Iza izany no izy?

21. cutie ( 29/09/2007 16:33)
Kanefa ny hira miteny hoe Jeso vatofehizoro...

tiako io hira io :)
22. ikaretsaka ( 29/09/2007 16:41)
niryna tsy mamaky:
ikaretsaka:
Piera=petros=cephas=rock=stone
fa tsy peebles! asaivo mianatra i pasiteranareo sy ianao koa mba mila mandalina indraindray fa tsy mamakimaky fotsiny


samihafa ny vatolampy sy ny vato fehizoro ry niryna a.

rock is not a cornerstone hoy ilay mpampianatra architecture anay fahiny izay


niryna: i kristy no vavahady fa i piera no manana lakile.
dia samihafa koa ny lock sy ny door!
23. pissoa ( 29/09/2007 16:57)
tratra doly ny tsy mahay manisa rehetra ! iray ihany sa firy e, refa misaraka dia mody atao hoe iray foana ihany ? :-D:-D:-D

hery a ny tiako ho fantatra dia samy hafa ireo.
Pierre =vatokely na stone koa no filaza azy.
Petera no nomen'i kristy hery voalohany indrindra hitory ny teniny.Misy milaza fa izy no vatofehizoro
Kanefa ny hira miteny hoe Jeso vatofehizoro...

toa ny fanontanianao voalohany ihany no hitako manafangaro an'ireo eto izao nefa ...
Iza izany no tena vatolampy,vato vehizoro raha izany?
24. niryna ( 29/09/2007 17:00)
pissoa:

Tsy maintsy iray angaha ny vatolampy ? :-D:-D:-D
Ety an-tany aza dia efa feno vatolampy betsaka fa toa samy manana ny asany koa :lol:

marina izany,samy manana ny asany avy isika rehetra ary isika no vatolampy satria manana an'i kritsy ho vatofehizoro hanampy antsika hitory ny fitiavana antsika amin'ny hafa.

25. niryna ( 29/09/2007 17:02)
tywa68:

Niryna : efa io novalian'i hery io.

pissoa : sao dia nirahin'i menalamba ary i niryna hanontany an'io ? :-D:-D aza manontany be fa tsy hahazo valiny :-D:lol:

Tsy ny menalamba no naniraka ahy ka,kristiana aho ary ny Fanahy Masina no miaraka amiko isan'andro.Ho an'ny kristiana rehetra dia manana ny Fanahy Masina izy ireo miaraka aminy.

26. niryna ( 29/09/2007 17:06)
ikaretsaka:

samihafa ny vatolampy sy ny vato fehizoro ry niryna a.

rock is not a cornerstone hoy ilay mpampianatra architecture anay fahiny:wink:

na ny "vavahadin'ny helo" aza hono tsy haharesy azy:wink:


Marina izany i Kristy no rock ary Petera no stone.
Hoy izy hoe :3 raha tahiny "nanandrana hianareo fa tsara ny Tompo;"

4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa,"

5 ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 1 Pet 2-5
27. ikaretsaka ( 29/09/2007 17:37)
fa aiza @ ilay hoe vatolampy sy vato fehizoro mihitsy no tsy azon'ny sain-terin'i niryna e?
eto dia diso
i piera no rock hijoroan' ny fiangonana ary i Kristy no cornerstone (vato fehizoro)!

Piera=tany mafy anorenana ilay fiangonana
Kristy=fototra (vato fehizoro)
isika=vatam-piangonana.(trano fanahy hanatitra fanati panahy fa tsy hihaino toriteny fotsiny)

Mila mianatra tao-trano ianao na mipetraka anaty trano falafa le:roll:
dia io lazainao io ambony io ny manaporofo azy
28. niryna ( 01/10/2007 03:31)
cutie:

12. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 29-09-2007 00:46:21
Lohateny : Re : Iza izany no izy?
mampatsiaro ahy ny t@ mbola kely koa i cutie ity.
t@ izany ilay nalaza be ireny ny Arema dia nodradradradraina fa 1 ihany
misy ny marema, serema, koparema, kofarema, manema!

i Ika nge tonga de mijery le anaram-piangonana ndray :-D



=))
29. niryna ( 01/10/2007 03:43)
ikaretsaka:

fa aiza @ ilay hoe vatolampy sy vato fehizoro mihitsy no tsy azon'ny sain-terin'i niryna e?
eto dia diso
i piera no rock hijoroan' ny fiangonana ary i Kristy no cornerstone (vato fehizoro)!

Piera=tany mafy anorenana ilay fiangonana
Kristy=fototra (vato fehizoro)
isika=vatam-piangonana.(trano fanahy hanatitra fanati panahy fa tsy hihaino toriteny fotsiny)

Mila mianatra tao-trano ianao na mipetraka anaty trano falafa le:roll:
dia io lazainao io ambony io ny manaporofo azy




misaotra anao aho ry ika.
Mifanohitra ny fahalalako azy
Kristy irery no rock fa tsy Petera.
Petera no niteny fa i Kristy no Zanak'Atra velona ary izay fanomezan'ny FM azy niteny izany.
Matio 16:17-18
17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.

18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. Mat 16:15-18
Kristy izany no fiangonana ary Petera nomeny hery hanorina ny fiangonana ary izy no nahazo hery hitori-teny voalohany ka nampilaza ny olona ny hibebaka.

IPETERA 2

3 raha tahiny "nanandrana hianareo fa tsara ny Tompo;"
4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa,"

5 ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.

6 Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: "Indro mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (isa. 28. 16).
Dia io izaho Petera miteny fa kristy no vato velona,vato nolavin'ny mpanao trano,vato fehizoro.

30. niryna ( 01/10/2007 03:56)
ikaretsaka:

samihafa ny vatolampy sy ny vato fehizoro ry niryna a.

rock is not a cornerstone hoy ilay mpampianatra architecture anay fahiny:wink:

na ny "vavahadin'ny helo" aza hono tsy haharesy azy:wink:


Ka izay no tsy azoko,hianao miteny hoe cornestone i Kristy,ny teny anefa miteny hoe rock izy koa :roll:

Petera nomeny hery hanangana ny fiangonana fa izy ilay fiangonana(fiangonan'i Kristy)

Ity misy tantara mampihomehy.Tsy tena izy akory a,
Nisy olona nandona teo amin'ny vavahady ary dia nanontany an'i Petera izy mba ho voahainy ny varavarana.
Andraso hoy i Petera fa tsy manana alalana hamoha anao aho fa aleo aloha aho hanontany ny eo ambony fahefako.
-Inona hoy i Kristy no tadiaviny.
-Niverina i Petera sady nanontany hoe inona hono no tadiavinao.
-Mba vohay varavarana aho
Naverin'i Petera tamin'i Kristy ny antony tadiaviny ary nanontany azy i kristy hoe inona hono hoe no mba nataonao teny an-tany
-Niverina i Petera ka niteny taminy izay nataony.Hoy izy hoe nanampy ilay mahantra teny amoron-dalana aho ka nomeko $5 izy.
-Niverina i Petera nilaza ny zava-bitany tety an-tany ka hoy Kristy hoe ,iny omeo azy ny $5 ary niverina rangahy.Petera namoha ny vavahady,Kristy tsy namoha ny varavarana.Kristy no tompon'ny fanalahidin'ny lanitra ka izay voahainy dia hivoha ny varavarana ,izay hidiny dia tsy afaka hamoha ilay varavarana na iza na iza.

31. niryna ( 01/10/2007 03:57)
cutie:

Kanefa ny hira miteny hoe Jeso vatofehizoro...

tiako io hira io :)


Izaho koa aky tia anio a.
32. ikaretsaka ( 02/10/2007 00:13)
resaka marina ka atao:
mazava ho azy fa tsy handray tsolotra i petera ka:-D ataony inona any an-danitra moa 5 bucks
33. niryna ( 02/10/2007 05:40)
ikaretsaka:

resaka marina ka atao:
mazava ho azy fa tsy handray tsolotra i petera ka:-D ataony inona any an-danitra moa 5 bucks



:D
34. tsiafoi1 ( 05/10/2007 10:37)
Jesoa re no izy
35. fijo ( 05/10/2007 21:36)
iza i jesoa???
36. andryrabe ( 05/10/2007 22:21)
Jesoa ilay inoan'ny sasany ary tsy hinoan'ny hafa
37. niryna ( 06/10/2007 03:03)
andryrabe:

Jesoa ilay inoan'ny sasany ary tsy hinoan'ny hafa

Manana andriamanitra hafa izy ka izany no hitenenany azy ka.Namorina andriamaninkafa mantsy no tena izy e.
EKSODOSY 20

2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.

3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.

5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0074