Zava-misy

1. ds ( 27/09/2007 11:48)
Ho fitsinjovana ny tontolo iainana, dia miezaka
tsy mampiasa sachet plasitika intsony ny tandrefana.



Akory ny hagagako nahita ny moron'ny digue mankany
amin'ny toby Zazakely (Soavimasoandro -> Ambodifasina).
Toa ny Gasy indray no tsy mampiasa harona voajanahary.

novalian'i Fiffi ny 02/10/2007 07:42
2. Herimiafina ( 27/09/2007 18:54)
Ny harona plastika anie aty amintsika mbola vidiana e! Ny any amin'ny supermarché any andafindriaka any no zaraimpotsiny amin'izay mividy entana.

Haintsika ny mi-recycler azy iny, ampirimina tsara dia avoaka indray rehefa andeha hiantsena ary tsy ariana raha tsy rovitra.

Fa ny hitako tena mandoto tanèana dia ny couches sy ny salaka! :-D
3. Fiffi ( 27/09/2007 19:23)
Herimiafina:

Ny any amin'ny supermarché any andafindriaka any no zaraimpotsiny amin'izay mividy entana.
efa tsy misy intsony akia io an !

Mividy 10c ny sac iray de rehefa simba iny de averina any am supe njay de solohiny vao2....


Le sac kely taloha efa tsy misy intsony eny am sup fa ny boucherie , na mpivarotra madinika no mbola ahitana njaindray....


4. Herimiafina ( 27/09/2007 19:29)
Ny hitako fony izaho tany andafy aloha dia ny supermarket sasany ihany no mandray io fempetra io e, fa ny sasany mbola mizara harona plastika foana.

-Misy ny tsy manome harona intsony fa mi-demerda ianao raha hividy entana ao aminy.
-Misy ny mivarotra ireny harona jiafotsy ireny.
-Misy ny manome 5cents isaky ny harona entinao raha tsy mampiasa harona plastika ianao.

Ny mpivarotra madinika anefa mbola manome soa amantsara ireny harona plastika ireny foana eny fa na chocolat iray aza no vidianao ao aminy.

Ny aty Dago indray angamba mbola tsy dia misy supermarket firy fa mpivarotra madinika no tena manaparitaka ny harona plastika. :^)
5. Fiffi ( 27/09/2007 20:18)
ka na hatram-poubelle aza akia zao efa triéna daholo an ! :{:{ de lasa feno bac isakarazany ny lokony ! ohatra ny carton sy tavoangy plastika de mavo (tom) ny hafa de maintsy , marron sns... de zay koh no anisan'ny tsy hilana an'le sac kely ireny intsony !
6. Herimiafina ( 27/09/2007 20:54)
Angaha moa tsy efa ohatr'izay foana izy io ry Fiffi sa vao taty afara vao nosarahana toa izany? :^)
7. rova30 ( 27/09/2007 21:49)
Ary ireny polystirène ireny ,aiza no fanariana ireny?
8. Herimiafina ( 28/09/2007 00:24)
Ny polymères rehetra dia miaraka amin'ny tavoahangy plastika, sotro, fourchette, sns
9. mandrindra ( 28/09/2007 14:13)
ds, ohatrinona no vidin'ny sobika iray, dia ohatrinona no vidin'ny harona plastika iray? dia ny valiny koa efa hitako hoe ny harona sobika mateza kokoa, saingy ny mpanjifa any amintsika dia tsy mbola any amin'izay fomba fijery izay fa ny izay ahakely ny hivoaka ao ampaosy aloha no tanjona voalohany. dia io ihany koa ilay nolazaiako any amin'ny dinika hafa hoe laharampahamehana ho an'ny malagasy ve ny tontolo iainana??
10. soanja ( 29/09/2007 11:35)
mandrindra:

ds, ohatrinona no vidin'ny sobika iray, dia ohatrinona no vidin'ny harona plastika iray? dia ny valiny koa efa hitako hoe ny harona sobika mateza kokoa, saingy ny mpanjifa any amintsika dia tsy mbola any amin'izay fomba fijery izay fa ny izay ahakely ny hivoaka ao ampaosy aloha no tanjona voalohany. dia io ihany koa ilay nolazaiako any amin'ny dinika hafa hoe laharampahamehana ho an'ny malagasy ve ny tontolo iainana??


Laharam-pahamehana amin'ny gasy tokoa ny tontolo iainana saingy izy no tsy mahalala ny fifandraisan'izany aminy noho ny tsy fahampian'ny fahalalana sy ny fanabeazana atolotra azy ary ny hahasoa ho avin'ny zanany.

Nahoana? matoa mitodika amintsika izao tontolo izao ka manampy antsika sy miezaka manao izao rehetra izao amin'ny resaka ekonomika/socialy sns dia satria isika no anisan'ny firenana manana biby sy ny zavamaniry miavaka indrindra ary mbola tsy nahavitana akory fikarohana amin'ny fanasitranana na tombotsoa azo amin'ny fisian'ireo ho an'ny TARANAK'OLOMBELONA ANY AORIANA.
Mbola miandry ny zaza hotaizaina, izay mbola eny an-tratran-dreniny sy ny mbola tsy noforonina , izay antsoina hoe ireo dimby sy fara, hanao izany satria mbola tsy tontosa hatramin'ny farany na tanteraka ny fahafantarana ny siansa.
Zavadehibe amin'ny firenana hafa i Madagasikara satria HOT SPOT hozy ry zareo, satria mihasimba ireo harena voa-janahary ireo nefa mbola betsaka ny mila sy te hampiasa azy any aoriana ary tombotsoantsika Malagasy izany.
Ny firenena tsy mahalala mitsinjo ny taranany any aoriana no azo lazaina amin'izao fotoana fa firenena adala.


11. mandrindra ( 29/09/2007 12:25)
soanja, ahoana no ahafahanao milaza hoe laharampahamehana ho an'ny malagasy ny tontolo iainana nefa izy aza tsy mahalala? mba hazavao hoe azafady. rehefa tsy mahalala ve dia mbola afaka hametraka lanjany.
ny zavatra lazainao manaraka dia marina fa saingy tazana avy aty ivelany izany. ho an'ny malagasy aloha dia ny asa, ahazahoana sakafo, hananana trano hialofana, handefasana ny ankizy any antsekoly, hitsaboana tena ... ireo no laharampahamehana fa tsy ny tontolo iainana.
ny fitsinjovana ny taranaka koa dia tsy ny tontolo iainana ihany no jerena fa mbola ireo zavatra nolazaiko aloha ireo aloha no tanterahina izay afaka mijery ny tontolo iainana.
12. soanja ( 29/09/2007 13:49)
mandrindra:

soanja, ahoana no ahafahanao milaza hoe laharampahamehana ho an'ny malagasy ny tontolo iainana nefa izy aza tsy mahalala? mba hazavao hoe azafady. rehefa tsy mahalala ve dia mbola afaka hametraka lanjany.
ny zavatra lazainao manaraka dia marina fa saingy tazana avy aty ivelany izany. ho an'ny malagasy aloha dia ny asa, ahazahoana sakafo, hananana trano hialofana, handefasana ny ankizy any antsekoly, hitsaboana tena ... ireo no laharampahamehana fa tsy ny tontolo iainana.
ny fitsinjovana ny taranaka koa dia tsy ny tontolo iainana ihany no jerena fa mbola ireo zavatra nolazaiko aloha ireo aloha no tanterahina izay afaka mijery ny tontolo iainana.



Raha izay dia ny fandikana ny atao hoe laharampahamehana no mety tsy fantatro.
Raisiko ny ohatra, marary ilay olona nefa ny aretina mahazo azy fantany ary ny fanafody hanasitranana azy tsy misy. Na misy fa tsy fantany ny azahoana azy. Ny fomba azo azahoana azy anefa dia avy amin'ny alalan'ny olon-kafa izay manana ilay fanafody. Noho izay laharam-pahamehan'ilay marary ny tokony hahafantatra ilay olona manana ilay fanafody SY MIKATSAKA ny fomba azahoana ilay fanafody; na hividy zany izy na hangataka na haninona tsy fantatro fa zava-dehobe aminy iny olona manana ny fanasitranana , amin'izay ho sitrana ny izay marary aminy. Izy anefa tsy mahalala hoe any amin'ny sinoa ohatra no misy ny fanafody , na dia milaza aza ilay sinoa manana ilay fanafody fa any aminy ny fanafody manasitrana ilay aretina.
De eo ilay olana e: Tsy fantany ny laharampahamehany.

Ny tiako resahina dia tsy mmisy dikan'ny amin'izao tontolo izao i Madagasikara tsy teo ny hasarobidin'ireo harena voajanahary ananantsika. Matoa izy mankany amintsika de ao izay ny interet-ny sy ny zavamanahirana azy aminao koa. Fitia mifamaly anefa ny zava-drehetra koa raha te hanana ny solution amin'ny fahantrantsika isika dia mila mitady hevitra hikajiana ireo zava-tsarobidy tadiaviny ireo.
Hatramin'izao aloha dia hilaza aminao aho fa firifiry moa ny projets vatsian'i USAID na resaka fanabeazana izany, tontolo iainana, fahasalamana, fikarohana sns matoa manao izany izy de fantany ny zavatra sarobidy ao amintsika. Ireo no mahamahy azy dia miezaka manampy izy. Ireo no loharanom-bola hampiroboroboana ireo zavatra goavana resahinao manahirana an'ny gasy ireo. Koa raha mbola te hanana izay fitohizana famatsiana sy fiahiana izay isika dia tokony hahalala hoe aiza ny zavamanahirana sy tadiaviny de iny aloha kajiana tsara satria loharano hahavelona.
Nefa asa moa fa isika mety hanantena hoe vitantsika samirery ny hampivoatra an'i Mada tsy hisy fanampiana na fanohanana avy ety ivelany. Amiko de mbola nofinofy io hatramin'izao aloha fa izay anefa no tanjona!


13. soanja ( 29/09/2007 13:55)
hadinoko kely: ny famaliana ilay fanontaniana hoe ahoana no fametrahana ilay lanjany nefa izy tsy mahalala dia eo no milalao izaho sy ianao izay mahalala. Ampahafantaro azy izany. Aoka handray andraikitra ny tsirairay hilaza sy hanabe ary hanoro fa ao amin'io no ahitany valiny amin'ny fahantrany.

Efa manao ezaka ny governemanta ary anisan'ny tafiditra amin'ny MAP ny tontolo iainana. Manomboka any amin'ny ankizy ny fampianarana hoe misy fifandraisana ny tenanao sy ny tontolo iainananao. Raha madio io de ho salama ianao raha mahay mitandrina sy mikajy azy koa. Haharitra ny momba anao sy ny taranakao!
14. Fiffi ( 02/10/2007 07:42)
Herimiafina:

Angaha moa tsy efa ohatr'izay foana izy io ry Fiffi sa vao taty afara vao nosarahana toa izany? :^)
an3 kah ! tsy ohatran'zany foana io fa heu....vao tam herintaona ny Tom no nahazo zahay taty....


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.288