Antenimiera: Tsy hisy vondrona parlemantera mpanohitra

1. ronaldo09 ( 28/09/2007 10:56)

Raha izao vokatry ny fifidianana natao tamin’ny alahady 23 septambra 2007 teo izao no jerena, dia azo lazaina fa mizotra any amin’ny fandresen’ny Tim ny raharaha na dia mbola tsy vokatra feno sy ofisialy aza no tonga eny amin’ny MIRA.
Raha ny teto Analamanga fotsiny, ohatra, tsy nisy nahazo toerana mihitsy ny avy amin’ny antoko hafa na ny tsy miankina fa lasan’ny Tim avoka ny toerana rehetra. Mbola eto Antananarivo ihany fa avy amin’ny Faritra hafa, vitsy ireo tsy miankina no nahazo toerana ary tsy nisy mihitsy ny avy amin’ny antoko mpanohitra, fa ny mpomba ny fitondrana no nandresy.

Araka izany, tsy hisy vondrona parlemantera mpanohitra ao amin’ny Antenimieram-pirenena vaovao hitsangana eo. Raha ny lalàna anatiny nisy teo aloha, izay heverina fa tsy hiova tanteraka, mantsy no jerena, dia tsy azo atao ny manangana vondrona parlemantera raha tsy mahafeno isa valo ireo depiote mpikambana amin’izany.

Hatreto anefa dia zara raha misy roa ny depiote heverina fa hanohitra dia Atoa isany Zakahely Boniface (Mananara Avaratra) sy Jonah Parfait Pregaly (Befandriana Avaratra) izay nirotsaka tamin’ny anaran’ny antoko Leader Fanilo. Raha atao indray mijery izany ny mety ho endrika ho hita eny Tsimbazaza dia tsy misy afa-tsy Tim no ho depiote.
novalian'i Jeankely ny 03/10/2007 06:26
2. hery ( 28/09/2007 11:30)
Izay mihitsy no hitranga. Mampalahelo kanefa vokatry ny ataon'ny mpanohitra ihany io.

Ny mpifidy TIM efa be dia be no tsy nandeha nifidy dia tsy nahay nanararaotra ny mpanohitra nandresy lahatra ny vahoaka hifidy azy.

Dia hi-Tim daholo izany kou.
3. Jeankely ( 28/09/2007 11:38)
=))=))=))Inona no mampalahelo? Angaha tsy hay averina iry ambany kely iry hoe "Izany ny aina ka te hanao"? Efa lazaina fa mpanohitra kely vovokaina satria tsy nampianatra ny mpomba azy ahay anadihady fa varina mijijy. Aza dia be tabataba fa lasan'ny saka ny tsondro.=))=))=))
4. mandrindra ( 29/09/2007 12:29)
demokrasia
5. Jeankely ( 30/09/2007 05:57)
Malalaka be ilay hoe demokrasia ka tsy hay na ny lafi-tsarany no tiana hambara na ny lafi-ratsiny.
6. mandrindra ( 30/09/2007 06:49)
izy roa
7. Jeankely ( 30/09/2007 08:07)
Mbola loha-hevitra vaovao izany satria tsy hay na maharaka ny demokrasia ny vahoaka Malagasy na mpitondra na ny entina. Demokrasia tsy midika baranahiny akory.
8. ronaldo09 ( 01/10/2007 12:44)
Ny tena marina mila hazavaina amin'ny gasy ny atao hoe demokrasia fa mbola maro ny tsy mahafehy azy eny fa na ireo mpanao politika aza!!!!!
9. Jeankely ( 01/10/2007 12:52)
Mahay mamaky teny izy ary mahay ny dikany fa saingy tsy hainy ny mampihantra azy ho an'ny Mpanao Politika. Ny olon-tsotra moa dia misy mihintsy mihevitra fa samy manao izay saim-patany no dikan'izany. Olona mipetraka an-dafy aza manao resaka miverin-dalana nefa miaina sy mahita ny fandrosoana isan'andro. I Madagasikara nefa tiany averina sahala ny fiainana ao anaty ala.
10. rabaradaka ( 02/10/2007 06:07)
Ny zavatra tsara fantarina de izao : ireo tsy nifidy ve dia heverinareo fa hankasitraka ireo TIM ? Tsia no valiny fa ny TIM ao amin'ny Parlemanta ihany no hivadika hanohitra. Io lay lazaiko hoe mitombina ambony tsikafona ny TIM.Fa rabaradaka aloha mbola manohana an-dRavalo satria milay io tary io
11. Jeankely ( 02/10/2007 08:20)
Idry tena misoleleka marina ity. Angaha mbola voafafa ny resak'ity Baradaka ity ery ambany ery? Sao heverinao fa dia tena hampiresahana tokoa aza ny Malagasy. Ianao avy nilelaka tao mihintsy no tena halanay voalohany raha tsy fantatrao.
12. Sambilokely ( 02/10/2007 14:43)
Aleo aloha jerena ze fihetsik'ireo tim vao nomena fahefana ireo oe inona no tena laharam-pahamehany manoloana izao tsy fisian'ny mpanohitra izao!! fa de hiboridana eo reo ra vao manao zavatra voretra eo satria tsisy azo anilihana intsony fa ze ataony eo dia ny tim ranoray no nandany sy nanao azy!!
13. Jeankely ( 03/10/2007 06:26)
Izay no izy. Aleo ny olona hiasa ary ny fanelingelenana mitondra ny firenena any amin'ny lavaka. Raha miasa tsisy mpanelingelina tokoa nefa tsy mavoa dia miandry tsy ho ela koa ny fifidianana filoham-pirenena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0896