inona no atao

1. xxx ( 28/09/2007 21:18)
manana namana vavy aho, mipetraka @ ho rafozany izy(future beaux parents), dia ilay rafozandahy amin zao fotoana izao mikoty2 azy, izy anefa tapitalan kaleha,manao formation no ataony, itadiavany asa, izy irery no aty satria nanatena ny herin ny fitiavana izy kinanjo, satria ny fiancé-ny bola mianatra 1 tona sisa, dia ts itako zay anapina azy, fa raha tsy manao ninoninona aloha dia angamba farany violeny eo lé sipa e, satria nolazainy tamiko hoe raha miteny aho d sao misy olàna eo, nefa raha hangina dia hanararaotra be lelikamaty.
manana hevitra ve ianareo?:(
novalian'i rovas ny 01/11/2007 15:38
2. soanja ( 28/09/2007 23:46)
xxx:

manana namana vavy aho, mipetraka @ ho rafozany izy(future beaux parents), dia ilay rafozandahy amin zao fotoana izao mikoty2 azy, izy anefa tapitalan kaleha,manao formation no ataony, itadiavany asa, izy irery no aty satria nanatena ny herin ny fitiavana izy kinanjo, satria ny fiancé-ny bola mianatra 1 tona sisa, dia ts itako zay anapina azy, fa raha tsy manao ninoninona aloha dia angamba farany violeny eo lé sipa e, satria nolazainy tamiko hoe raha miteny aho d sao misy olàna eo, nefa raha hangina dia hanararaotra be lelikamaty.
manana hevitra ve ianareo?:(


Voalohany aloha dia mila miresaka mazava amin'ilay fofombadiny izy ny zava-mitranga mba hanapan'izy roa ny tokony sy tsara atao. Satria raha ny fahitako azy dia efa ratsy fiatomboka ny zava-drehetra. Mbola tsy mpivady dia efa hifangaroharo ao an-tranon-drafozana. Mazava fa olona tsy misy fotony le ho rafozan-dahy fa izy anefa tsy mihevitra mihitsy hoe zanany vavy io manoloana azy io matoa kotiny. Noho izany, n'inona n'inona ho fivoakany dia mila miala amin'izany trano izany aloha na ho vady na tsy ho vady ilay ranamana sao lasa voa doubla eo mantsy.

Amiko raha hanorina tokatrano ny mpifankatia dia mila samy mahaleo tena aloha ny tsirairay avy na samy mipetraka amin'izay misy azy avy na Ray aman-dreniny avy. Vita ny soratra sy mariazy zay vao mitambatra toerana iray.
Raha tsy hoe manao fomba gasy taloha, miara-mipetraka fa tsy miaraka amin'ny rafozana akory de hita eo raha mety na tsy mety ny tokatrano.

Aza mba maika ny manambady izany fa rehefa anjara mantsy ilay olona dia anjara ihany.Izay tia mahandry. Izay maharitra vadin'Andriana. Karakarao tsara aloha izay mba hahaleo tena ny tsirairay na ilay ho tokatrano vao. Mahereza.


3. princesseN ( 29/09/2007 07:37)
soanja>=D=D=D
zah ko mitovy hevitra aminy mintsy,mila miresaka alou izy roa kely d mitady vahaolana,tsy votery ampikorontana izany raha mahay mifandamina tsara izy roa,fa anga tsisy fika hoe hanofany trano mitokana mintsy na de kely2 aza alou mandra-pa mba hialana @ zany probleme zany?
sao mantsy izy de ho tonga @lay fitenenana ao koa ny farany hoe "vinanto tsy mahare fosa"ho ratsy fiafara mantsy ny momba azy roa raha mbola hitohy hipetraka ao amin'ilay future bo parent-ny ihany izy,ny an'ni olona aza mantsy efa mpivady ry zareo no mipetraka @na ray aman'dreny mbola misy olana iany ko maika moa fa tahaka iazany
zay alou fa so de lava lotra fa mahereza
4. tywa68 ( 29/09/2007 07:45)
soanja sy princesseN : mitovy hevitra !

Ary enao angaha ry xxx tsy afaka mampiantrano azy na manampy azy hiala tao ?
5. booboo ( 29/09/2007 09:13)
Asaivo miala tao lé vhv raha tsy hahita raharaha. Efa hita ve hahafaty dia mbola hijanona ihany sa hoe tsisy mpamelona izy raha ry zareo ho rafozanin no hamelona ? :-w:-w

Ankoatra zay miombon-kevitra @ izy 3 kounkou zà
6. bolida77 ( 29/09/2007 14:49)
miala tao de mahaiza mifankatia fotsiny e !(l)
7. la ( 29/09/2007 15:17)
miombon-kevitra amin'i soanja

Fanampiny de izao aleo lavitra mipetraka amin'ny namana refa tsisy havana aty marina koa le tenin'i tywa68 we nga enao tsy afaka mampiantrano azy, sarotra be zany mipetraka amin'y olona HO VADY izany tokony hitady hevitra hafa mintsy fa tsy mipetraka ao zany!:)
8. xxx ( 30/09/2007 08:22)
tywa68:

soanja sy princesseN : mitovy hevitra !

Ary enao angaha ry xxx tsy afaka mampiantrano azy na manampy azy hiala tao ?



tsy afaka aho satria mbola mipetraka amin ny ray aman dreny, raha nanana ressource aho dia naka trano dia niara nipetraka izahay.
9. soanja ( 30/09/2007 13:21)
Aza milavo lefona zany mihitsy amin'ny fiainana fa rehefa miezaka dia tafita ihany no iafarany.

Ny tiako resahina dia indry izao no anisan'ny fitahiana afaka hanampy azy amin'izany zavatsarotra lalovany izany. Raha tena tiandry izy ary namandry akaiky dia tokony miara mikaondoha ianareo mirahavavy , rehefa avy niresaka tamin'ny fiance-ny izy, ny fomba hialany ao amin'izany rafozany zany. Ilay bandy no tokony hiasa mafy amin'izany koa aloha fa tsy hoe indry sy izy irery.
De tsy hino aho fa tsy ahita asa na zavatra atao iarahana na tsy iarahana ianareo mirahavavy sy ilay bandy hitadivam-bola. Miankina amin'ny habetsaky ny fitiavana anananao ho an'ny namanao io anefa ny finiavanao hanampy sy hiafy hamorona ilay hofatrano.
Raha tsy manao raha ilay bandy dia aza misahirana intsony akory fa izy hanana ilay tokatrano aza tsy te hiafy.
Araho ambavaka ny zavatra atao dia ho hitanao fa ahita mangirana ianareo.
Aza avela lalaovin'ny herin'ny ratsy ny fiainanareo, ka izy no hanjaka sy hanome takaitra ny ho avinareo. Aposahy ilay hery ao anaty mitondra fitahiana dia misosa fotsiny ny ambiny. Mahereza hatrany!
10. Fiffi ( 30/09/2007 19:46)
xxx:

tsy afaka aho satria mbola mipetraka amin ny ray aman dreny, raha nanana ressource aho dia naka trano dia niara nipetraka izahay.
ka maninn raha lazainao azy ny fandehan-zavatra rehetra ao ?

de tsy misy alehanao mintss zany fa tsy maintsy mijanona ao enao ? de hiaritra an'zany ve ? :roll:


11. rovas ( 01/11/2007 15:38)
aza mety rebirebeny re fa ny zanany tinao jerena a! ampahafantaro azy fa ny zanany no tinao fa tsy izy rafozana d ho menatra izy, raiso ho toy ny hanihany fa aza d mandray izany ho tena izy e, iza no mahalala na mitsapa ny toetranao vinanto izy so hoe mbola mety voarebirebin'olon-kafa, ka mila anao mifehy tena e! fehezo ny fonao fa an'ilay olon-tinao ihany fa izy d ataovy hatrany hoe "dada eh", ho menatra izy!!!! ary ho tsapany fa tena tinao ny zanany!!! hajao am maha ray amandreny izy hoe e!
d aza adino hatrany ny mivavaka fa ny devoly mahita hanadalana anao fona! ze ahalavo anao no tadiavin'ny devoly e! mahereza hoe e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1538