehefa nifangaro t@ kristianisma dia lazainy fa misy devoly sy herin'ny maizina
7. bobotangena ( 04/10/2007 14:40)
Miarahaba anao fa tena mahaliana tokoa izany;
ity misy site azonao tsidihana hanatevenanao
izay mba hananana e:

Dia mirary soa ho anao




xxx:

soanja:

Sambany hatramin'izay aho vao hanao famelabelarana momba an'io koa sao mba misy afaka manome ahy fanampiana hamitako azy.
1- Ny hasin'i/ny voka-dratsiny/aretina tapakazo teo amin'ny fiarahamonina.
2- Ny fifandraisan'izany eo amin'ny finoana Malagasy taloha.
3- Ny fiodinan'ny tantara taty aoriana ( ny plante medicinale) sy ny tsenany.
4- Ireo ravin-kazo na zavamaniry manana ny mahaizy azy any amintsika.

ps: ny tena tiako ho fantatra dia ny voamaintilany na ny masonamboagara. Misy mahalala bebe kokoa an'io ve tompoko?

Misaotra betsaka indrindra ho an'izay mahafoy sy manolotra ary izay tsy manana fa mahantatra olona azo atonona momba an'io any Mada.



ny kely fantatro dia arakaraky ny faritra ireny vakana sy voamaintilany ireny : ohatra any atsinanana ny vakana manga dia porte bonheur nefa any atsimo dia zavatra hafa

Misy ohatry ny musée izay ao Antananarivo, ao @ hotely @ lalana mankany Tsiafahy dia ao izy mazava tsara .



8. sonwin ( 04/10/2007 14:51)
soanja:


4- Ireo ravin-kazo na zavamaniry manana ny mahaizy azy any amintsika.



- Ao amin'ny librairie St Paul, misy boky mitondra ny loha-teny hoe "Ravi-maitso", mety hanampy anao amin'io fanontaniana faha-4 io.
- Ao amin'ny sampana "Chimie des Substances Naturelles" ihany koa (univ. Antananarivo), ahitanao vokam-pikarohana maro mikasika ny zava-maniry malagasy.
- Ny vokatry ny Homeopharma sy IMRA ihany koa dia efa santionany maro.
- Ny mpivarotra tapa-kazo eny ambodin'Isotry na petite vitesse koa tena mahafinaritra fa tsy manafina velively ny zavatra hainy sy fantany mihitsy.
9. ikaretsaka ( 04/10/2007 19:06)
ie.. rehefa tena kil anao ireny "mpivarotra tapa-kazo" ireny dia tsy manoronoro vohana anao mihitsy fa manoro izay mba hainy aza.
ary hainy aza hoe i anona no nanafatra anao nitady an'izao! sy hoe mpandeha any @ ianona mpitsabo @ raok'andro koa ny tena, satria mifankafantatra eo aby zareo
10. soanja ( 05/10/2007 02:43)
Misaotra antsika rehetra nanampy sy tamin'ny torolalana. Hitsidika ireo links ireo aho izany de miverina eto ihany rehefa misy zavatra tiako ho fantatra bebe kokoa.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4185