TELMA: Fandroahana mpiasa mafotaka takon'ny publicité

1. marinafilaza ( 27/09/2007 16:16)
Malaza ny publicité mikasika ny TELMA ankehitriny , saiky feno azy daholo ny gazety sy ny haino aman-jery. Saingy ao ambadik'izany rehetra izany dia toa misy zavatra mampalahelo mitranga ao @'io orin'asa, nanomboka taona 1 na 2 ary tena efa tsy azo zakaina intsony ankehitriny.

Manana fianakaviana sy namana miasa ao ny tena, ary hitantarany ny fahoriana mahazo azy ireo.

Terena ankolaka handeha "départ volontaire" ry zareo indrindra ny 50 taona miakatra. Ny olana anefa dia tena kely ny tambiny omena azy ireo toy izao ny calcul = 9,5 j/an d'ancienneté no hanaovana ny kajy dia hitanao ao hoe ohatrinona izany raha nahavita 10 na 20 taona tao ianao. Rehefa tsy handeha ianao dia anaovana raha matahora fa mety voaroaka ary hiala maina. Fomba fanao hono ny mandefa audit interne @ servicenao dia tsongolihina izay hadisoana na dia ny madinika indrindra aza , ary atao izay hahatonga anao ho tafiditra @ hadisoan'ny hafa @'izay dia atao remise à la DRH mba hiakatra conseil de discipline avy eo dia roahina mora foana. Be ny efa tratr'izany ary hinoana fa tsy vitsy no hampiharana ity fomba ity raha ny zava-misy hianan-dry zareo no jerena.

Ny syndicat hono efa natao izay hampalemy azy ka tsy manana poids hanohitra intsony.

Amin'ity faran'ny volana septembre ity no fetra farany nomena ireo olona (indrindra ny be taona) ireo handehanana. Miady saina sy fanahy izy ireo tsy hita izay hatao handeha, kely ny vola ho azo, hijanona matahotra ny ho voaroaka tsy @'antony....

Natao izao fampahalalana izao ho an'izay tokony hahalala izany satria takon'ny publicité sy ny internet illimité ny fianan'ireo mpiasa ireo ka tahaky ny hoe mandeha "joli" ny zava-drehetra.

Raha ny hevitro manokana, raha tsy maintsy alefa départ volonté ( départ forcé angambe) izy ireo dia omeo azy ny karamany mandra-paha retraiten'izy ireo dia ho tena ara-drariny ny zavatra hatao fa raha tsy izay dia tena zavatra manosihosy ny maha-olona ary tsy manana fo antra satria olona mamelom-bady aman-janaka avokoa izy ireo....

Raha toa ianao mamaky manan-kambara dia ambarao fa hevitra tera-bary.

Misaotra
2. xxx ( 28/09/2007 08:00)
Mety ho ny dimam-polo miakatra no tena voakasik'ilay izy.(Retraite anticipée)
Efa zavam-pitranga io amin'ny Sté maro (Rajeunissement personnel hono ny tanjona). Raha ny traikefa hitako, dia tsara ny mandeha dia mitady hevitra manao zavatra na asa hafa. Ireo olona no-proposer-na handeha nefa tsy nety nandeha tena lasa leo monina, mijaly,ary miala-maina tokoa ny hiafarany.
3. marinafilaza ( 28/09/2007 09:43)
Ny tena olana mantsy arak'io voalazanao io dia tena efa tsy misy fanajàna intsony ny zon'izy ireo.

Na handeha aza dia tsy ho ampy ny enti-manana satria vola kely zara raha misy no valim-babena omena azy ireo.

Toy ny voasary makirana rehefa tsy misy ranony hofiazana intsony dia atsipy ohatry ny manipy inona...

Misy abus ihany ao anatin'ilay izy fa takonana @ ilay hoe "départ volontaire" ( dray forcé mantsy e!). Ny tena mahagaga mantsy toa tsy misy fihetsehana avy any @ fanjakana "inspection de travail", mety misy azon'ny Bianco atao koa angamba.

Raha ny zava-nisy toy izao dia tena mampieritreritra hoe ahoana ny hiafaran'ny tena rehefa mba bebe taona ihany koa ? tokony hisy lalàna sy fiarovana manokana apetraky ny fanjakana mba tsy ahafahan'ny orin'asa manao toy izao.

Azo atao tsara ny manao rajeunissement saingy tokony hatao @ fanajàna ny zon'olombelona izany @ sarany ara-dàlana.

Ireo olona 50 taona mihoatra ireo ambarako anao dia olona manan-janaka eo anivon'ny fianarana feno mihintsy....ahoana no hiafaran'ireo ? ny ho aviny , nefa dia noho izay no nandanian'izy ireo ny fahatanorany teo @ orin'asa.




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.167