Fandroahana an-kolaka mpiasa : inona no fiarovan-tena azo ha

1. marinafilaza ( 01/10/2007 16:24)
Araka ny resaka mandeha @ orin'asa iray ao @ "forum tetsy sy teroa", dia misy ny fandroahana an-kolaka mpiasa atao. terena handeha départ volontaire ny olona efa mahazohazo taona "kanefa ny sarany omena azy ireo dia kely dia kely". rehefa tsyte handeha dia hanaovana audit ny service misy anao, raha olana ao, na hafa aza ny manao azy dia atao sy hahavoafaoka anao avy alefa "any @ DRH" ianao fa tsy omena poste intsony "miandry 1 na 3 volana any, havela hiady saina", rehefa tsy tapa-kevitra handeha départ volontaire de miakatra conseil dde discipline @ ilay raharaha maha voasingotra ary ny conclusion finale "voaroaka miala maina".

Rehefa madio ny dossier nao (tsy nahitana paingotra very) dia lazoana ny moralenao isan'andro fa tsy maintsy mandeha départ volontaire fa @ X daty ny farany. Raha tsy izay dia mety ho voaroaka tsy fidiny (ny olana kely eto dia ambava izany fa tsy an-taratasy no hanaovan'ny lehibe azy).

Ny olona tratry io (fianakaviana akaiky ahy) dia mitebiteby andro aman'alina , inona no azo hatao satria toa atody miady amam-bato. Handeha, vola kely iray venty no ho azo, hijanona matahotra ny ho voaroaka sy tototry ny asa (omena asan'olona 4 na 5 izay mijanonan).

-Moa ve misy làlana mamaritra ny zon'ny mpiasa ( any @ privé na semi-privé) raha misy ny fanaovana départ volontaire sa izay tian'ny mpampiasa no atao.

-Inona no fitoriana na fiarova-tena tokony hatao @ raha matahora sy rahom-bava mahazo ireo mpiasa te-hijanona satria mbola be charges sy tsy nahatafita zanaka ? ( ankoatry ny syndicat izay malemy ao @'ilay orin'asa).

- Manoloana ny herisetra moraly (rahom-bava araka izay voalaza, ny asa be tsy mifanandrify @ tokony ho izy (asan'olona4 na 5), kanefa ny sasany (nouvelle recrue) dia miasa @ normale nefa be karama), misy fiarovana ny mpiasa ve @'izany sa dia tsy maintsy mizaka izany.

Iangaviako indrindra izay mpahay lalàna sy afaka manoro hevitra amin'ireo zavtra ireo.

Misaotra
:?:
2. ds ( 01/10/2007 21:12)
marinafilaza:

-Moa ve misy làlana mamaritra ny zon'ny mpiasa ( any @ privé na semi-privé) raha misy ny fanaovana départ volontaire sa izay tian'ny mpampiasa no atao.

Ny fifanekena asa tsy voafe-potoana dia azo atsahatra araka ny fanirian’ny andaniny sy ny ankilany ihany. Izany anefa dia mitaky fampandrenesana mialoha avy amin’izay tompon-kevitra amin’ny fanapahana (And. 29 - Lalàna n° 2003-044 tamin’ny 28 jolay 2004 anaovana ny Fehezandalàna momba ny asa).

Malalaka ny fampitsaharan'ny mpiasa ny fifanekena asa. Raha misy faneriterena mivantana na ankolaka, dia ny mpampiasa no heverina ho nandrava ny fifanekena tsy ara-drariny. Azon'ny mpiasa hatao ny mangataka onitra noho izany.

marinafilaza:

-Inona no fitoriana na fiarova-tena tokony hatao @ raha matahora sy rahom-bava mahazo ireo mpiasa te-hijanona satria mbola be charges sy tsy nahatafita zanaka ? ( ankoatry ny syndicat izay malemy ao @'ilay orin'asa).

Raha tsy mbola tapaka tanteraka ny fifanekena asa, dia any amin'ny mpanara-maso ny asa (inspecteur du travail) eo an-toerana no mametraka fitoriana. Raha tsy voavaha eo ny olana NA raha efa tapaka tanteraka ny fifanekena asa, dia azo hatao ny mampiakatra ny raharaha eny amin'ny sampam-pitsarana momba ny asa, izay miandraikitra ny fifanolanana isam-batan’olona misy eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa.

3. rabaradaka ( 02/10/2007 06:03)
Manatona aloha ny inspection du travail, fa zao koa anefa, efa nanjo ahy ity resaka ity ireo inspecteur du travail dia voavidin'ny mpampiasa. Ny eny amin'ny fitsarana sisa no vahaolana fa ny tsara dia makà mpisolovava fa raha betska dia 80000 ariary ny onitra azonao. Mahereza
4. marinafilaza ( 02/10/2007 09:35)
Misaotra an'ireo namaly:

Marina tokoa angamba izany hoe efa misy voavidy vola ny sasany ao @ inspection de travail ao, fa maro ireo mpiasa voaroaka niezaka nitory teny fa tsy hita an-javony.

Fa raha ho eny @ fitsarana (tribonalin'ny asa), tsy maintsy mandalo dingana manao ahoana avy vao tonga eny ny raharaha, sa afaka manao dingan-dava mankeny ?

Ilay onitra 80.000 ariary :ny texte ve no milaza io sa appréciation'izay mpamoaka didy ?. Eny @ inspection de travail ve no io no montant max sa eny @ tribonaly. Raha @'ito farany mantsy dia tsy hahaleo ny sarany ny vidiny satria tsy maintsy haka avocat?.

Araka ny traik'efan-rabaradaka, ohatrin eo ny maka avocat @ raharaha toy itony. Ahoana no fomba mety handresena tsara ilay orinasa mpifanandrina.

Misaotra mialoha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1267