Nanao analyse kely tato am serasera za androany

1. Sambilokely ( 02/10/2007 15:08)
De zao no valin'izany analyse-ko zany!!
Niha vitsy ny olona mpankasitraka ity fitondrana ity raha ny valiten'ireo mpamaly no jerena!! Tsy de hita intsony le mafana fo be manopa mpanao kritika fahiny ireny! tsy haiko aloha ra niova pseudo de nivadika ho mpilaza ny tsy mety am fitondrana!! Dikan'izany de efa miha mazava amin'ny sain'ny sasany ny antony mahatonga ny sasany hiteny ny tsy mety amin'ity fitondrana ity, miha tonga saina ka tsy sahy mampibaribary ny fisolelahany intsony satria menatra. Ekena fa tsy mamely koa ny adin'ny mpanohitra sasany izay mandoto rano ny namany ka mahatonga ireo mpanohitra manana hevitra tsara ho kilasiana ho mpanohitra bontolo koa, noho izany mila mpanohitra vaovao mahay mijoro amin'ny heviny ary tena hampandroso isika mba ho fefy tsy hahatonga ny eo am fitondrana hanaonao foana sy hanao zavatra tafahoatra, saingy ny olana de oe iza ary no sahy hitsangana handray izay toerana izay, ra mbola ry zafy sy ny tariny mantsy dia azo antoka fa tsy asian'ny olona vidiny akory.
Zay le izy e!!
Okay siksa
Hail Brother
novalian'i Jeankely ny 05/10/2007 05:30
2. boubounezy ( 02/10/2007 16:00)
za i raboubounezy alou d tsy maita na malala anizany zavatra zany satry tsy nanao sondage za na nanao analyse fa nijanona t@ maha izy azy fona any zé mpanankina @ tsy rariny d za vonona anohitra fa zé mpanakina @ rariny kosa d za mety anampy trotraka na mba iteny azy wé sô diso tafaotra f'aza manao anizany. d ny zé tsy fantatro alou d tsy asiko sira. i raboubounezy tsy mbola nanaratsy ty site ty zany fa mbola mampirisika aza, satry itako wé tiny lé oull iany ny mandé eto na d inn aza lazainy eo. d zé fandraisanareo azy njay.:lol:
3. simplex ( 02/10/2007 16:02)

le tapany voalohany tsy dia marina loatra satria tsisy afatsy i Jeankely ihany no tena fanatika ra8 eto ary i Bazylou ny extremiste panohitra. Mbola tsisy niova ireo.

le tapany faharoa, ie, zany hoe tsy efa hatr@ voalohany ve zay no tsapan'ny be sy ny maro afa tsy ireo mpanohitra :)
4. hery ( 02/10/2007 17:31)
:-)

Misy koa ny mangina sy manaja ny safidim-bahoaka... nihevitra hoe mba hanao azy ny mpanohitra tamin'ny fifidianana solombavam-bahoaka kinanjo.
5. Jeankely ( 03/10/2007 03:55)
Diso analyse ianao RA-simplex ka tsy mahafantara ny hoe fanatika @ fitondrana. Izaho mpanenjika ny mpanohatra tsy namokatra hatr'izay fa tsy misy hifandraisako amin'ny fitondrana ary tsy hainy na singan-kohoko aza. Raha mbola ny avy namalan-kira no be resaka dia avy foana aho. Indrindra moa ity hoe TIM niala avy eo milaza mahay ny antsipirihany nefa nihinana tao izany tsy nahalala maty na nijery vahoaka fa voadaka vao mi-BARADAKA.
6. Sambilokely ( 03/10/2007 07:28)
Za aloha raha ny fijeriko dia ireo sahy milaza ny tsy mety ataon'ity fitondrana ity sy manome fampitandremana no tena tia an Ra8 fa tsy ireo misolelaka faly mitehaka fotsiny sy manaiky ze lazain'i Ra8 sao tapaka fihinanana, ary ireo fanatika ireo no tena mamaha-dalitra an Ra8 de manaiky koa moa le bado am zany satria mihevitra fa ireo no tena atokisany.
7. Jeankely ( 03/10/2007 09:28)
Tena tsy tafaray idray ny hevitra ry Sambilokely. Ny anay tsy mila olona avy nilela-molotra tao izahay.
8. Sambilokely ( 03/10/2007 14:19)
Jeankely>> za ange tsy niteny oe mila olona avy nilela-molotra e!! vakio ange ze nolazaiko teo aloha teo e!!
9. Jeankely ( 04/10/2007 01:28)
Ka ilay hoe avy niaranihinana ny manta sy ny masaka ary nahita ny anaty akanjony mandrerakabe ny mihaino azy. Eritrereto hoe omenao vady ny zanako vavy ary efa miteraka vao hoy ianao hoe ratsy indray io fa hialao. Sahala izay no ataondreo. Taritina ny vahoaka ho any. Dokafana fa tsara ary lasa alavitra satria midehaka fa mahazo ranodranony. Rehfa tonga ny fotoana mba hidiran'ny sasany indray hiasa dia lazaina indray koa ny vahoaka hoe tsisy ilaivana an'io. Iza izany no tena velesina fa tsy ny mpitari-bato vilambava?
10. Sambilokely ( 04/10/2007 08:29)
Jeankely>> otrany tsa niteny an zany nge za e!!! sao de tsy enao ary io!!
11. Jeankely ( 04/10/2007 13:47)
Samy miala Randria a. Tsy ianao no hiantefan'ny bala fa aza taitra.
12. simplex ( 04/10/2007 14:38)

ny tiako tenenina @ le hoe fanatika dia ilay karazana ol mbola tsy mahare akory ny antony hilazan'ny sasany hoe izao sy izao dia efa ny azy sahady no asesiny, ra vao ny anaran'ilay olona fotsiny aza no voatonona :@
13. salmo1 ( 04/10/2007 15:12)
simplex::-D Aza realista iany wa :!:8)
14. Jeankely ( 05/10/2007 05:30)
Rehefa ratsy dia ratsy fa tsy misy tokony hiaravona zavatra tsy mety. Na izany na tsy izany tsy mety koa ny kary mihomehy vorondolo. Sady mpangalatra akoho no mbola mandady nefa miteny ny manidina alina ho ratsy tarehy sy mamosavy. Mila olona tsy nobezaina tamin'ity politika motraka nifandovana ity ny firenena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1218