Mba mangataka Tononkira: "Dia maninona" an'i Rossy!!

1. karinah ( 29/09/2007 15:01)
Salama daholo,
mba mangataka ny tonon'io hiran'i Rossy io ho an'izay afaka mahita azy. Merci!!
novalian'i karinah ny 01/10/2007 12:53
2. Fiffi ( 29/09/2007 16:37)
fa maninn no tsy natao tao am artista sy hira ity ? :roll:
3. mandrindra ( 29/09/2007 17:48)
lety ho mamin'ny fony kosa eeee
4. boubounezy ( 29/09/2007 18:12)
ekany kosa wa ry mandrindra!
5. karinah ( 29/09/2007 19:28)
Fiffi:nataoko tato satria ato toa be mpametraka hevitra, sady antso = mangataka koh!:-D
6. karinah ( 29/09/2007 19:33)
Boubounezy & mandrindra: non kah tsy izany, fa mba tiko iny hira iny, anefa tsy haiko h@ farany ny tonony! tsy manana ve i boubounezy? mba avadibadiho moa any @ cahier de chantn any fa sao mba misy eeeh! ..hanaovana karaoke ilay izy...!
7. mandrindra ( 30/09/2007 06:21)
dia maninona an'ialahy, mampaninona an'ialahy
ny akanjonay raha mavomavo

izay ve moa ilay izy? :lol:
8. ds ( 30/09/2007 09:31)
Na mainty toy ny saribao
na fotsy toy ny lamba miahy
ahy io fa tsy an'ialahy
9. karinah ( 30/09/2007 13:23)
ds&mandrindra: merci fa saingy tsy ampy...:lol:
10. ds ( 30/09/2007 14:26)
Dia maninona an'ialahy
mampaninona an'ialahy
ny fiainanay raha mavomavo
toa mahafaly an'ialahy
toa mampihomehy an'ialahy
raha potraka izahay na lavo
raha mba misy izay tsy mety
tsinontsinona iny akory
kinga ery ialahy mandrava

aza tsikerain'ialahy
aleo anay ny fiainanay
ndrao dia potika eo ity vava

Dia maninona an'ialahy
mampaninoa an'ialahy
ny fihevitray raha menamena
Fa angaha raha tsy mitovitovy
amin'izany fihevitr'ialahy
tsy mba azon'ialahy ekena
fa angaha ilay ity ny mokondohanareo irery
eto ambonin'ny tany
no tsy maintsy tohaina

Fa raha mba ny hafa no miteny
vola baoritra izy ireny
ka mangina fa tsy ilaina (bis)

Fa na mavo any io na mena
tsy azo n'iza n'iza hosena
na fotsy any io na maramara
tsy mila anao hikarakara
Fa na mavo any io na mena
tsy azo n'iza n'iza hosena
Na mainty toy ny saribao
na fotsy toy ny lamba miahy
ahy io fa tsy an'ialahy
Na mainty toy ny saribao
na mena toy ny voatabia
ahy io fa tsy an'ity

Dia maninona an'ialahy
mampaninona an'ialahy
na fotsy na mainty ny hoditray
ny fosafosan'ialahy
ny bitsibitsik'ialahy
hatsaharo ampy izay
fa ny hain'ialahy hainay
ny hainay tsy ary ho hain'ialahy
k'aza mifanambanimbany

fa n'inon'inona ilaina
na ny sandry na ny saina
samy manana an'izany (bis)

Dia maninona an'ialahy
mampaninona an'ialahy
ny lanitray raha mba miha manga
toa izay rehetra mahavita
miezaka ho tafita
ambakaina ho vangavanga
fa ny asa vitan'ny teo aloha
sy izay mba fiaviany koa
ody odiana tsy jerena
angaha misy olona natao
ho mafy ady lava izao
fa anjaran'ny hafa ny hanankarena
fa angaha misy olona natao
ho olona zefa lava izao
fa tsy hahalala hiavotena

Ka na mavo any io na mena
tsy azo n'iza n'iza hosena
na fotsy any io na maramara (na hafa koa)
tsy mila anao hikarakara io (andriamatoa)
Fa na mavo any io na mena
tsy azo n'iza n'iza hosena
Na mainty toy ny saribao
na fotsy toy ny lamba miahy
ahy io fa tsy an'ialahy
na mainty toy ny saribao
na mena toy ny voatabia
ahy io fa tsy an'ity
11. mandrindra ( 30/09/2007 18:01)
ds, misaotra ds fa tsara io tononkira io aaaa
12. ratonga ( 30/09/2007 18:24)
:oops: tsisy klipy ngà:lol:
13. melody ( 30/09/2007 18:41)
io ary ny clip ry ratonga a, mazotoa mijery sy mihaino

http://www.dailymotion.com/relevance/search/+Malagasy-Rossy/video/x2ezbg_rossy-dia-maninona
14. ratonga ( 30/09/2007 18:55)
melody: mlay b fa misôtra betsaka é:*
15. melody ( 30/09/2007 18:58)
:-P tsisy fisaorana
16. karinah ( 01/10/2007 00:12)
ds: (l):-*(l)^:^(l) ..;melody!(l)
17. karinah ( 01/10/2007 00:15)
mandrindra: hiaraka hira...?:lol:
18. UB40 ( 01/10/2007 00:23)
:miam::snif:=D=D=D=D=D=D=D::snif:miam:
19. karinah ( 01/10/2007 12:53)
ub40:aiza ny quenntown s..:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3769